- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Tondra-drano tany amin'ireo faritany miisa 13

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina

(Marihina fa tamin'ny 17 Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niaina tondra-drano [1] nandritra ny herinandro noho ny oram-batravatra ny faritany miisa 13 tany Indonezia. Namoizana ain'olona miisa 14 ny loza nitranga raha telo hafa kosa no tsy hita. Hita tany amin'ny distrika maromaro ny tondra-drano toy ny tany amin'ny faritanin'ny Nusa Tenggara Andrefana, Sumatra, Java, Bali, Borneo ary Sulawesi. Olona mihoatra ny 50.000 no voatery nafindra toerana.

Nihoatra ny roa metatra [2] ny rano tao Jakarta, renivohitr'i Indonezia.  Eo ambanin'ny ranomasina ny 40 isan-jaton'ny tanàndehibe [3]. Tondraka ihany koa i Bali [4], toerana malaza ho an'ny mpizaha tany.


Jereo ny sarintany lehibe kokoa [5]
Google Map  Indonezia

Nanoratra momba ny tondra-drano tany Jakarta [6] i Java Jive :

“While December was quite sunny and pleasant, the New Year has brought angry torrential downpours, massive cracks of frequent lightening, and of course, annual flooding.

“As I write this post, I’m overlooking a wide canal fully loaded with rainwater and debris. The sky is clouding up, and opening like a wound, while menacing storms are once again forecast for the remainder of this week. One solid night of rain and we won’t be able to get out of Kelapa Gading since the road that leads to the toll is amongst the lowest and quickest to flood.

“Am I nervous? Not at all.

“But I am nervous for those families who cannot get out. For those with small children who cannot get clean drinking water or medical attention. For those who have risked (or not trusted) not having insurance on their homes, businesses, and cars. And for those who may lose everything yet again.”

“Raha mbola nibaliaka ny masoandro sady nahafinaritra ny volana Desambra, dia tonga niaraka tamin'ny Taom-baovao kosa ny oram-batravatra, ny tselatra maro, ary mazava ho azy, ny tondra-drano isan-taona.

“Rehefa nanoratra ity lahatsoratra ity aho, dia nahita lakandrano iray feno ranonorana tanteraka sy feno fako. Mbola nandrahona ny lanitra ary nivoha toy ny ratra, raha mbola nanangasanga indray ny oram-batravatra nandritra ny faran'ny herinandro. Tsy ho afaka hivoaka an'i Kelapa Gading izahay raha mbola tsy mitsahatra mandritra ny alina ny oram-batravatra satria ny lalana mankany amin'ny lalambe handoavam-bola dia iray amin'ireo iva indrindra sady haingana indrindra amin'ny tondra-drano.

“Sorena ve aho? Tsia.

“Saingy manahy aho ny amin'ireo fianakaviana izay tsy afaka mivoaka. Ho an'ireo izay manana zaza madinika tsy afaka mahazo rano fisotro madio na fitsaboana. Ho an'ireo izay mikiry hatrany (na tsy mahatoky) fa tsy manana fiantohana ho an'ny trano fonenany sy ny asany ary ny fiarany izy ireo. Ary ho an'ireo izay mety hamoy zavatra maro indray.”

Nihevitra i Mywebsiteku fa hitohy hatramin'ny volana manaraka ny tondra-drano [7]:

“Peak of the rainy season is in progress at this time is estimated to occur in February 2009. This is a potential trigger the occurrence of disasters such as soil movement (landslides), flood, wind and waterspout. This is seen from the growth of cloud in Jakarta and surrounding areas of improvement so that the intensity of rainfall affect. therefore need to alert the public on the weather conditions at this time.”

“Amin'ny volana Febroary 2009 vao tafiditra tanteraka ao anatin'ny vanim-potoanan'ny orana isika araka ny tombatombana. Mety hampitombo ny loza hitranga izany toy ny fihotsahan'ny tany, ny tondra-drano, ny rivotra ary ny rambon-danitra. Ny fivoaran'ny rahona ao Jakarta sy ny faritra manodidina no porofon'izany satria hisy fiantraikany eo amin'ny rotsak'orana izany. Mila ampandrenesina ny vahoaka mikasika ny toetrandro amin'izao fotoana izao noho izany.”

Toy izao ny tatitra momba ny tondra-drano tao amin'ny Twitter :

irwanlee [8]: The sky is gloomy, the Dengue Fever and Flood are back in town.

lusy_sunsetgirl [9]: Both the government & the people are causing the yearly flood in the capital,in my honest opinion.

nanashambles [10]: Rain sucks. Flood everywhere. Chaotic station

storymasterq [11]: The cold front continues. Jakarta's Great Flood usually comes every 5 years to the day, but the next one isn't due until 2012. Apocalypse?

irwanlee [8]: Maizina ny lanitra ary hiverina ao an-tanàndehibe ny tazomoka Dengue sy ny tondra-drano.

lusy_sunsetgirl [9] : Samy tompon'andraikitra amin'ny tondra-drano ao an-drenivohitra isan-taona  na ny governemanta na ny vahoaka araka ny hevitro.

nanashambles [10]: Leo ny orana izahay. Tondradrano na aiza na aiza. Tsy misy iainana

storymasterq [11]: Mitohy ny rivotra mangatsiaka. Matetika isaky ny 5 taona no miseho ny Tondra-drano Lehibe ao Jakarta, ary amin'ny taona 2012 ny iray manaraka . Apokalypsa?

Mpitranga matetika ny tondra-drano any Indonezia. Namoaka sary nalaina tao Kampar, Indonezia  izay tondraky ny rano i Riau [12] :

kampar

flood
Sary avy amin'i Riau Daily Photo [12]