- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kintan'ny football iray vao misandratra anisan'ny Uyghurs iray tapitrisa mahery alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina shinoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanatanjahantena, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
[1]

Ilay mpilalao Football Erfan Hezim naka selfie niaraka tamin'i Lionel Messi herinandro vitsivitsy nialoha ny nitazonana azy tao amin'ny toby fanarenana. Sary avy amin'ny FifPro.

Satria mandeha izao ny mondialy 2018, dia mitodika any amin'ny lalao avokoa ny maso rehetra. Saingy maro no tsy mahafantatra ho inona — na iza — no tsy hita eny an-kianja.

Namoaka fanambaràna [1] ny Fédération Internationale des Associations de Footballeurs Professionnels (FIFPro), sendikàn'ny mpilalao matihanina amin'ny football manerantany tamin'ny 13 Jona 2018 miantso ny hamotsorana an'i Erfan Hezim, Uyghur [2] mpilalao football 19 taona notazonina ao amin'ny “toby fanarenana ara-politika” ao Shina ao amin'ny faritany andrefan'i Xinjiang hatry ny febroary 2018.

Notazonina i Hezim taorian'ny niverenany an-tanindrazana avy nandeha nilalao baolina tany Espaina sy Dubai.

Na dia eo aza ny maha-kintan'ny football azy vao misandratra ao an-toerana, tsy nahatonga an'i Hezim tsy ho alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina ny lazany. Araka ny loharanom-baovao tao an-toerana ho an'i Radio Free Asia [3], notazonina izy noho ny “fitsidihany firenena vahiny”, na dia nifantoka tamin'ny fanazaratena sy lalao baolina fandaka aza izany.

Hezim izany dia anisan'ireo tombanana ho Uyghurs iray tapitrisa [4] any Xinjiang nalefa tany amin'ny toby fanarenan-tsaina mba ho esorina izay nianarany ary hanitsiana ny fijeriny ara-pivavahana sy ara-politika.

Tsy fantatra loatra izay mitranga any amin'ny toby fanarenan-tsaina any Xinjiang, fa ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo efa notazonina tamin'ireny no mampiseho [5] fa ireny toby ireny — izay miasa eo amin'ny ambaratongan'ny fokontany, kaominina ary tanànakely — dia arovan'ny fefy tariby misy motiny, misy rafitra (fitaovana) fanaraha-maso sy polisy mitam-piadiana. Ireo efa nampidirina tamin'ireny toby ireny no nilaza fa nampidirina tamin'ireny tsy misy fitsarana, ary rehefa tao dia noterena (hiala) tamin'ny finoany ary hilaza ho mahatoky ny Antoko Komonista Shinoa (CCP).

Nampiasa sary tamin'ny zanabolana i Shawn Zhang, mpianatra lalàna iray, hanombana-maso ny haben'ny [6] toby, ary mampahita ireo mety ho fanazavana fanampiny amin'ity raharaha ityshedding some additional light on the issue.

[6]

Tobim-panarenana ao amin'ny kaominina Shufu (Kashgar Konasheher), Xinjiang. Sary avy amin'i Shawn Zhang, tamin'ny Medium.

Misy ihany koa ny filazana fa terena hihinana henan-kisoa sy hisotro alikaola [7] ireo Miozolomana tazonina ao hanaporofoan-dry zareo fa tsy “ekstremista” intsony ry zareo.

Ireo Uyghurs manana fifandraisana amin'ireo ampitan-dranomasina no tena lasibatr'izao karazam-pihazonana ara-politika izao. Tamin'ny marsa2018 [8], iray volana monja taorian'ny nitazonana an'i Hezim, tsy hita ihany koa ny nalehan'i Ablajan Awut Ayup, mpihira Uyghur malaza mampifandray ireo Shinoa sy Uyghur mpihaino amin'ny hirany teniroa. Tsy nahavotra azy ihany koa ny maha-olomanga ara-kolontsaina azy.

