- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao gazety Libaney voaheloka higadra tamin'ny fitsarana tsy natrehany, noho izy ‘nanala baraka” ny minisitry ny raharaham-bahiny tao amin'ny Facebook

Sokajy: Libanona, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Sarin'i Fidaa Itani nalaina tao amin'ny Facebook-ny. Sary: Wassim Naboulsi

Voaheloka tamin'ny fitsarana tsy natrehany ilay mpanao gazety Libaney noho izy nanala baraka an'i Gebran Bassil [1], minisitry ny raharaham-bahiny sy ny mpifindra-monina, tamin'ny lahatsorany Facebook.

Nosazian'ny fitsaràna iray ao an-tanàna andrefan'i Libanona, Baabda higadra efa-bolana sy handoa onitra 10 tapitrisa Lira libaney (eo amin'ny 6660 dolara Amerikana) i Fidaa Itani tamin'ny 29 Jona 2018.

Mpanao gazety mifantoka momba an'i Syria sy ny krizin'ny mpitsoa-ponenana i Fidaa Itani.

Niteraka tsikera sarotra momba ny hetsika ara-politika sy hetsika miaramila nataon'ireo mpiantsehatra matanjaka ao Libanona ilay lahatsorany Facebook. Nilaza ny fanafihana nataon'ny tafika Libaney tao Arsal tamin'ny herintaona  i Itani, izay niteraka ny fahafatesan'ireo olom-pirenena Syriana any am-ponja [2]. Nokianiny ihany koa ny fandrisihana nasionalista ho fanesorana an-katerana ny mpitsoa-ponenana ao anatin'ny sisintany Libaney.

Nanohy naneho ny ahiahiny mikasika ny antoko politika Libaney sy ny vondrona milisy Hezbollah  [3]i Itani. Nanohitra ampahibemaso ny firotsahan'ny miaramilan'i Hezbollah an-tsehatra tao Syria [4]tamin'ny anaran'ny fitondran'i Assad ihany koa izy.

Fotoana fohy taorian'izay, nametraka fitoriana an'i Itani ireo mpisolovava miaro ny tafika sy ny filoham-pirenena. Ambonin'izany, nanomboka nahazo fandrahonana mivantana avy amin'ny olona mifandray amin'i Hezbollah izy. Noho izany, nandositra ny firenena izy ary nitady fialokalofana tany Angletera.

Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny gazety frankôfôna Libaney L'Orient le Jour, nanazava i Itani [5]fa ny fitoriana tany am-boalohany, napetrak”ireo mpisolovava milaza fa misolo tena ny filoha Libaney sy ny tafika, dia toa nanjavona ary nosoloina tamin'ny raharaha napetrak'i Gebran Bassil.

Je ne sais pas comment la première action judiciaire a disparu, ni ce qui a été concocté dans ce cadre entre les services de renseignements de l’armée et le président de la République, ou encore le Hezbollah (également visé par le post, et dont les intimidations contre M. Itani sont derrière son départ pour Londres, NDLR). Il semble toutefois que Gebran Bassil se soit porté volontaire pour intenter une action à leur place.

Tsy fantatro ny anton'ny nanjavonan'ny raharaham-pitsarana voalohany, na izay nomaninateo amin'ny samy sampam-pitsikilovan'ny tafika sy ny filohan'ny repoblika, na ny Hezbollah mihitsy (izay voakiana ihany koa tao amin'ny lahatsoratra, sady ny fandrahonana an'i Itani avy any no nahatonga azy ho any Londres). Hita toa nilatsaka an-tsitrapo hitondra ny fitoriana eo amin'ny toeran'izy ireo aza i Gebran Bassil.

Nilaza ihany koa i Itani [6] fa tsy nahazo fanamafisana ofisialy momba ny sazy izy fa naheno fotsiny ny vaovao tamin'ny tatitry ny haino aman-jery. Nilaza tamin'ny Maharat Foundation [6], fikambanana tsy miankina miaro ny fitenenana ihany koa izy fa nametraka fitoriana sivy hanenjehana azy ny minisitra vonjimaika Bassil, anisan'izany ity iray ity.

