29 Jona 2018

Tantara tamin'ny 29 Jona 2018

Kioba: Tsingerintaona Faha-55 Taonan'ny 26 Jolay 1953

Tao Kiobà tamin'ny taona 1953, teo amperin'ady hanohitra ny jadona nataon'i Fulgencio Batista izay nahazo tohana tamin'ny fiarovan'ireo Amerikana, nitarika vondrona iray nisy an'ireo tanora revolisionera i Fidel Castro nandritra ny fanafihana ny Toby Moncada tao Santiago. Ankehitriny io hetsika io dia fantatra amin'ny maha-fiandohan'ny Revolisiona Kiobàna azy. Tamin'ny faran'ny herinandro, ny 26 jolay 2008, nankalaza ny tsingerintaona faha-55-an'io fanafihana io i Kiobà, fety notarihan'i Raul, rahalahy sady mpandimby an'i Fidel, amin'ny maha-filoha Kiobàna azy.

29 Jona 2018