- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanao fambolen-kazo ny Bilaogera FOKO avy eto Madagasikara

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Tamin'ny 2 Martsa 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mila ny Flash 8 (na ambony kokoa) [1] sy javascript ianao mba ahafahanao mijery ny horonantsary.
http://blip.tv/file/get/Risingvoices-FOKOBloggersPlantTreesInMadagascar393.flv

Taorian'ny atrikasa momba ny fampiasana ny Flickr sy ny fomba famahanana bilaogin-dahatsary, navitrika tamin'ny fanadihadiana momba ny tondradrano tamin'ny rivodoza Ivan sy ny fambolen-kazo nataon'izy ireo tany Andranovelona niaraka tamin'ny Vondrona Namana SeraSera ny ekipa FOKO eto Madagasikara.  Mampiseho ny dian'izy ireo nankany Andranovelona ny lahatsary etsy ambony. Misy amin'ny teny Anglisy, Bengali, ary Malagasy ny dikanteny. Raha te hamantatra bebe kokoa momba ny antony nahatonga ny vondrona FOKO hanapa-kevitra ny hamboly hazo ianao dia jereo ao amin'ny bilaogin'ny tetikasa RV [5] sy ny pejy momba azy ireo [6] .