- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polonina: Fanentanana antserasera hiarovana ny zon'ny mpiasa

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Polonina, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Novambra 2009)

Ikea1 [1]‘Security. Is IKEA OK?’ ‘Fiarovana. Ok ve IKEA?’

Tamin'ny 3 Novambra, nanamarika aho fa misy kaonty Twitter vaovao manaraka ahy ao amin'ity tranonkala fibilaogina madinika ity, ary nampiahiahy ahy ny anarany: @czyIKEAjestOK [2] [OK ve IKEA]. Toa hita fa napetraka andro mialoha ny 2 Nov ilay kaonty, fisantarana andraikitry ny olom-pirenena Poloney miasa ao amin'ny IKEA amin'ny alalan'ny orinasa hafa madinidinika kokoa antsoina hoe Solid Security no tompon'ny kaonty, ary milaza ireo olom-pirenena ireo fa voahosihosy ny zony. Milaza izy ireo fa mandray vola latsaky ny karama farany ambany indrindra ao amin'ny firenena, asaina miasa 16 ora isan'andro ary tsy misy ny tombontsoa fototra, araka ny novakianay tao amin'ny pejin'izy ireo ao amin'ny Facebook [3]:

Our employers lower our wages, but also make us sign fictional contracts depriving us of the basic rights like annual leave or sick leave benefits.

Ahenan'ny mpampiasanay ny karamanay, ary koa mampanasonia anay fifanarahana arak'asa tsy tena izy, tsy manome anay ny zo fototra tahaka ny fialan-tsasatra isan-taona sy ny andro tsy fiasana rehefa marary

Rehefa niditra tao amin'ny tranoben'ny IKEA ny solontenan'ny mpiasa hitondra ny kôpian'ny fanangonan-tsonian-dry zareo ahitana ireo lohahevitra voasoratra etsy ambony sy nosoniavin'ireo rehetra tratran'izany, nanantena fa ho afa-miresaka amin'ny mpitondratenin'ny IKEA, dia niangavian'ny lehiben'ny fiarovana ry zareo hiala ny trano. Voarakitra an-dahatsary izany toe-javatra izany ary hita amin'ireo habaka media sosialy rehetra an-dry zareo.

Manazava ny fanontaniana lehibe asongadin'izy ireo amin'ny alalan'ny fanentanana antserasera ny bilaogin'ny fisantarana andraikitra [1].

We work for IKEA, but officially we are employed by another company. We earn low wages, we have no social fund. Buying medicine, illness is a financial catastrophe for us. IKEA washed their hands off it – officially they are not responsible. Is this OK?

Miasa ao amin'ny IKEA izahay, kanefa ampiasan'ny orinasa hafa amin'ny fomba ofisialy. Mandray karama ambany izahay, tsy manana fiahiana ara-tsosialy izahay. Mividy fanafody, loza ara-bola ho anay ny aretina. Manasa ny tanan'izy ireo ny IKEA – tsy tompon'andraikitra amin'ny fomba ofisialy izy ireo. Rariny ve izany?

Nikarakara latsa-bato ihany koa izy ireo izay ahitana safidy roa: “tsy misy idirako” sy ny “tsy rariny izany”

Ikeavote [1]‘Ary ianao, ahoana ny hevitrao? Mihevitra ve ianao fa OK ny IKEA? Lazao ny hevitrao:

Tsy misy idirako./ tsy rariny izany

Tao amin'ny takelaka Fanontaniana sy Valiny tao amin'ny tranonkalan'izy ireo [4], nahita ny antony mahatonga ny olom-pirenena nanapa-kevitra hifandray amin'ny IKEA mivantana mba hiresaka ny olan'izy ireo izahay:

Of course we wanted to talk to Solid Security, the company which employed us, first, but we were ignored. Solid are aware of their position and the advantage they have over their employees, so any conversation is very difficult. That's why we decided to seek support at the company that pays Solid and thus can have a huge impact on their operations.

Eny, te hiresaka amin'ny Solid Security orinasa izay mampiasa anay izahay tany am-boalohany saingy tsy noraharahian'izy ireo. Fantatry Solid ny momba ireo mpiasa sy ny tombontsoa azon'izy ireo avy amin'ny mpiasan'izy ireo, ka sarotra ny miresaka aminy. Izany no mahatonga anay mitady fanohanana ao amin'ny orinasa IKEA izay mandoa vola ho an'ny Solid ary noho izany, mety misy fiantraikany goavana amin'ny asan'izy ireo.

