Maraoka: Tsy ny orana irery ihany no fototry ny olana rehetra

(Marihina fa tamin'ny 19 Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tany Maraoka, nanosika ireo bilaogera haneho ny tsy fahafaliany tamin'ny aterineto ny tondra-drano noho ny tsy fahampian'ny foto-drafitrasan'ny kaominina. Nanavatsava ny tanàndehibe izy ireo, naka sary sy horonantsary ary nizara ireo tranga niseho izay tsy dia fahita loatra ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Ireto ny tatitra nataon'izy ireo.

Nanoritsoritra ny tranga niseho tao Rabat, renivohitra i Citoyen Hmida . Hoy izy nanoratra:

Des milliers de voitures sont immobilisées sur toutes les artères de la ville depuis les premières heures de la matinée.[…] Il a suffi de deux heures de pluie, d’une belle averse bien arrosée, pour que Rabat soit totalement immobilisée ! […] A l’intérieur de la ville, des files interminables de véhicules sont bloquées sur les principales artères et sur les grands boulevards ! Des centaines d'élèves n’ont pas pu arriver à leurs établissements : leurs bus sont bloqués dans les embouteillages ! […] Ce que je rapporte là ne concerne que ce que j’ai pu voir ou que j’ai pu recueillir par des témoignages directs ! Que se passe-t-il dans les quartiers populaires ? Y a-t-il des dégâts plus importants que des embouteillages et des bouchons […] Qui est le responsable de cette lamentable situation ?Va-t-on encore être à la merci de la pluie ? Des inondations peuvent se produire, bien sûr, chez nous comme n’importe où dans le monde ! Mais cela intervient quand les moyennes de précipitations sont hors-norme ! Pas à la première averse de l’année, pas quand les égouts sont bien entretenus, pas quand les équipes d’intervention sont prêtes et bien entrainées, pas quand LES SERVICES MUNICIPAUX FONT CONVENABLEMENT LEUR TRAVAIL !

 

An'arivony ireo fiara no tsy afaka nihetsika nanerana ny lalambe rehetra tao an-tanàndehibe hatramin'ny fiandohan'ny maraina. […] Orana nandritra ny ora roa monja, oram-be mivatravatra tsara dia tsy afa-nihetsika i Rabat! […] Niraikitra tao anaty fitohanan'ny lalambe avokoa ny fiara, nitohana tsy nisy fiafarany tao an-tanàndehibe! Mpianatra an-jatony no tsy afaka nankany an-tsekoliny: voasakana tao anaty fitohanana ny bisy nitatitra azy ireo! […] Izay hitany masoko ihany no tateriko eto sy izay azoko taterina tamin'ny alàlan'ny fanatrehako maso mivantana ihany! Inona no nitranga tany amin'ny faritra  be mponina? Misy ve ny olana lehibe kokoa noho ny fitohanan'ny fifamoivoizana ? Iza no tompon'andraikitra tamin'ity toe-javatra mampalahelo ity? Mbola ny orana ihany ve no omen-tsiny? Mety hisy ny tondra-drano, mazava ho azy, atsy amintsika toy ny any amin'ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao! Saingy tsy miseho izany raha tsy orambe tsy araka ny tokony ho izy! Fa tsy amin'ny rotsak'orana voalohany amin'ny taona, na rehefa voadio tsara ny fantsona, na rehefa efa vonona sy voaofana tsara ny ekipa mpamonjy voina, na rehefa MANAO NY ASANY TSARA NY MPIASAN'NY KAOMININA!

Nizara ny sarin'ny gara lehibe ao Rabat i Énergumène izay mamahana bilaogy ao amin'ny We Are Watching You ary nanao fanehoan-kevitra maneso :

Gare Rabat Agdal inondée, ce Matin.
Le nouveau ruisseau au bord des quais de Trains : Une idée ingénieuse pour décontracter les voyageurs.
Vous croyez que c'est la faute aux ingénieurs qui ont foiré leurs plans d'aménagements, ou les sociétés de travaux publics qui s'engraissent à coups de travaux bâclés ?
Détrompez-vous Mesdames, Messieurs, Nos ingénieurs sont très performants : Ces inondations sont préméditées, Ils viennent d'inventer le Train-Glisseur. Un train qui ne marche pas que sur des rails, mais aussi sur l'eau.

