- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôrtô Rikô: Famonoana olona vokatry ny fankahalana natao tamin'ny tanora pelaka iray niteraka fahatafintohinana

Sokajy: Amerika Latina, Pôrtô Rikô (Etazonia), Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Novambra taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanonofy [1] ny hiasa amin'ny indostrian'ny lamaody i Jorge Steven Mercado, 19 taona. Mpirotsaka an-tsitrapo [2] ao amin'ny fikambanana manandrateny ho fisorohana ny VIH sy hiaro ny zon'ny pelaka ihany koa izy. Saingy tamin'ny herinandro lasa teo, hita niparitaka, norasarasaina ny vatany ary nodorana ny ampahan'ny vatany, tao amin'ny faritra ambanivohitr'i Guavate, Cayey, Pôrtô Rikô. Namaritra ity famonoana feno habibiana ity ho heloka bevava fankahalana avy hatrany ireo mpikatroka avy amin'ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Puerto Rico. Tsy mbola nisy na dia heloka iray [2] notsaraina teo ambanin'ny lalàna Pôrtô Rikana momba ny heloka bevava fankahalana hatramin'ny nankatoavana azy tamin'ny taona 2002. Ambony kokoa ny sazy raha ampiharina ny Lalàna momba ny heloka bevava fankahalana.

Photo by Sylvar. Reprinted under CC License.

Sary avy amin'i Sylvar. Natonta indray teo ambanin'ny fahazoan-dalana CC.

Andro vitsy taorian'ny vono olona, niaiky ny helony i Juan Martínez Matos, 26 taona. Araka ny tatitry ny vaovao ao an-toerana, nilaza i Martínez Matos fa nandeha nitady mpivaro-tena teny an-dalamben'i Caguas, Pôrtô Rikô izy, raha nanatona azy i Steven. Nilaza i Martínez Matos fa “tsy nahafantatra izy fa lehilahy i Steven Mercado mandra-pahatongan'izy ireo tao amin'ny efitranony ao an-tanàna iray hafa (voalaza fa niakanjo toy ny vehivavy ilay niharam-boina). Nilaza ampahibemaso  [3]ireo mpikatroka pelaka Ada Conde sy Pedro Julio Serrano fa falehan'ireo lehilahy mpanova taovam-pananahana sy sarimbavy ny toerana nangalàna an'i Steven Mercado. Nilaza i Martínez Matos fa namono an'i Steven ho “fiarovan-tena” izy taorian'ny fifamalian'izy ireo. Norasarasainy avy eo ny vatany, ary navelany tamin'ny faritra lavitry ny tranony. Nilaza ihany koa i Martínez Matos fa halany ny pelaka satria voaolana izy fony mbola tany am-ponja noho ny fanaovana herisetra an-tokantrano. Nisafoaka ireo mpikatroka pelaka raha nilaza ny polisy manampahefana misahana ny fanadihadiana fa: “Ny olona tahaka izany, izay manao karazana zavatra tahaka ireny, ary mivoaka imasom-bahoaka, dia mahalala tsara fa mety hitranga aminy izany.” Nangataka ny fanesorana avy hatrany an'ilay manampahefana [4] tsy hisahana ny raharaha izy ireo. Voampanga noho ny vono olona i Martínez Matos ary mandoa onitra 4 tapitrisa dolara Amerikana hanafahany ny tenany.

Hatramin'ny naha-faritr'i Etazonia an'i Pôrtô Rikô, dia mihatra ny lalàna federaly. Mpikambana ao amin'ny Kongresy Pôrto Rikàna Etazonia avy any New York no nangataka mba hanenjehana ity heloka ity eo ambanin'ny lalàna federaly vaovao mifehy ny heloka bevava fankahalàna. Ny Birao Mpanadihady Federaly (FBI) no manaramaso [2] ny famotorana. Tamin'ny taona 1980, namono pelaka 27 tao amin'ny nosy ilay zatra mamono olona, ​​Ángel Colón Maldonado, fantatra amin'ny anarana hoe “Anjelin'ny Bachelors”. Vao haingana ireo mpikatroka pelaka no nampitandrina ihany koa momba ny vono olona hafa nihatra tamin'ny lehilahy pelaka tao San Juan, renivohitry ny firenena.

