Fiovàn'ny Mpitantana Ny Lingua Alemàna

Arahaba daholo. Nanapaka hevitra ny hitsahatra amin'ny maha-tomponandraikitry ny Fandikàna Alemàna azy tato amin'ny Global Voices i  Lena Nitsche, noho ny asany amin'izao fotoana izao tsy ahafahany mitantana ny tranonkala aloha amin'izao fotoana no sady ho toniandahatsoratra.

Lena tany amin'ny fihaonambe Global Voices tao Cebu, Filipina.

Ny Septambra 2014 i Lena no nanatevina laharana ny GV ho toy ny mpandika, avy eo izy lasa tena singa nanan-danja ho an'ny ekipan'ireo Mpitantana ny Asa Fandikàna tao aminay! Eo an-tànan'i Isabelle Gore sy Julia Krebs ankehitriny ny tranonkala Alemàna!

Isabelle sy Julia, tao amin'ny fihaonamben'ny Global Voices tao Colombo, Sri Lanka.

Aza adino ny manaraka ny asa fandikàna ataon'ny Lingua Alemàna, ao amin'ny Facebook sy  Twitter, ary mandrisika anareo izahay hizara ny takelaka fisoratana ho mpandray anjara raha misy olona fantatrao fa liana te-hanatevina laharana ny tarika mpandika lahatsoratra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.