Tondraky ny rano androany maraina ny gara Rabat Agdal.
Ny renirano vaovao eo an-tsisin'ny fiandrasana ny fiarandalamby: Hevitra tsara hampialana voly ny mpandeha.
Mihevitra ve ianao fa fahadisoan'ny injeniera izay nanao kitoatoa ny fanajariana ny drafitra izany, sa mihevitra ve ianao fa nihinam-bola ny orinasa-panjakana tamin'ny fanaovana asa kitoatoa?
Diso hevitra ianareo tompokolahy sy tompokovavy, tena matihanina ny injenierantsika: efa nomanina mialoha ireo tondra-drano ireo, vao avy namorona ny Train-Glisseur izy ireo. Ilay fiarandalamby izay mandeha amin'ny lalamby sy amin'ny rano ihany koa.

Ireto ny sasany tamin'ireo sary:

Gare Rabat Agdal CreekNy reniranon'i Gara Rabat-Agdal
Gare Rabat Agdal under waterNy garan'i Rabat-Agdal tao anaty  rano

Nizara ny sary iray avy ao anatin'ny garan'i Agdal ihany koa i Mohamed El Kortbi izay mamahana bilaogy ao amin'ny Partageons nos passions:

Inside Rabat AgdalTao anatin'ny Garan'i Rabat-Agdal

Nizara sary nalaina tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ho an'ny fizahantany Marrakech i Ibn Kafka:

Marrakesh under WaterNy seranam-piaramanidina Marrakech tao anaty rano
Marrakesh airport under waterNy seranam-piaramanidina Marrakech tao anaty rano
Marrakesh airport under waterNy seranam-piaramanidina Marrakech tao anaty rano

Nitantara ny tondra-drano tao anatin'ny tonelina vao nosokafana ao ambanin'ny Lalambe Roudani i Issam, izay mamahana bilaogy amin'ny teny Arabo, iray amin'ireo arabe be fifamoivoizana indrindra ao Casablanca, ilay renivohitra ara-toekarena Maraokana fonenan'ny mponina miisa 3 tapitrisa. Nizara ity lahatsary ity avy amin'ny mpankafy iray tao anatin'ilay tonelina ao amin'ny Lalambe Roudani izy ary nivezivezy tao amin'ny YouTube izany:

Hoy i Issam raha nanoratra izany :

قبل بضعة أيام، غرق الممر الأرضي “الجديد” المشيد بالدار البيضاء (الروداني)، بعد أمطار ليلة واحدة فقط. سطروا من فضلكم على كلمة (الجديد) هذه ألف مرة، فالممر قد افتتح مع بداية شهر يونيو الماضي فقط.. وقد فاقت ميزانيته الثلاثين مليون درهما..

Andro vitsy lasa izay, tondraky ny rano taorian'ny orana nandritra ny alina iray monja ny tonelina “vao vaovao” natsangana tao Casablanca, teo ambanin'ny Làlambe Roudani. Mariho tsara in-arivo ny teny hoe “vao vaovao” azafady, satria vao nisokatra tamin'ny volana Jona lasa teo izy io, niaraka tamin'ny tetibola maherin'ny 30 tapitrisa dirhams (4 tapitrisa dolara Amerikana na 2,72 tapitrisa euros eo ho eo).

Tany amin'ny faritra sasany tao Rabat, nianjera ny ‘béton‘ teny an-dalana, ka nanakana ireo fiara tsotra sy bisy ary nanampy trotraka ny sahotaka tamin'ny ankapobeny. Mampiseho izany ity lahatsary nozarain'i Énergumène ity:

https://youtube.com/watch?v=14uoQ8NHi-Q

Tsy ny faritra iva ihany anefa no tratran'ny tondra-drano . Ao anatin'ity lahatsary manaraka avy amin'ny bilaogim-baovao an-tserasera ity, Entre nous marocains, dia toa hita fa niantraika tany amin'ny faritry ny manan-katao ihany koa ny tondra-drano:

https://youtube.com/watch?v=lWrEdO2K9fU

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.