
Mpanohana football Peroviana mijery ny fifanandrinan'i Però sy i Frantsa amin'ny efijery natsangana tao amin'ny kianja Kennedy, Miraflores, Lima tamin'ny 21 Jona 2018. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Municipalidad de Miraflores (CC BY 2.0).
Rehefa 36 taona niandrasana, afaka nihiaka ho an'ny ekipam-pireneny mandritra ny Mondialy ihany ny mpiondana football peroviana. Na dia efa nihintsana nandritra ny fifaninanana isam-bondrona aza izy tamin'ity andiany ity, dia nihira ankamamiana ny veloman'ny mondialy tamim-pireharehana ry zareo raha nandresy ny ekipa aostraliana tamin'ny isa 2-0.
Ny fotoana farany nandresen'i Però tamin'izany sehatra Mondialy izany dia ny lalao nifanandrinany ka nandavoany an'i Iran tamin'ny isa 4-1 tamin'ny taona 1978. Afa-nankalaza fampidiram-baolina tamin'ity Mondialy 2018 ity ny mpiondana football peroviana, zavatra izay mbola tsy nitranga hatramin'ny taona 1982 tamin'ny Mondialy tao Espaina:
Algunos no habíais nacido cuando Perú marcó su último gol en un mundial. Fue Guillermo La Rosa ante Polonia en 1982. Este gol.
Perú, esta noche no puedes fallar. pic.twitter.com/7ikuJ0BfvM— Julio Maldonado (@maldiniplus) 15 de noviembre de 2017
Mbola tsy teraka akory ny sasany taminareo raha nahatafiditra ny baolina farany tamin'izany lalao Mondialy izany i Però. Guillermo La Rosa no nahavita nampiditra izany baolina izany tamin'ny lalao nifanaovana tamin'ny Polonina tamin'ny taona 1982.
Però, tsy tokony ho diso an'izany ianao rahalina.
Toy izao no nitantaran'i Fútbol Peruano izany fampidiram-baolina manan-tantara izany:
El gol que convirtió Guillermo La Rosa en el Mundial de España 1982 pasará a la historia del fútbol peruano y desde este martes [26 de junio] dejará de ser el último tanto conseguido por Perú en este torneo gracias al golazo que anotó André Carrillo y abrió el camino del triunfo ante Australia por el Mundial de Rusia 2018.
Tafiditra ao amin'ny tantaran'ny football izany baolina tafiditr'i Guillermo La Rosa nandritra ny Mondialy 1982 tao Espaina izany, ary tsy ny amin'ny talata [26 Jona] intsony ny baolina farany ho tafiditry ny ekipa peroviana amin'ity lanonana fanatanjahantena ity noho ny baolina mahafinaritra tafiditr'i André Carrillo izay nitondra nankany amin'ny fandresena an'i Aostralia amin'ny Mondialy Rosia 2018.
Na dia nihintsana aza ry zareo, dia nankalaza ny fandresen'ny ekipany nanoloana an'i Aostralia tahaka ny fifaliana sy fientanentanana nananany isaky ny lalao nataony teo aloha ny mpiondana baolina peroviana. Na dia resin'i Danimarka sy i Frantsa tamin'ny valin-dalao mitovy (1-0) aza ny peroviana mpiondana baolina dia nampiseho haavon-drehareha sy horakora-pifaliana izay nahatratra ny fifantohan'ny mpijery Mondialy manerana ny vazantany efatra. Niondrika am-panajana tamin'ireo Peroviana mpiondana tao amin'ny sioka iray ny mpiantsehatra espaniola malaza Antonio Banderas:
Perú queda eliminado practicando un juego noble y sin miedos en este campeonato del mundo. Pero sobre todo respaldado por una de las mejores aficiones que jamás se haya visto en un mundial. Ante ellos me quito el sombrero.
¡Grandes @SeleccionPeru!
¡Grande #Perú!#Rusia2018 pic.twitter.com/VRBSzUIpi6— Antonio Banderas (@antoniobanderas) 21 de junio de 2018
Tao anatin'ny lalao mahafinaritra sy tsy misy tahotra, nihintsana tamin'ity mondialy football ity i Però. Saingy ambonin'izany rehetra izany, tohanan'ny iray amin'ny vondrona mpiondana tsara indrindra tsy mbola hita nandritra ny mondialy. Ho azy ireny, mipao-tsatroka aho.
An'aliny ireo Peroviana mpiondana nizotra nankany Rosia hijery ny blanquirroja [ara-bakiteny, fotsy sy mena, avy amin'ny lokon'akanjony] ankamamiany mandray anjara amin'ny fifaninanana football. Araka ny fanombanana avy amin'ny manampahefana peroviana misahana ny fifindramonina, tokotokony ho mpiondana 50.000 tany ho any no nandeha nankany Rosia avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.
Impresionante. ¡Arriba Perú! #EstamosDeVuelta #Incondicionales pic.twitter.com/y3pIO4TQx8
— plomomagic (@plomomagic) 15 de junio de 2018
Mahavalalanina. ¡Alefa, Però!
