Arabisc: Fifidianana Any Bahrain, Fahafatesan'Ankizy, Fahalalahana Manjavozavo !

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Natao tamin'ny herinandro faran'ny Novambra 2006 ny fifidianana faharoa izay ho solombavambahoaka tamin'ny tantara vaovaon'i Bahrain, mpifidy manodidina ny 300.000 no nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana.

Isan'ireny ilay Bahrainita  mpitoraka bilaogy Haythoo, izay nanantena fa hivoaka handresy ny ‘antokony’

أنا الأن متوجه لتغطية العملية الأنتخابية..
أتمنى أن يحالفنا الحظ و نفوز بأكثرية نيابية..
يجب أن نعمل كما قال القادة على كل الأصعدة..
و يجب أن ننزل للشارع دوماً..
“Miainga handrakotra ny fifidianana solombavambahoaka aho izao. Antenaiko fa hahazo vato betsaka isika. Tokony hataontsika izay nolazain'ireo mpitarika ary hidina an-dàlambe isika, ” hoy izy, araka ny didy ara-pivavahana izay nandrisika ny Bahrainita hifidy amin'ity taona ity.

Nandritra ireo fifidianana teo aloha, efatra taona lasa izay, vondrona politika maro ( voarara ny antoko politika tany Bahrain) no nanao ankivy ny fifidianana satria tsy “araka ny lalàm-panorenana” ny Lalàm-panorenana Bahrainita.

Maika ny hampiasa ny zony hifidy izay ho solombavany ao amin'ny parlemanta sy ny filankevitry ny tanàna ihany koa ilay mpitoraka bilaogy  Fareed Isa .

و يوم جميل إذن نتمنى أن ينتهي على خير مثلما نتمنى لمن لن يحالفهم الحظ في الفوز بمقعد نيابي أو بلدي أن يخدموا هذا الوطن عبر مجالات أخرى فهو أفضل من البقاء أربع سنوات كاملة في انتظار الحظ الذي قد يبتسم أو قد لا يبتسم ، فالهدف النهائي لكل فرد في هذا الوطن هو خدمة هذا الوطن الجميل.. أو هكذا ينبغي أن يكون.

خلال الفترة الماضية – فترة الدعاية الانتخابية – قدم المترشحون الكثير من الوعود وأعطوا الكثير من الآمال للمواطنين ينبغي أن لا تنسى أو تضيع لسبب بسيط هو أن الناس الذين انتخبوا هؤلاء بناء على هذه الآمال وتلك الوعود لن ينسوا كل ماقيل وسيمارسون دورهم التاريخي الذي يفترض أن يعرفه المترشحون الذين سيصيرون نوابا أو بلديين

“Andro mahafinaritra izay antenaiko fa hifarana amim-pilaminana ny androany. Izay tsy mahazo seza ao amin'ny parlemanta na filànkevitry ny tanàna dia hanompo ity firenena ity amin'ny fomba hafa izay tsaratsara kokoa noho ny mipetraka sy miandry vintana, izay mety hitsiky na tsy hitsiky amin-dry zareo, afaka efatra taona. Ny vokatra farany ho an'ny olom-pirenena tsirairay dia ny manompo ity firenena mahafinaritra ity sady izany no tokony ho izy. Nandritra ny fotoanan'ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana dia betsaka ny mpilatsaka ho fidiana no nanome toky sy fampanantenana maro ho an'ny vahoaka, izay tsy tokony hadino na tsy tadidy tsotra izao rehefa voafidy ho eo amin'ny sezany ry zareo satria nanome fanantenana ho an'ny vahoaka. Tsy tokony hanadino ny fampanantenana nolazainy ireo Solombavambahoaka sy filànkevitry ny tanàna ireo” hoy izy.

Tsy misy ifandraisany amin'ny fifidianana Bahranita – saingy mbola any Bahrain ihany – manahy ny momba ny fahafatesan'ny ankizy telo taminà firehetan'ny trano ny mpitoraka bilaogy Khalid.

