Ny fotoana nanaovan'ny mpanatontosa sarimihetsika Ultraman Japoney ny fandevenana ireo bibidiany 

Bandai 'Ultra Heroes' Toys

Ireo andiana kilalao bibidia ‘Ultra Heroes’ Bandai. Mifototra avy amin'ny tantara nosoratan'i Tsuburaya ‘Ultraman’ izy rehetra ireo. Saripikan'i Nevin Thompson.

Namoaka ireo andian-tsary tany amin'ny 45 taona lasa izay nahitana ny fandevenana ofisialy ho an'ireo bibidian'ny sarimihetsika “kaiju” niady tamin'i Ultraman, ilay maherifo nikoizana malaza indrindra any Japana ilay mpisera Twitter mavitrika Mulboyne.

Ny fanomanana ny fandoroana ny fatin'ny kaiju tao Jingu Gaien tamin'ny taona 1973

Mamoaka lahatsoratra matetika momba an'i Japana ao amin'ny Twitter i Mulboyne, mitatitra ny zava-drehetra toy ny sushi tsy dia malaza firy izay amidy any amin'ny fivarotan-dehibe Japoney ka hatrany amin'ny vali-pikarohana sary tsara indrindra mitady ny “gaijin” (“vahiny”, amin'ny teny Japoney) ary ny fironana amin'ny fiovana endriky ny mariky ny orinasa .

Ao anatin'ity tranga ity, mamahana bilaogy fohy momba an'i Ultraman i Mulboyne, tranga ara-kolontsaina mitovy amin'ny fomba maro amin'ny andian-tantara am-pahitalavitra Britanika Dr. Who. Tahaka an'i Dr. Who dia efa ho 50 taona teo ho eo no nisian'ny andian-tantara Ultraman , miaraka amin'ny andian-tantara maromaro mitranga amin'ny fotoana sy tontolo maro isankarazany.

Nandritra ny taona maro, nahatonga ny fiakaram-barotra nikoizana tsy ankiato ka nahalafosana karazana modelin'i Ultraman ampolony maro sy ireo bibidia izay tsy maintsy noreseny ny andian-tantara sy ireo sarimihetsika samihafa momba an'i Ultraman tamin'ny fahitalavitra .

Ny Tsuburaya Productions no namorona ny andian-tantara, trano famokarana (effets spéciaux) Japoney naorin'i Eiji Tsuburaya tamin'ny taona 1963 ary notantanan'ny fianakaviany mandra-pahatongan'ny volana Oktobra 2007.

Na izany aza, tany am-piandohan'ny taompolo 1970, somary nandalo fotoan-tsarotra ny sarimihetsika Ultraman, ary nisy ny fanovana izay tsy maintsy natao. Nanazava i Mulboyne :

The background to this event is a run of misfortune at Tsuburaya Productions. Founder Eiji Tsuburaya died in 1970, and was succeeded by his son, Hajime. Hajime then died suddenly in 1973. Filming had also been plagued with accidents.

The company decided to hold a memorial service for the kaiju characters killed in its TV shows. It would also serve as a 厄払い (yakubarai – ceremonial cleansing) to put an end to the run of bad luck.

Ny andiana tranga mampalahelo tao amin'ny Tsuburaya Productions no fototra niavian'ity raharaha ity. Maty tamin'ny taona 1970 i Eiji Tsuburaya, mpanorina, ary nodimbiasan'ny zanany lahy, Hajime izy. Maty tampoka tamin'ny taona 1973 i Hajime. Maro ihany koa ny loza nitranga nandritra ny fanatontosana ny horonantsary.

Nanapa-kevitra ny hanatontosa ny hetsika fahatsiarovana ho an'ireo mpilalao kaiju maty tao amin'ny fampisehoan'ny fahitalavitra ny orinasa. Natao ihany koa izany mba ho toy ny 厄 払 い (yakubarai – lanonana fanadiovana) mba hamaranana ny andiana vintan-dratsy.

Tahaka ireo fomba fanao Tandrefana sasany, fomba fanao malaza mahazatra indrindra ao Japana amin'ny fisorohana na fanalana ny vintan-dratsy na ihany koa ny hoe handroahana ny fanahy ratsy ny yakubarai. Tao anatin'ity hetsika ity, naniry ny hanomboka zava-baovao indray ny Tsuburaya Productions, ary nodorana noho izany ireo fanamian'ny bibidia maromaro izay nandrafitra ny lazan'i Ultraman.

Doroy!

Nanatrika ny lanonana ireo maherifo izay nandresy ireo bibidia

Natao tao amin'ny Kianjan'ny Fialamboly Futako-Tamagawaen ny lanonana, nitondra ny sarin'ireo kaiju izay efa resy sy maty nandritra ny fampisehoana ireo mpilalao sarimihetsika.

Nahasarika mpijery manodidina ny 2.000 ny lanonana.

Manana sary sy antsipiriany bebe kokoa momba ny lanonana (amin'ny teny Japoney) ity tranonkala ity. Hanomboka hiseho amin'ny fahitalavitra Japoney ny volana Jolay 2018  ny andian-tantara manaraka amin'ny tantaran'ny Ultraman.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.