Tsy nandalo foana teo imason'ny fampitam-baovao iraisampirenena izany. Nanoritra ny fientanentanana tsy fahita firy ataon'ny Peroviana mpiondana taorian'ny lalao nifanaovana tamin'i Frantsa tamin'ny 21 jona 2018 ny famoahana alemà Spiegel Online manana ny lazany:
32.789 Zuschauer waren nach offiziellen Angaben im Stadion. Und es kommt selten vor, dass 32.789 Zuschauer so laut sind. Auf den Tribünen waren fast ausschließlich die roten und weißen Farben Perus zu sehen. Fans aus Frankreich hatten sich entweder gut versteckt oder waren inkognito angereist. Die Peruaner sangen und brüllten und pfiffen und tröteten 90 Minuten lang.
32.789 ny isan'ny [Peroviana] mpiondana, araka ny tarehimarika ofisialy avy eny an-kianja. Ary tsy fahita mihitsy izany hoe 32.789 ka tena mitabataba aoka izany. Eny amin'ny tranoheva ianao tsy mahita afa-tsy mena sy fotsy peroviana. Tsara afina na tsy fantatra izany Frantsay mpiondana izany. Mihira, mitrena ary misioka mandritra ny 90 minitra ny peroviana mpiondana.
Lasa lavitra tokoa ny fanoloran-tenan'ny Peroviana ka nisy mpiondana iray tsy fantatra anarana ninia nahazo lanja 25 kilao mba hahazoana tapakila ho an'ny manana fahasembanana ary nisidina mba hijery ny ekipam-pirenena any Rosia 2018.
Amin'ity fifaninanana mondialy 2018 ity, niditra Twitter ny Peroviana mpiondana haneho ny fahatsapany momba ny fanaovam-beloma ny ekipany:
LA imagen del primer tiempo https://t.co/G8upt8BYrT
— Jose Alejandro Godoy (@jgodoym) 26 de junio de 2018
Sary iray mihoatra teny arivo.
——–
Izany NY sary tamin'ny tapany voalohany.
Carrillo llegó Rusia como un gran jugador, sale del último partido de Perú en el mundial como ídolo y el futuro lo recibe como estrella internacional. ??
— Augusto Rey (@augustoreyh) 26 de junio de 2018
Nandeha tany Rosia amin'ny maha-mpilalao football mahafinaritra azy i Carrillo, ankehitriny izy mandao ity lalao farany ity ho olomanga, ary ny hoavy handray azy ho kintana iraisampirenena. ??
Esa lágrima del hincha emociona jodidamente ? qué tal toma.#ArribaPerú siempre. pic.twitter.com/8iZLKnhHGE
— ALfie Tassara. (@ALfieTassara) 26 de junio de 2018
Tena mampihetsi-po ity tomanim-piondana ity. ? Tifitra izany. Alefa, Però, hatrany hatrany.
Voatsikera noho ny fiakiahana ompam-panavakavaham-bolonkoditra tamin'i Luis Advíncula, Peroviana mpilalao, kosa ny Aostraliana mpiondana :
yo sigo llena de odio y estoy dispuesta a ir a mecharme con uno y cada uno de los australianos que imitaron a un mono cuando advíncula agarró la pelota
— Spock (@Wuohh) 26 de junio de 2018
Tena feno haromotana hatrany aho ary te-hiady mafy amin'ny Aostraliana tsirairay manao feon-gidro isaky ny mitazona baolina i Advíncula .
Be mpankalaza ny baolina faharoa tafiditr'i Paolo Guerrero, amin'ny maha Peroviana mpilalao handeha lalan-davitra azy hiatrehany ny didy noho ny nahatratra azy nandray fanafody mampatanjaka tamin'ny Novambra 2017:
Paolo besando el escudo y diciendo bajito “Perú… Perú…”, luego de marcar un gol.
Mi momento favorito del Mundial. pic.twitter.com/nJDWO5IDpc
— Fernando VR (@elaguainmovil) 26 de junio de 2018
Paolo manoroka ny badza ary miteny amin'ny feo iva dia iva “Però… Però…”, rehefa nahatafidi-baolina.
Fotoana tiako indrindra amin'ny Mondialy.
Nandray anjara ihany koa i Gael García Bernal Mpiantsehatra Meksicana:
¡Qué gol más pasional y fino, Guerrero!
— Gael Garcia Bernal (@GaelGarciaB) 26 de junio de 2018
Izany ka [baolina miditra] mahafinaritra sy tsara, Guerrero!
Misy hatramin'ny tsipalotra kely avy amin'ny Simpsons aza:
No era la final con #Brasil, sino el partido con #Australia.
¡#ArribaPerú! pic.twitter.com/yIxIfXirIl— César Augusto (@Cescue) 26 de junio de 2018
Tsy famaranana mondialy misy an'i Brezila, fa lalao ifanaovana amin'i Aostralia.
Alefa, Però!
Ary faniriana farany avy amin'i Andrés Edery, Peroviana mpanao tantara an-tsary [sariitatra]:
Copa América, Qatar 2022, etc… pic.twitter.com/CwZES9dNPc
— Andrés Edery (@otravezandres) 26 de junio de 2018
Hitohy…
———–
Amboara Amerika, Qatar 2022, sns…