Efa tsy hita hatramin'ny janoary 2018 i Guligeina Tashimaimaiti, Shinoa-Uyghur mpianatra manana ny diplaoma PhD ao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojia ao Malaysia (UTM). Araka ny tambajotra Scholars at Risk [9], nody an-tanindrazany ao Ghulja tamin'ny desambra 2017 i Tashimaimaiti, nikasa hitady ny ray aman-dreniny izay nanjavona. Nanamafy ny anabaviny izay mianatra any Malaysia ihany koa, fa nalefa any amin'ny toby fanarenana i Tashimaimaiti.

Mampiasa ny Twitter ny Ugyhurs monina ampitan-dranomasina hanandratra ny famotsorana ny havany mody an-tanindrazana.

Niantso ny hamotsorana ny ray aman-dreniny i Halmurat Harri, Ugyhur-Finoà dokotera ara-pahasalamana teraka tao Turpan tanàna iray ao Xinjiang:

Mampianatra ahy hatrany hitia ny ray aman-dreniko. Any amin'ny toby fanarenana ry zareo. Manantena aho fa ho resin'ny tsara ny ratsy, manantena aho fa hifarana izao fahoriana. Tsy mitady valifaty aho, fa rariny. Fitiavana no tsara, fankahalàna no ratsy; piho maso ny tsara. Miangavy mba mivavaha ho anay!

Vao haingana i @Uyghurspeaker, izay manara-maso ny fihazonana ny Uyghurs ao Xinjiang, nandika ny lahatsoratry ny Uyghur-Kanadiana iray miresaka ny fahfatesen'ny reniny tao amin'ny toby fanarenana:

Nahare i Abdulaziz Uyghur-Kanadiana iray androany fa maty [tamin'ny marsa] tany amin'ny fonja/toby fanarenana shinoa ny reniny Adalet (avy any Pichan). Tsy naverina tamin'ny fianakaviany ny vatany (heverina ho nodorana). Nalaona tamin'ny aogositra 2016 vao avy nandeha tany Torkia izy.

Misy ireo Uyghurs avy amin'ny firenena tandrefana nanao hetsika, miantso ny hamataram-bahoaka ireny toby fihazonam-bahoaka shinoa ireny:

Uyghurs tokony ho 100 any ho any no nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny ambasadaoron'i Etazonia ao Holandy hangataka amin'i Etazonia hanery an'i Shina hanakatona ireny toby fihazonam-bahoaka, ihazonana Uyghurs iray tapitrisa.

Amin'ny ankapobeny i Beijing midify tsy maneho hevitra momba ireny toby fanarenana ireny amin'ny tontolo ivelany — fa ao anatiny ao, na ny seha-baovaon'ny fanjakana na ny seha-baovaon'ny antoko samy milaza fa ao anatin'ny ady iadiana amin'ny ekstremisma miozolomana ireny toby ireny.

Nandritra ny Taombaovao Manara-Bolana tamin'ny febroary 2018, nanao fifanakalozana mpianatra oniversite ao amin'ny kaominina Yarkant i Zhang Chunlin, sekretera lefitry ny antoko ao amin'ny faritra mizakatena Uyghur ao Xinjiang. Raha nanontany mpianatra oniversite iray haneho hevitra momba ny nandefasana ny fianakaviany nalefa tany amin'ny toby fanarenana i Zhang, dia namaly [17] ilay mpianatra:

这是党和政府治病救人的举措,是为了挽救我的家人免于处罚法律,我完全理解,也希望他们早日改正,做一个有益于社会的人

Politikan'ny antoko sy ny governemanta hanadiovana ny marary sy hanavotana ny fianakaviako tsy hosazian'ny lalàna izany. Haiko tsara ny fepetra ary manantena aho fa hiova ho olona tsara hoan'ny firenena ry zareo.

Ivelan'ny resaka ofisialy, tena tsindraindray ny mahita fifanakalozan-dresaka momba ity raharaha ity amin'ny sosialy media shinoa.