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook [7] sy Twitter, tsy mahagaga intsony fa nanakiana ny fanapahan-kevitry ny mpitsara i Fidaa Itani. Tamin'ny fizarany lahatsoratra milaza ny saziny an-tranomaizina izy nanoratra hoe: “Famoretana bebe kokoa sy fandrobàna bebe kokoa.”

Notaterina, notsikeraina sy nomelohin'ny fikambanana Libaney sy iraisam-pirenena ny fanasaziana an'i Itani.

Tamin'ny mailaka nalefan'ny mpanao gazety, Bassam Khawaja, Libaney mpikaroka ao amin'ny Mpanaramason'ny Zon'Olombelona, nilaza hoe:

Sentencing a journalist to four months in prison for a critical Facebook post is an outrageous attack on free speech that lays bare the lack of meaningful protections for freedom of expression in Lebanon. Lebanon’s new parliament should act quickly to abolish laws that criminalize defamation, which are disproportionate, unnecessary, and violate international human rights law.

Fanafihana manafintohina ny fahalalaham-pitenenana izay mampiseho ny tsy fahampian'ny fiarovana mivaingana ho an'ny fahalalaham-pitenenana any Libanona ny fanasaziana mpanao gazety efa-bolana an-tranomaizina noho ny lahatsoratra Facebook  manakiana. Tokony handray fepetra haingana mba hanafoana lalàna izay manameloka ny fanalam-baraka, izay tsy mifanentana, tsy ilaina, ary mandika ny lalàna iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona ny parlemanta vaovaon'i Libanona .

Eny tokoa, manameloka ny fanalam-baraka ny fehezan-dalàna famaizana ao Libanona [8]ary mametraka fehezan-dalàna manokana manohitra ny fanevatevana ny filoha, ny sainam-pirenena, sy ny manampahefam-panjakana hafa. Ny fehezan-dalàna ara-miaramila ao amin'ny firenena dia manameloka ny “fanevatevana ny sainam-pirenena na ny tafika”. Ireo fandikan-dalàna rehetra ireo dia saziana amin'ny onitra na sazy an-tranomaizina, ary tsy misy fanavahana manokana ho an'ny asa fanaovan-gazety.

Araka ny Tatitry ny Freedom House taona 2016 momba an'i Libanona [9]:

Lebanese journalists complain that media laws are chaotic, contradictory, and ambiguously worded. Provisions concerning the media, which justify the prosecution of journalists, can be found in the penal code, the Publications Law, the 1994 Audiovisual Media Law, and the military justice code.

Mitaraina ireo mpanao gazety Libaney fa mifanipaka, mifanohitra, ary manjavozavo ny lalàna mifehy ny fampitam-baovao. Ny fehezan-dalàna mikasika ny haino aman-jery, izay manamarina ny fanenjehana mpanao gazety, dia hita ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana, ny Famoahana Lalàna, ny Lalàna momba ny Haino aman-jery taona 1994 ary ny fehezan-dalàna ara-pitsarana miaramila.

Mitombo ny teritery eo amin'ny fahalalana miteny ao Libanona

Ao amin'ny tontolom-pitsarana ao Libanona, tsy tranga vaovao ny raharaha ara-pitsarana hanenjehana mpanao gazety, saingy nihamaro  [8]ny tranga toy izany tato anatin'ny volana vitsy, miaraka amin'ny famoahana ireo fiampangàna mpanao gazety, mpanentana fandaharana amin'ny  televiziona, ary mpaneho hevitra.

Tamin'ny 24 Janoary 2018, voampanga i Hisham Haddad [10], mpanolotra fandaharana mahatsikaiky amin'ny fahitalavitra noho ny vazivazy mikasika ny Praiminisitra Saad Hariri sy ny printsy malaza Saodiana Mohammad Bin Salman.

