- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nomen'i Etazonia sata fiarovana vonjimaika ireo teratany Haisiana

Sokajy: Amerika Avaratra, Karaiba, Etazonia, Haiti, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2010)
Sata manokana omen'ny Etazonia ho an'ireo teratany avy amin'ny firenena vao avy niharan'ny fikorontanana na ratran-tsaina vokatry ny ady na horohorontany ny sata fiarovana vonjimaika [1] (TPS). Tsy maintsy ao Etazonia ny olona omena izany sata izany, ary manao fangatahana TPS. Ankehitriny, omena ireo teratany avy amin'ireto firenena manaraka ireto ny TPS: Salvador, Honduras, Nikaragoà, Somalia ary Sodàna. Araka ny anarany, vonjimaika ihany ny sata ary tsy mamaritra avy hatrany ny olona iray hahazo fonenana maharitra (karatra maitso) na maha-olom-pirenena.

Tamin'ity herinandro ity, taorian'ny horohorontany mampihoro-koditra tamin'ny mari-drefy 7,0 izay namely an'i Haïti, niantso an'i Etazonia mba hanome TPS ho an'ireo teratany Haisiana roa tapitrisa (araka ny ankamaroan'ny tombatombana) monina ao amin'ny firenena ireo mpanao gazety sy olo-malaza ara-politika maromaro. Naparitaka ny fanangonan-tsonia maromaro, iray amin'izany ny tao amin'ny breakthrough [2], ka mpikambana 83 ao amin'ny Kongresy no nanasonia taratasy misokatra [3] nalefa any amin'ny filoha Obama, mitaky TPS ho an'ny Haisiana.

Ny Zoma 15 janoary, TPS [4], izay maharitra valo ambinifolo volana ny Haisiana rehetra monina ao Etazonia ankehitriny.

Talohan'ny fanambarana, bilaogera Latin Americanist nanamarika hoe  [5]:

Les expatriés et les défenseurs des émigrants haïtiens réclament depuis longtemps à cor et à cri le TPS pour les Haïtians, surtout à la lumière des nombreux ouragans et tempêtes tropicales de la dernière décennie. Bien que les administrations Bush et Obama aient toutes deux fait la sourde oreille à leurs plaidoyers, le soutien au TPS pour les Haïtiens a gagné l'appui de législateurs-clés.

Efa ela ireo mpila ravinahitra sy mpiaro ny mpifindra-monina Haisiana no nitaky TPS ho an'ny Haïsiana, indrindra taorian'ireo rivo-doza sy tafio-drivotra marobe tao anatin'ny folo taona farany. Na dia samy nanao bemarenina manoloana ny fitakian'izy ireo aza ny fitondrana Bush sy Obama, nahazo fanohanana goavana avy amin'ireo mpanao lalàna ny TPS.

Talohan'ny fanapahan-kevitra ihany koa, nanoratra  [6]ilay bilaogera Amerikana manam-pahaizana momba ny fifindramonina, Koulflo Memo fa “miharihary” [ny tokony hanaovana] ny TPS:

La Fédération pour la Réforme de l'immigration américaine (FAIR), un organisme de droite, a fait part de son opposition à l'octroi du TPS à Haïti. La raison qu'ils invoquent, c'est qu'ils supposent que les Haïtiens ne partiront pas après la levée du TPS. Ils disent aussi que la situation de Haïti ne remplit pas les critères du TPS. L'opposition de la FAIR est malhonnête et butée. Et aussi raciste.
J'espère que le Président Obama ne surévalue pas ses chances d'une réforme complète de l'immigration au courant de l'année au moyen d'un apaisement de l'électorat du FAIR sur cette question humanitaire cruciale. Une telle non-réponse ne serait autre qu'un  abandon de Haïti au moment où il est dans le besoin.

Nanohitra ny TPS ao Haiti ny Federasiona ho an'ny Fanavaozana ny fifindra-monina Amerikana (FAIR). Ny anton'izany araka ny nambaran'izy ireo dia mihevitra izy ireo fa tsy hiala intsony ny Haisiana aorian'ny fanafoanana ny TPS. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy mahafeno ny fepetra takian'ny TPS ny zava-misy ao Haiti. Tsy rariny sy misy fitaka ny fanoheran'ny FAIR. Ary koa manavakavaka.
Manantena aho fa tsy ho diso fanombana amin'ny herijikany hanavao tanteraka ny fifindramonina ao anatin'ny taona amin'ny alalan'ny fampitoniana ny mpifidy ny FAIR amin'ity raharaha mafana ity. Ny tsi-famaliana dia tsy inona fa fandaozana an'i Haïti amin'ny fotoana ilainy vonjy.

