Tantara tamin'ny 03 Jolay 2018
Miditra ao anatin'ny vanim-potoanan'ny lehilahy mahery i Torkia
Amin'ny fitsapana farany amin'ny fahaizany mitarika, avy nanaporofo indray ny antony mahatonga azy ho mpanao politika manana ny heriny indrindra ao Torkia sy mpitarika manana vahana indrindra eo amin'ny fitantanana hatramin'ny andron'i Mustafa Kemal Attaturk ny filoha Recep Tayyip Erdogan. Tsotra fotsiny: efa nivonona hanao izay rehetra tokony atao izy.
Tamin-tsiky sy fireharehana no nandaozan'i Però ny Mondialy FIFA Rosia 2018
Nihintsana tamin'ity mondialy football ity i Però. Saingy ambonin'izany rehetra izany, tohanan'ny iray amin'ny vondrona mpiondana tsara indrindra tsy mbola hita nandritra ny mondialy.
Angola : Nesorina tamin'ny lisitra maintin'ny Vondrona Eoropeana ny zotra an'habakabaky ny firenena
Rehefa nitsahatra nandritra ny roa taona, nokinasa hanomboka indray tamin'ny voalohany aogositra 2009 amin'ny alalan'ny Boeing 777-200ER ny sidina mampifandray an'i Luanda an'i Lisbonne voalohany ataon'ny TAAG.
Rosia: Mampihisatra ny fandrosoan'ny hafangainam-pandehan'ny aterineto ny manampahefana eo an-toerana ao Kraskovo

Nivory tao Kraskovo, tanàna kely akaikin'i Moskoa ireo Rosiana mpikatroka, mba hitaky ny fitomboan'ny hafangainam-pandehan'ny Aterineto ary hanohitra ny ampihimamban'ny mpanome tolotra aterineto. Niresaka momba ireo fitsipika tsy voafetran-dàlana izay mampihisatra ny fivoaran'ny fidirana amin'ny aterineto malalaka ao amin'ny firenena ihany koa ireo mpikatroka .
Pôrtô Rikô: Famonoana olona vokatry ny fankahalana natao tamin'ny tanora pelaka iray niteraka fahatafintohinana
Vono olona mahatsiravina natao tamin'ny tanora pelaka iray ao Pôrtô Rikô. Nangataka ny vondrom-piarahamonina LGBT mba hotsaraina eo ambanin'ny lalàna mifehy ny heloka bevava fankahalana ny raharaha. Naneho hevitra momba ity heloka mahatsiravina ity ihany koa ny bilaogera.
Ejipta: Shaaban Mihira An'i Obama
Namoaka hira vaovao i Shabola, izay i Obama ary ireo fanehoankevitra any amin'ny tontolo arabo miaro hafaliana tafahoatra vokatry ny nahalany azy no ventin-kevitra. Mieritreritra izy fa tsy tokony hametraka fanantenana betsaka amin'i Obama isika, satria mety hivadika ho nofy ratsy ny nofinofy, tahaka ny nihiràny azy.