Tamin'ny volana martsa 2018, nosaziana enim-bolana an-tranomaizina [11]sy nodidiana handoa 10 tapitrisa Lira Libaney ny tompon'ny tranonkala Lebanon Debate [12], rehefa nomelohina noho ny fanalàm-baraka tamin'ny raharaha nitorian'ny tale jeneralin'ny Ladoany azy.

Tamin'ny Novambra 2017, voampanga i Marcel Ghanem,  [13]mpanolotra fandaharana malaza amin'ny fahitalavitra Libaney noho ny fanakanana ny fitsarana rehefa nandà ny fiampangàna nanenjehana ny roa tamin'ireo vahininy, izay samy mpanao gazety Saodiana, izay nanameloka ny Filoha Libaney Aoun sy ny Minisitra Bassil ho “mpiara-miasa amin'i Hezbollah amin'ny fampihorohoroana” izy. Efa nosintonina ny raharaha nanenjehana an'i Ghanem. [14]

Tamin'ny lahatsoratra iray hafa nosoratan'ny L'Orient Le Jour, voalaza fa nilaza  [15]i Marcel Ghanem fa ny fisamborana ireo mpanao gazety sy ny fiampangana azy ireo dia vokatry ny “fanampenam-bava ataon'ny mpitondra amùin'ny alalan'ny lazaina fa ady amin'ny fampihorohoroana na amin'i Isiraely”.

Saingy tsy ireo mpampanoa lalànan'ny fanjakana ihany no sampana ara-pitsarana mitondra fiampangàna ireo mpiasan'ny media momba ny fanalam-baraka sy fanasoketana. Tamin'ny 10 janoary 2018, nosazian'ny  [16]fitsarana ara-miaramila malaza masiaka ao Libanona tamin'ny fitsarana tsy natrehany ilay mpanao gazety Libaney sady mpikaroka Hanin Ghaddar noho ny fanalam-baraka ny tafika Libaney nandritra ny fihaonambe natao tany Etazonia tamin'ny taona 2014. Nofoanana ny didim-pitsarany tatỳ aoriana.

Folo andro taty aoriana, nampanantsoin'ny sampam-pitsikilovana miaramila ilay mpiaro ny zon'olombelona Ovada Yousef noho ny lahatsoratra tamin'ny Facebook. Nilaza tamin'ny Mpanaramaso ny Zon'Olombelona  [8]i Yousef  fa notazomin'ny [17] miaramila sy ny polisy nandritra ny efatra andro izy.

Niantso ny manampahefana ara-pitsarana Libaney [6] ny Maharat Foundation, FTMF (ONG) miaro ny media sy ny fahalalaham-pitenenana, mba hanaiky ny zo hanao tsikera amin'ny olom-panjakana:

 تطالب “مهارات” المجلس النيابي الجديد بالتسريع لإقرار الاصلاحات التي تقدمت به مهارات مع النائب غسان مخيبر وأبرزها الغاء عقوبة الحبس ومنع التوقيف الاحتياطي عن كل من يعبر عن رأيه بأي وسيلة ضمنها الانترنت وتوسيع مفهوم نقد الشخص العام.

Miantso ireo parlemanta vaovao ihany koa i Maharat mba hanafaingana ny fanavaozana nampidirina niaraka tamin'ny solombavambahoaka Ghassan Mukhaiber, indrindra ny fanesorana ny sazy an-tranomaizina sy ny fitazonana vonjimaika izay olona  maneho ny heviny amin'ny fomba rehetra, anisan'izany ny aterineto, ary hampivelatra ny foto-kevitra fanakianana ampahibemaso.

Ny fotoana no hilaza raha ho fiovana tokoa eo amin'ny tontolon'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena ny fisantaran'andraikitr'izy ireo na tsia.