Nalain'ireo vavahadim-baovao antserasera vitsivitsy ity fisantarana andraikitra ity, ary nofaritan'ny Interaktywnie.com (vavahadim-barotra media sosialy Poloney) tamin'ny lahatsora-baovao [5] iray, izay nideran'ireo mpaneho hevitra ny fananganana ny fanentanana antserasera. Amin'ny ankapobeny, misy ny fanehoan-kevitra antserasera vitsivitsy, izay mifantoka indrindra amin'ny fametraham-panontaniana mikasika ny mahatonga ny IKEA ho kendrena fa tsy ny Solid Security, ao ireo milaza fa tsy misy olona terena hiasa ao, ka andrasany ny fivoaran'ny fisantaran'andraikitra.

Tamin'ny  vavahadim-baovao natokana ho an'ny vaovaon'ny indostria, Abenador nilaza  [6]hoe:

I have no idea if IKEA is OK or not, but when it comes to work conditions at SOLID, their employees should talk to … SOLID. Including IKEA in this argument is probably unnecessary and makes no sense (they are not the employers).

Tsy manan-kevitra aho raha OK na tsy Ok ny IKEA, saingy raha resaka fepetra arak'asa ao amin'ny SOLID, tokony hiresaka amin'ny SOLID ny mpiasan'izy ireo. Tsy ilaina sy tsy misy dikany ny fampidirana ny IKEA amin'izany (satria tsy mpampiasa izy ireo)

Aaa2 namaly [7]ity tamin'ny forum isan-karazany:

Of course the employees did go to SOLID, too. IKEA is one of the largest clients of Solid and it is also said to be socially responsible. It cannot avoid the responsibility for employees working on their grounds, if it is so sensitive socially.

Eny, nankany amin'ny SOLID koa ireo mpiasa. Iray amin'ireo mpanjifa lehibe indrindra an'ny Solid ny IKEA ary lazaina koa fa tompon'andraikitra ara-tsosialy izy. Tsy afaka miala amin'ny andraikitra ho an'ireo mpiasa miasa ao amin'ny taniny izy ireo, raha lazaina fa tena saro-pady ara-piarahamonina izany

Dink nanipika [8] tamin'ny adihevitry ny filankevi-pitantanana:

work at IKEA is not mandatory

Tsy terena ny miasa amin'ny IKEA

Tao amin'ny Wykop (endrika Poloney amin'ny Digg.com), crea nilaza hoe [9]:

I must say it's not a good situation…but it's a corporation, so it will be difficult to win with them..

Tsy maintsy lazaiko fa ratsy ny toe-javatra….satria vondron'orinasa izy ity, ka ho sarotra ny handresy azy ireo..

Przemek nandefa [10] ny heviny tao amin'ny vavahadin-tserasera HR:

As I understand, Mr Roman and his company do understand the amount of brand damage they are causing… But it's not the scale of brand damage which requires serious treatment of similar cases. I will watch with interest how this case develops, mainly in the social media.

Raha ny fahazoako azy, mahatakatra tsara ny isan'ny fanimbana marika naterak'izy ireo Atoa Roman sy ny orinasany…Saingy tsy ny haben'ny fahasimban'ny marika no mila fanasitranana goavana amin'ny tranga tahaka izao. Hijery am-pahalianana ny fivoaran'ny raharaha aho, indrindra ao amin'ny media sosialy.

Nitarika ny fitomboan'ireo mpanaraka ny fantsona media sosialy tahaka ny Twitter [2], Facebook [11] sy ny isan'ny mpijery tao amin'ny YouTube [12], ary koa ny isan'ny latsa-bato tao amin'ny tranonkala voalohany  [1]ny hetsika. Naneho ny ahiahian'izy ireo momba ny raharaha mikasika ny mpiasa Poloney tamin'ny antontan-taratasy navoaka tao amin'ny Facebook [13] ny solontenan'ny Sendikà Manerantany avy ao Soeda, Etazonia, Italia, Ireland, Holandy sy ny firenena hafa. Efatra herinandro taty aoriana hatramin'ny nitrangan'izany, mbola mangina ny orinasa roa tonta.