Bilaogera Amerikana Deep Thought nidera ny fanapahan-kevitry ny fitondrana Obama, ary nanoratra [7] hoe:

Le Président Obama a fait preuve d'un réel courage politique en agissant avec rapidité pour aider le peuple de Haïti. La Secrétaire Napolitano et lui ont aussi fait preuve de compassion en suspendant les expulsions vers Haïti pour dix-huit mois par l'octroi du TPS (statut de protection temporaire) aux Haïtiens actuellement aux Etats-Unis ; déverser un tas de personnes supplémentaires sur la scène actuelle de dévastation serait au mieux peu obligeant et au pire catastrophique. Certes, ils se font quelque peu incendier par les groupes nativistes (NdT : anti-étrangers) mais le vrai test du courage politique, c'est la capacité à prendre des décisions difficiles parce qu'elles sont justes.

Nampiseho herim-po ara-politika tanteraka ny filoha Obama tamin'ny fandraisana fepetra haingana hanampiana ny vahoakan'i Haïti. Nampiseho fangorahana ihany koa izy sy ny sekretera Napolitano tamin'ny fampiatoana ny fandroahana mankany Haïti mandritra ny 18 volana amin'ny fanomezana TPS ho an'ireo Haisiana ao Etazonia; tsy dia tsara sy mampidi-doza kokoa ny fandroahana olona marobe fanampiny ao anatin'ny sehatra ravarava ankehitriny. Eny tokoa, somary nofitahan'ireo vondrona mpanindrahindra tanindrazana izy ireo (NdT : manohitra ny vahiny) saingy ny tena fitsapana amin'ny herim-po politika, dia ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra sarotra satria rariny izany.

Bilaogera sady renim-pianakaviana nanangan-jaza all buttoned up kosa mieritreritra ny hisaotra ny olom-boafidiny noho ny tosika nataony nahatonga ny TPS ary mangataka fanampiana ho an'ireo kamboty marobe ao Haïti koa izy, hoy izy [8]:

Cette question reçoit beaucoup d'attention de la presse en ce moment. J'espère que cela fait une différence, mais vous et moi savons que les gens se lassent de voir encore et toujours le même malheur. Il y avait plus de 200.000 orphelins vivant à Port-au-Prince avant tout ça, et quoi que vous pensiez de ces questions– et elles ne sont pas simples– cette intervention n'a nullement pour but de saper l'intégrité du peuple haïtien ni leur désir de s'occuper de leurs propres enfant. C'est seulement qu'ils sont dans l'impossibilité de le faire. C'est un problème humanitaire.

Nahasarika betsaka ny fampahalalam-baovao ankehitriny izany fanontaniana izany. Mino aho fa misy fahasamihafana izany, saingy fantatro sy fantatrao fa leo mahita hatrany ny fahoriana miverimberina ny vahoaka. 200.000 mahery ireo kamboty monina ao Port-au-Prince talohan'izany rehetra izany, ary na inona na inona eritreretinao amin'ireo fanontaniana ireo– ary tsy tsotra izy ireo– tsy misy tanjona amin'ny fanakanana ny fahamarinan'ny vahoaka Haisiana, na ny fanirian'izy ireo hiahy ny zanak'izy ireo manokana ity fidirana an-tsehatra ity. Ao anatin'ny tsy fahafahana manao izany fotsiny izy ireo. Olana maha-olombelona izany.

Raha voaaro mandritra ny 18 volana fara fahakeliny ireo Haisiana monina ao Etazonia ary afaka miasa, mbola mila fanampiana kosa ny vahoakan'i Haïti. Ireto ny fikambanana [9] sasany miandraikitra ny famonjena ao Haïti, ary tahaka izao ny fomba ahafahana manome fanampiana [10].

Jereo ny pejy manokana momba ny horohorontany ato amin'ny Global Voices [11]raha te hanaraka vaovao bebe kokoa momba izany.