- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Tany nihotsaka nahafatesana olona tany Papouasie Andrefana

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tontolo_iainana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 7 Oktobra 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

[1]

Google Map Wasior, Papouasie Andrefana, Indonezia

Olona maherin'ny 80 no maty [2] ary an-jatony maro no mbola tsy hita popoka [3] raha nandrava ny tanàndehiben'i Wasior [4] any Papouasie Andrefana, Indonezia ny tany nihotsaka.

Nampitoka-monina ny tanàna ny zava-nitranga ary vao mainka nanasarotra ny fandefasana ny fanampiana vonjy taitra. Indro ny tatitra [5] avy amin'ny Ivontoerana Indoneziana momba ny Fampahalalam-baovaon'ny Tontolo Iainana :

L'effondrement de ponts locaux a rendu difficile aux secouristes l'accès aux villages ainsi que la fourniture de secours aux survivants sans abri. Des tentes, de la nourriture et de l'eau potable sont les besoins principaux ; le gouvernement local a envoyé dans le district de Teluk Wondama des équipes pour évaluer l'inondation.

Nanasarotra ho an'ireo mpamonjy voina hiditra amin'ny tanànakely sy amin'ny fanomezana fanampiana amin'ireo sisa tsy maty tsy manan-kialofana ny fihotsahan'ireo tetezana ao an-toerana. Ny tranolay, sakafo sy rano fisotro madio no tena nilaina; Nandefa ekipa tany amin'ny distrikan'i Teluk Wondama ny governemanta mba hanombanana ny tondra-drano.

Niezaka naka vaovao misimisy kokoa momba ny fivoaran'ny zava-nitranga tany Wasior ilay bilaogera Melanophus [6]

[…] banjir menutup bandara wasior sehingga pesawat batal terbang.

Nofoanana ny zotra-piaramanidina satria voatery nakatona ny seranam-piaramanidina Wasior noho ny tondra-drano.

Niezaka nanaraka ny vaovao farany tamin'ny onjam-peo izy. Saingy tsy tontosa tanteraka anefa izany noho ny tsy fahatomombanan'ny fifandraisana.

Siang hari juga ada laporan kontributor RRI Manokwari terkait bencana banjir bandang tersebut sayangnya telingaku kurang bisa monitor dengan baik karena suara bunyi radio kresek-kresek.

Nisy ny vaovao farany avy amin'ny Onjam-peo-pirenena (RRI) momba ny tany nihotsaka ny tolakandro. Indrisy fa tsy afaka nanaraka akaiky ny toe-draharaha aho noho ny fahatapatapahan'ny onjam-peo.

Malam ini aku mendapat info dari seorang teman yang sedang menjga keluarganya di UGD RSUD Manokwari. keluarganya adalah korman banjir bandang yang dievakuasi dengan helikopter dari Wasior soreh tadi.

Anio alina, nisy ny vaovao avy amin'ny namana iray izay teo am-pikarakarana ny havany tao amin'ny fitsaboana vonjy taitra tao amin'ny Hopitaliben'i Manokwari. Anisan'ireo niharam-boina tamin'ny tondra-drano tampoka ny iray tamin'ny fianakaviany ary nentina tamin'ny angidimby niala tao Wasior.

seorang teman juga bercerita bahwa ada rekannya yang meninggal akibat tertimbun longsoran.

Nisy namana iray nitantara tamiko fa maty ny iray tamin'ireo mpiara-miasa taminy, tototry ny tany nihotsaka.

Hingga sat ini belum ada berita pasti bagaimana kondisi terkini di Wasior karen sejumlah temna yang berada di sana tidak bisa dihubungi. kemungkinan jaringan telepon sibuk atau rusak.

Tamin'ny fotoana nanoratana, tsy mbola nisy ny fanavaozam-baovao farany avy any Wasior, tsy tratra antso ny ankamaroan'ny namako tany an-toerana, na tapaka na mbola miresaka ny tambajotra finday .

Nanoratra fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsorany ilay bilaogera Amos:

Iya kita semua prihatin atas bencana ini. Kami juga sedang mengusahakan bantuan dan relawan untuk sesegera mungkin ke wasior memberikan bantuan.

Voakasik'ity voina ity isika rehetra. Eo am-pikarakarana ny fanavotana izahay ary mandefa mpilatsaka an-tsitrapo ho any Wasior mba hanampiana azy ireo.

Ireto misy fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook

Perempuan Mencatat [7] Nous exprimons nos condoléances aux citoyens de Wasior, en Papouasie occidentale, quant à l'inondation qui a fait des dizaines de victimes et des milliers de réfugiés.

Chisato Tomimura [8] La semaine dernière, j'ai audité une compagnie d'exploitation forestière à Wasior en Papouasie. Deux jours après que nous étions partis, la ville de Wasior fut frappée par un glissement de terrain et une inondation. 78 personnes sont mortes et 85% de la ville est maintenant jonchée de débris, y compris l'aéroport où nous avons passé 8 heures  à attendre un vol. Si cela était arrivé deux jours plus tôt ou si notre vol avait été retardé de deux jours, je serais mort à présent. Dieu merci,  je suis en vie 🙂

Setiadi Sopandi [9] ‎86 morts, 66 portés disparus à Wasior, en Papouasie – cela ne semble pas grand chose comparé à la circulation d'aujourd'hui à Jakarta et à l'inondation soudaine

Perempuan Mencatat [7] Maneho ny fiaraha-miory amin'ireo mponina ao Wasior, any amin'ny faritra Andrefan'i Papouasie izahay, tamin'ny tondra-drano izay namoizana ain'olona am-polony sy tra-boina an'arivony.

Chisato Tomimura [8] Tamin'ny herinandro lasa teo, nanao fanadihadiana tao amin'ny orinasam-pitrandrahana ala tao Wasior, Papouasie aho. Tratry ny fihotsahan'ny tany sy ny tondra-drano ny tanàndehiben'i Wasior roa andro taorian'ny nandaozanay azy. Olona miisa 78 no maty ary feno fakofako ny 85%-n'ny tanàndehibe ankehitriny, anisan'izany ny seranam-piaramanidina izay nandanianay ora 8 niandrasana ny sidina. Raha nitranga roa andro mialoha izany na nihemotra roa andro ny sidina nandehananay dia efa maty aho ohatr'izao. Misaotra an'Andriamanitra, velona aho 🙂

Setiadi Sopandi [9] 86 no maty, 66 no tsy hita popoka tao Wasior, Papouasie – izay toa tsy misy dikany raha ampitahaina amin'ny fifamoivoizana androany ao Jakarta sy ny tondra-drano tampoka

Nanampy tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Carolina Rumuat [10] .