- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Haïti : Fijoroana vavolombelona sy sary ao amin'ny Twitter taorian'ny horohorontany

Sokajy: Karaiba, Haiti, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2010)

 Namely an'i Haïti ny harivan'ny 12 Janoary [1] 2010 ny horohorontany amin'ny mari-pandrefesana Richter 7: Nanjary teny malaza indrindra ao amin'ny sehatra Twitter ny “Haiti” noho izany. Ankoatra ireo hafatra marobe indrindra mamoaka ny vaovao sy ny vavaka sy firariantsoa ho an'ity nosy Karaiba ity tao amin'ny Twitter, nisy ihany koa ny hafatra fijoroana vavolombelona avy tao an-toerana, tahaka ilay mpihira sady mpitantana toeram-pisakafoanana Richard Morse [2] (kaonty twitter  @RAMHaiti [3]). Namoaka ny siokany voalohany  [4]tamin'ny 6 ora hariva, ora ao an-toerana, i Richard Morse :

sommes ok a l'oloffson [l'hôtel qu'il dirige] ..internet marche !! pas de téléphone! espère tout le monde ok …beaucoup immeubles à PAP [Port-au-Prince, capitale d'Haïti] sont tombés!

tsy maninona izahay ato amin'ny oloffson [ny hotely tantaniny] ..mandeha ny aterineto !! tsy misy finday! manantena fa salama ny rehetra …marobe ireo trano nianjera ao PAP [Port-au-Prince, renivohitr'i Haïti]!

Andiana hafatra navoaka adiny iray taty aoriana tao amin'ny Twitter:

Presque toutes les lumières éteintes dans Port au Prince…Les gens crient toujours mais le bruit diminuent à mesure que la nuit tombe [5]

Saika ny jiro rehetra ao Port au Prince no maty….Mitabataba hatrany ny olona saingy mihena ny tabataba rehefa miha-alina ny andro [5]

beaucoup de rumeurs sur quels immeubles se sont effondrés…Le Castel Haïti derrière l'(hôtel) Oloffson est un tas de débris…il faisait huit étages [6]

Nos clients sont assis dans l'allée devant…pas de dégât sérieux ici à l'Oloffson mais beaucoup de constructions importantes autour se sont écroulées [7]

On me dit que des parties du Palace sont tombées…L’ UNIBANK ici dans la Rue Capois s'est effondré [8]

les gens ramènent des personnes sur des brancards [9]

marobe ireo tsaho mikasika ireo tranobe nianjera…Korontan-trano rava sisa ny Castel Haïti ao ambadiky ny (hôtely) Oloffson …nanana rihana valo izy [6]

Mipetraka eo amin'ny lalana eo anoloana ny mpanjifanay…tsy misy ny fahavoazana betsaka eto Oloffson saingy maro ireo fanorenana goavana manodidina nirodana [7]

Nolazaina tamiko fa nirodana ny ampahany ao amin'ny lapam-panjakana…Nirodana ny UNIBANK eto ao amin'ny Lalana Capois [8]

milanja olona miaraka amin'ny filanjana marary ny sasany [9]

Port au Prince est dans le noir, à part quelques feus [10]

Un énorme hôpital qui était en train d'être construit de l'autre coté de la rue de l'oloffson s'est effondré [11]

voitures commencent à circuler …Je vois des lumières au loin vers la jetée sur la mer [12]

Ao anaty haizina i Port au Prince, ankoatra ireo afo sasany [10]

Nirodana ny hopitaly lehibe teo am-panamboarana somary ampitanay eto oloffson [11]

manomboka mivezivezy ny fiara …mahita jiro lavitra avy eny an-dranomasina aho [12]

Taty aoriana, nizara indray  ny hafatry [13] @isabelleMORSE i Richard Morse, milaza momba ireo “ fahavoazana goavana ao Grand Rue (Ave Dessalines), salama tsara i Daniel Morel. Rava avokoa ny Komisarià, ny Katedraly, ny Telecom afovoan-tanàna, ny fiangonana St Anne [13]“.

Taorian'ny tamin'ny 7 sasany hariva tao Haiti, nanoratra i Richard Morse hoe:

Le téléphone commence a remarcher  eu un appel de quelqu'un dont la maison est tombée, l'enfant est blessé mais ok quelques personnes arrivent à l’ [14]@Oloffson..routes sont bloquées par des murs effondrés…beaucoup de destructions sur la Grand Rue. j'ai entendu que l'hopital général s'est effondré [15]

les gens ont besoin de fournitures médicales nourriture, abris  connais pas la situation pour l'eau [16]

Manomboka mandeha indray ny finday, nahazo antso avy amin'ny olona nanana trano nirodana, naratra ilay ankizy saingy tsy misy atahorana, misy ireo olona sasany tonga ato  [14]@Oloffson..tapaka ny lalana noho ireo rindrina nirodana…marobe ireo faharavana ao amin'ny Grand Rue. Reko fa nirodana ny hopitalim-bahoaka [15]

mila fitaovana ara-pitsaboana sakafo, fialofana ny olona, tsy fatantra ny amin'ny rano [16]

Tamin'ny 7:45 hariva:

encore une réplique…les gens hurlent et deviennent hystériques vers le stade…il y a beaucoup de chants et de prières de beaucoup de gens [17]

mbola misy setriny…mihiaka ny vahoaka ary mila ho lasa adala mamonjy ny kianja…betsaka ireo hira sy vavaka avy amin'ny olona marobe [17]

Tamin'ny 8:40 hariva:

une autre réplique…un peu plus longue…beaucoup de cris dans le centre ville…ça va être une longue nuit [18]

setriny hafa…somary lavalava…tabataba marobe ao afovoan-tanàna…..ho lava ny alina [18]

Ahitana sary marobe nalain'ireo vavolombelona teny an-toerana ihany koa ao amin'ny Twitter, tahaka ireto ambany ireto, toa [19] nalefan'ilay mpanao gazety Carel Pedre [20] ao amin'ny Radio One ao Haiti ho an'ilay mpisera Twitter @marvinady [21]

haiti_quake1 [22]

haiti_quake2 [23]

Namoaka sary [24] misy ireo fahavoazana ihany koa @LisandroSuero [25]:

haiti3 [26]