- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Abtahi mpitarika reformista tsaraina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 01 aogositra 2009)
abtahi2Anisan'ireo ampolony manohitra ny voka-pifidianana tamin'ny 12 jona 2009 teo ilay bilaogera mpitari-dalana sady filoha-lefitra reformista Mohmmad Ali Abtahi [1]. Mandeha moa (tamin'ny fotoana nanoratana) ny fitsarana ireo mpanao fihetsiketsehana [2] ao amin'ny Fitsarana ao Tehran.

Hita ho reraka sy very lanja i Abtahi, izay nitafy ny pyjamas-n'ny gadra, tao amin'ny fitsarana. Nilaza [3] tao amin'ny fitsarana i Abtahi, izay nigadra nandritra ny herinandro maromaro sady tsy afa-nifandray tamin'ny tontolo ivelany “Miteny amin'ny namako rehetra sy izay namana rehetra mandre anay aho, fa lainga ny filazana fa misy hala-bato eto Iran ary natao hahatonga an'i Iran ho tahaka an'i Afghanistan sy i Iràka ary hiteraka fahapotehana sy fahasahiranana… ary raha nitranga izany, dia tsy hisy anarana na dian'ny revolisioona tavela.”

Nampangaina ho nandray anjara tamin'ny “fanonganam-panjakana vilory” i Abtahi.

Bilaogera maro no namalu tamin'ny lazaina ho fiaiken'i Abtahi sy ny fisehoany ara-batana. Maro ireo namoaka ny sariny taloha sy taorian'ny fisamborana. (Ambony: havia, talohan'ny fisamborana; havanana, tamin'ny fotoam-pitsarana).

Kaveh Ahangar nilaza [4] fa afa-mahita porofon'ny fampijaliana sy fandrahonana ao ambadiky ny teny mivoaka ny vavan'i Abtahi isika. Nanampy ilay bilaogera fa tamin'ny fahitana an'i Abtahi tamin'ny fahitalavitra, dia nihetsi-po izy ary nitomany.

Alfba nanoratra [5]: “Ry Abtahi, mahafantatra izahay fa tratran'ny fanerena ianao ary mijaly mafy ny fianakavianao. Tokony ho fantatrao izay iaikenao, mbola tia anao izahay. Manohana anao izahay.”

Forever696 nisioka [6] tamin'esoeso fa raha mino ny latsa-bato 24 tapitrisa azon'i Ahmadinejad izahay, dia hino ireny fitsarana ireny.

Saharlar nanoratra [7] “Abtahi no androany, anjaran'iza rahampitso? Mangataka amin'ny mpamaky ny bilaogera tsy ho kivy ka handray itony karazana “fampisehoana” itony ho matotra.”