- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yémen : Manentana ny vehivavy amin'ny alalan'ny bilaogy sy ny tambajotra sosialy ny tetikasa AWAMT

Sokajy: Yemen, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 20 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
EWAMT 7th workshop participants [1]

Nilaza i Napoleon Bonaparte indray andro hoe: “Aoka i Frantsa mba hanana reny mendrika mba hananany zanaka mendrika.” Marina ho an'ny firenena rehetra izany. Azo atao ny mamelona fanantenana fa ny tetikasa, izay tohanan'ny Rising Voices any Yemen , ‘ Fampiofanana ho an'ny Vehivavy mpikatroka amin'ny Teknikan'ny Media [2] (EWAMT)’ dia hisy fiantraikany toy izany. Manomana fampiofanana momba ny media vaovao ho an'ireo mpanao politika vehivavy, mpitolona ary mpiasa ho an'ny zon'olombelona ao Yemen i Ghaida'a al-Absi, miara-miasa amin'ny Hetsika Mifampitantana mba hitondrana ny feo bebe kokoa avy amin'ny vehivavy ao amin'ny Aterineto ary mba hanomezana azy ireo ny fahefana bebe kokoa. Nizara ny zava-niainana mahaliana [3] izay hitany nandritra ny atrikasa fahafiton'ny tetikasa izy:

Jeudi 15 octobre 2009 nous tenons un atelier sur les blogs et les réseaux sociaux pour dix militantes. Celles-ci étaient vraiment volubiles et pleines d'énergie. C'est magique, chaque fois que vous formez de nouvelles militantes, vous recevez un peu de leur énergie.

 

Ny Alakamisy 15 oktobra 2009, nanomana atrikasa momba ny bilaogy sy ny tambajotra sosialy ho an'ireo mpitolona miisa folo izahay. Tena avo feo sy feno hery izy ireo. Tena mahagaga, isaky ny mampiofana mpitolona vaovao ianao dia mahazo hery kely avy amin'izy ireo.

Sadiq al-Samawi introducing Facebook [4]

Sadiq al-Samawi mampahafantatra ny Facebook

Nahitana torohevitra toy ny fomba famahanana bilaogy amin'ny alàlan'ny mailaka ny atrikasa indray andro izay notarihin'i Ghaida'a, ary nampianatra ireo mpandray anjara ny fampiasana ny facebook i Sadiq al-Samawi nandritra ny fivoriana ny tolakandro.

Andeha hojerentsika ireo lahatsoratra bilaogy navoakan'ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa faha-7.

Nanoratra [5] momba ny olana lehibe iray i Safa : ny fihanaky ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina any Yemen.

Nanadihady [6] ny fivoaran'ny SIDA mampihorokoditra sy ny fomba hampitomboana ny fanentanana mba hisorohana ny aretina i Smile To Life.

Namoaka tononkalo mitondra ny lohateny hoe ‘ fo mangina [7] ‘ i Dove creativity .

Namaritra [8] ny fitiavana i Lafraaaaacp adventure:

L'amour, c'est quand tout ce qui vous intéresse, c'est le bonheur de votre bien-aimé sans penser à vous-même.

Ny fitiavana, rehefa ny hasambaran'ilay olon-tianao tsy mieritreritra ny momba anao ihany no mahaliana anao .

 

Ary indreto misy ny sombin'ireo bilaogy avy amin'ireo mpandray anjara sasany tao amin'ny atrikasa teo aloha:

Pearl, izay nanoratra tao amin'ny Shells dia nilaza hoe nahoana ny vehivavy no terena [9] hanao zavatra mifanohitra amin'ny sitrapony, satria ve izy voatendry ho malemy kokoa eo amin'ny fiarahamonina. Nihiaka izy hoe:

“Pourquoi ne comprenez-vouspas que nous avons le droit de choisir.”

 

“Nahoana ianareo no tsy mahatakatra fa manan-jo hisafidy izahay.”

Nitanisa [10] ny karazana fanolanana hafa i Kholoud ao amin'ny Ambitious Project :

photo avec la permission de Kholoud

photo avec la permission de Kholoud

Il y a les idées violées .. le succès violé.. et même les sentiments violés .. l'usurpation de la terre et d'autres sortes de viols. Le viol le plus atroce, c'est celui de l'innocence .. le viol des enfants. Les enfants violés et dépouillés de tous leurs droits..
Le droit de jouer
d'apprendre
Le droit à une vie dans la dignité et la sécurité …et ils sont enfermés dans une caverne obscure, sur les bas-côtés de la vie
Seulement parce qu'ils n'ont été créés que pour se retrouver dans une vie d'épreuves.

 

Misy ireo hevitra voaolana… ny fahombiazaa voaolana.. ary eny fa na dia ny fihetseham-po voaolana aza .. ny fisolokiana tany sy ireo karazana fanolanana hafa. Ny fanolanana mampihoronkoditra indrindra, dia ny tsy fananan-tsiny.. ny fanolanana ankizy. Ireo ankizy voaolana ary nesorina taminy ny zony rehetra ..
Ny zo hilalao
mba hianatra
Ny zo hiaina amim-pahamendrehana sy am-pilaminana … ary nohidiana tao anaty lakavy maizina izy ireo, any amin'ny fiainana hafa
Satria noforonina mba hiaina ao anatin'ny fiainan-tsarotra fotsiny izy ireo.

Abeer Aeriqi raconte [11] ce que cela fait d'être trahi par sa soeur. Elle publie aussi [12] une intéressante histoire dont la morale est que “nous souffrons toujours de stupidité émotionnelle sévère, qui nous fait faire des erreurs de jugement.”

Nitantara [11] ny fahatsapany ho voafitaky ny rahavaviny azy i Abeer Aeriqi . Namoaka tantara [12] mahaliana iray ihany koa izy izay mifono anatra hoe: “Mijaly foana isika noho ny fihetseham-po adala tafahoatra, ka mahatonga antsika hanao fiheveran-tena diso.”

Nizara ny fisaintsainany [13] momba ny raharaham-pitiavana tsy nahomby i Eman ary nanontany tena raha ilaina ny mamerina izany indray hatrany hatrany mialoha ny handavana ny fitiavana.

Ato amin'ity tranonkala [14] ity ny lisitr'ireo bilaogin'ny mpandray anjara tamin'ny tetikasa EWAMT.