منذ عدة أيام لقي ثلاثة أطفال حتفهم بسبب حريق شب في الشقة التي يقطنون فيها في منطقة السلمانية وأرجح البعض إن سبب الحريق مجرد شمعة.. !!! شمعة أحرقت احد الستائر … شمعة تم إشعالها لتبدد الظلام .. و قطع الكهرباء .. فمات الأطفال بسبب الاختناق ..فالشقة المنكوبة كانت بلا كهرباء ..!!! وهنا يطرح مجرد سؤال .. هل هناك أزمة توعية أو هي مجرد أزمة فقر و حاجة ..؟؟!! على اثر هذه الحادثة المؤلمة .. يطرح سؤال آخر هل هناك عائلات أو اسر بحرينية تعيش في الظلام بسبب قطع الكهرباء عنها إداريا وليس بأسباب فنية متكررة و معتادة ..؟؟!!! احد المصادر الغير رسمية أفاد أن متوسط قطع الكهرباء عن بيوت أو منازل الأسر البحرينية الفقيرة في منطقة مثل المحرق يتجاوز 10 بيوت شهريا ..!!! و يرجع سبب هذا القطع لعجز هذه الأسر البحرينية عن الدفع بسبب العوز و الفقر و بسبب تراكم فواتير الكهرباء لشهور عديدة .. ..!!!
“Andro vitsivitsy lasa izay, ankizy telo no maty rehefa niredareda nivoaka ny trano nipetrahany tao Salmaniya ny afo. Nolazain'ny sasany fa vokatry ny labozia ilay lelafo ! Nandoro ny lambam-baravarana ilay labozia… labozia narehitra mba handroahana ny haizina sy ny tsy fisian'ny jiro mandeha amin'ny herinaratra. Matin'ny hasemporana tao an-tranony ireo ankizy tsy afa-nanoatra. Ary eto dia te-hanontany aho : moa ve resaka fahatsiarovantena izany sa olan'ny fahantrana sy ny filàna ? Ao amin'ny toerana nisehoan'ity voina ity, dia miaina anaty aizina ireo fianakaviana Bahrainita satria didim-pitondrana no nanapahana ny jiro fa tsy olana ara-teknika ? Loharanom-baovao iray tsy ôfisialy nilaza tamiko fa any amin'ny tanàna toa an'i Muharraq, fianakaviana 10 eo ho eo no tapaka jiro isam-bolana satria tsy afaka nanefa ny vidin-jiro,” hoy izy nanoratra.

Any akaikin'i Arabia Saodita, manana olana amin'ny fahafantarana ny atao hoe fahalalahan'ny fanehoankevitra sy izay dikany amin'ny sehatra samihafa i Raed Al Saeed. 

أما أنا غبي وضعيف فهم أو باقي العالم المتحضر غبي! (أرجح الاحتمال الأول)

حاولت بشتى الطرق فهم حرية الرأي والتعبير ولكن لم أفهمها!

عندما يهينون نبينا فهي حرية تعبير ولا عليهم أن يعتذروا.

ولكن في فرنسا يمنع تكذيب “حقيقة” جرائم الإبادة الجماعية ضد اليهود من قبل النازيين! ولكن لا يمنع تكذيب “حقيقة” وجود الله؟!

وفي بولدنا يعتبر الإساءة إلى الكنيسة الكاثوليكية ورئيس الدولة جريمة يعاقب عليها القانون. ولكن إذا أساء البابا للإسلام يحفظ له حق حرية التعبير!

أما في أمريكا الحرة الأسود من الأصول الأفريقية يستطيع أن ينادي أسوداً أخر بعبارة زنجي Nigger ولكن إذا كان أَبْيَضَا فلا يستطيع أنا ينادي أسوداً بعبارة زنجي كما حدث مع Michael Richards.