Naneho hevitra momba ity heloka bevava mahatsiravina ity ireo bilaogera. Nanameloka ny fahanginan'ireo mpitarika ara-pivavahana sy mpanao politika ireo mpikatroka ny zon'olombelona sady mpitondratenin'ny fikambanana LGBT Puerto Rico para Tod@s (Pôrtô Rikô ho an'ny rehetra), Pedro Julio Serrano [5] [ES]:

Ante uno de los asesinatos más horrendos en la historia del País, el silencio ensordecedor de los líderes políticos y religiosos es una vergüenza de marca mayor. Les tiene que dar vergüenza de no hacer expresiones de solidaridad hacia la familia y allegados de Jorge Steven. Les tiene que dar vergüenza de no solidarizarse con las comunidades lésbica, gay, bisexual y transgénero (LGBT) ante el odio que produjo este crimen. Les tiene que dar vergüenza de no condenar la homofobia en este caso y las acciones prejuiciadas del agente investigador. Les tiene que dar vergüenza que han olvidado su obligación constitucional de instrumentar la igualdad para todos los seres humanos.

Eo anatrehan'ny iray amin'ireo vono olona tena mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity isika, noho izany dia mbola mahamenatra kokoa ny fahanginan'ny mpitarika ara-politika sy ara-pivavahana. Tokony hahatsiaro ho menatra izy ireo noho ny tsy fanehoana ny firaisankinan'izy ireo amin'ny fianakaviana sy ny naman'i Jorge Steven. Tokony hahatsapa ho menatra izy ireo noho ny tsy fanehoana firaisankina amin'ny vondrom-piarahamonina LGBT tamin'ny fankahalàna vokatr'ity heloka bevava ity. Tokony hahatsapa hangaihay izy ireo noho ny tsy fanamelohana ny polisy miandraikitra ny famotorana. Tokony hahatsiaro hangaihay izy ireo noho ny fanadinoana ny adidin'izy ireo ara-dalàm-panorenana amin'ny fiarovana ny fitovian'ny olombelona rehetra.

Tao Saadaya [6] [ES], Hiram, bilaogera Pôrtô Rikàna avy any Chicago, nitaraina momba ny tantara lavabe mikasika ny fankahalana pelaka ao Pôrtô Rikô:

Pero el crimen no es lo único chocante. Nada sucede en un vacío: todo tiene raíces, todo tiene causas y efectos, y Puerto Rico como sociedad ha nutrido por generaciones el odio hacia los gays, lo han nutrido los líderes cristianos desde los púlpitos, los padres al criar a sus hijos, las autoridades policíacas y jurídicas […] y los políticos que tienen un convenio ilícito con las iglesias que no es muy bien disimulado. En una isla así, que quepa en el pecho de un muchacho matar a otro por ser gay del modo tan mórbido en que lo hizo no debería ser chocante: es algo que Puerto Rico llevaba tiempo cocinando.

Saingy tsy zavatra manafintohina ihany ilay heloka bevava. Tsy misy na inona na inona mitranga ao anaty zava-poana: Misy fiaviany, antony sy vokany ny zava-drehetra. Pôrtô Rikô amin'ny maha-fiarahamonina azy dia nampiroborobo ny fankahalàna ny vondrom-piarahamonina pelaka teo amin'ny taranaka mifandimby. Nampiroborobo ny fankahalana avy eny amin'ny polipitra ireo mpitarika kristianina. Nampiditra fankahalana tao amin'ny zanany ny ray aman-dreny. Misy fifanarahana tsy manara-dalàna eo amin'ny sampan'ny lalàna sy ny filaminana… ary ny mpanao politika sy ny fiangonana izay tsy afeniny tsara. Tsy tokony hanafintohina antsika izany fa ao amin'ny nosy tahaka izao, afaka mamono lehilahy iray hafa amin'ny fomba mahatsiravina toy izany ny lehilahy iray satria pelaka ilay novonoina. Niparitaka be tao Pôrtô Rikô hatry ny ela ity fankahalàna ity.

Amin'ny Alahady, hisy ny fijoroana ao New York City [7] ho fahatsiarovana an'i Jorge Steven Mercado.

*Sary avy amin'i Sylvar, navoaka teo ambanin'ny fahazoan-dalana CC. Tsidiho azafady ny sarin'i Sylvar  [8]ao amin'ny Flickr.