“Izaho ve no adala sa ireo olona sisa amin'ny tontolo mandroso. Heveriko fa ilay safidy volaohany no mety kokoa ! Miezaka mamantatra ny dikan'ny hoe fahalalahan'ny fanehoankevitra aho fa tsy vitako izany. Rehefa manevateva ny Mpaminaninay ry zareo, dia izay no atao hoe fahalalahan'ny fanehoankevitra ary tsy miala tsiny ry zareo. Fa any Frantsa, heloka bevava ny manaparitaka ny fisalasalàna momba ny fahamarinan'ny holocauste (vono olona faobe) nataon'ny Nazi tamin'ny Jiosy ! Mandritra izany fotoana izany, tsy misy ny fanontaniana momba ny fisian'Andriamanitra. Any Polôna, haloka bevava, helohin'ny lalàna ny miteny ratsy ny Fiangonana Katolika sy ny Filoham-panjakana, fa rehefa miteny ratsy ny Silamo ny Papa, dia mampiasa ny fahalalahany maneho hevitra. Ao Amerika malalaka, ny mainty fihodirana no afaka miantso ireo mainty fihodirana hafa hoe Mainty fa tsy ny fotsy fihodirana tahaka izay nataon'i Michael Richards,” hoy ny fanazavany.

Ny fijanonana farany dia tamin'ny ady, fandringanana sy ny fofon'ny fahafatesana any Iràka, izay nandokoan'i Imad Khadduri avy amin'ny Free Iraq, sary mahavaky fo momba ny fahoriana izay iaretan'ny fireneny ka ny vahoaka no vavolombelona.

كل قتيل سيترك وراءه عائلة بلا معين. كل امرأة ستترك اطفالا يتامي..ـ
كم من قتيل وجريح؟ كيف ستعوض عوائل الضحايا؟ هل هناك ما يعوض فقدان أم او أب أو زوج أو شقيق؟ ماذا عن المارة المذعورين المتراكضين في مدينة الصدر، الاهالي المحاصرين في الاعظمية والكاظمية وهم يتلقون القنابل والهاون، ماذا عن الدم المختلط بتراب الوطن، المغسول مع بقايا الاجساد المحترقة، مع رماد الاشلاء؟ ماذا عن رائحة الموت الذي بات مرادفا للحياة في العراق، بعد ان كانت شوارعنا ومدننا واحياؤنا تفوح بعبير القداح وورد الجوري؟ ـ
والجثث مجهولة الهوية؟ كم مرة اسبوعيا نقرأ الخبر التالي: عثرت الشرطة اليوم علي اثنتين وخمسين جثة مجهولة الهوية في مناطق متفرقة من بغداد. اغلب الجثث كانت موثوقة الايدي ومعصوبة الاعين وعليها اثار تعذيب واطلاقات نارية في اماكن متفرقة من الجسم؟
“Firy ireo fianakaviana tsy misy mpiantoka hiharam-boina ho tavela any aoriana? Vehivavy firy no handao ireo kambotiny ? Firy no ho faty sy haratra ? Iza no hiahy ireo fianakavian'ny niharam-boina ? Inona no hiveloman'ireo tsy manan-dreny, ray, vady sy rahalahy ? Ahoana ny amin'ireo mpandalo raiki-tahotra mihazakazaka mankany Sadr City sy ireo voahodidina tsy afaka mandositra any Al Adamyia sy  Al Kadhemiya,  izay voadaroka baomba ? Ahoana ny amin'ireo rà izay mifangaro amin'ny vovoky ny tanin'ny firenentsika sy ireo nofon'olona sisa tsy may ? Ahoana ny amin'ny fofon'ny fahafatesana ao amin'ny firenena iray izay lasa mitovy dika amin'ny fahafatesana ny fiainana sy ny fahafatesana any Iràka ary aiza ilay fofonà raozy nameno ny làlambentsika teo aloha ? Ahoana ny amin'ny vatan'ireo olona tsy fantatra ? Impiry isanandro ao anatin'ny herinandro no hamakianao ao anaty gazety  ity lohahevitra manaraka ity  : Vatan'olon-tsy fantatra 52 no hitan'ireo mpitandro filaminana tamin'ny toerana maro tany Baghdad. Maro amin'ireo vatana ireo no mifatotra tànana sy mitampina maso, miaraka amin'ny porofon'ny fampijaliana sy ny tifitra eny amin'ny vatana mangatsiaka ?” hoy izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.