Tantara tamin'ny 26 Jona 2018
Nankalazaina Ho Toy Ny Fandresen'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ny Fanafahana Madiodio Ny Fiji Times Tamin'ilay Fiampangana Azy Ho Mpikomy Tao Oseania

"Miharihary izao fa mbola manohy ny fiampangany ny olona ho mpanakorontana ihany ny fanjakana ao Fiji mba hanafoanana ny fahalalahana haneho hevitra sy ny fanoherana ara-politika.
Kintan'ny football iray vao misandratra anisan'ny Uyghurs iray tapitrisa mahery alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina shinoa
Tombanana ho mihoatra ny iray tapitrisa ny Uyghurs any Xinjiang nalefa tany amin'ny toby fanarenan-tsaina mba ho esorina izay nianarany ary hanitsiana ny fijeriny ara-pivavahana sy ara-politika.
Nepal: Resaka Hafa Indray
Miketrika fifanarahana fandriampahalemana vavao indray ny fiarahan'ireo antoko fito sy ry zareo Maoista. Niharan'ny tifitra avy amin'ny ankolafy maro isankarazany ilay fifanarahana farany nisy teboka valo vitan-dry zareo.
Arabisc: Fifidianana Any Bahrain, Fahafatesan'Ankizy, Fahalalahana Manjavozavo !
Nifidy fanindroany ny ho solombavambahoaka teo amin'ny tantara vaovaony i Bahrain . Manodidina ny 300.000 ireo mpifidy nandeha nandatsa-bato. Isan'izany ilay mpitoraka bilaogy Haythoo, izay nanantena ....... ny 'antokony'. Fa ankoatra izany ireo tranga hafa miseho eo amin'ny firenena, samy tantarain'ny mpitoraka bilaogy avokoa ireny.
Indonezia: Tondra-drano tany amin'ireo faritany miisa 13
Niaina tondra-drano nandritra ny herinandro noho ny oram-batravatra ny faritany miisa 13 tany Indonezia. Namoizana ain'olona miisa 14 ny loza nitranga raha telo hafa kosa no tsy hita . Olona mihoatra ny 50.000 no voatery nafindra toerana. Nihoatra ny roa metatra ny rano tao Jakarta, renivohitr'i Indonezia.
Ejypta: Mitaky Eid lavitry ny fanorisorenana ara-nofo ny bilaogera
Satria efa akaiky ny Eid Al Fitr (ny fiafaran'ny Ramadan), miomana indray amin'ny fanorisorenana ara-nofo bebe kokoa noho izay efa nanjary fenitra manelingelina ny ny vehivavy ao Ejipta.
Nomen'i Etazonia sata fiarovana vonjimaika ireo teratany Haisiana
Sata manokana omen'i Etazonia ho an'ireo teratany avy amin'ny firenena vao avy niharan'ny fikorontanana na ratran-tsaina vokatry ny ady na horohorontany ny sata fiarovana vonjimaika (TPS). Tsy maintsy ao Etazonia ny olona omena izany sata izany, ary manao fangatahana TPS.
Indonezia: Tany nihotsaka nahafatesana olona tany Papouasie Andrefana
Olona maherin'ny 80 no maty ary an-jatony maro no mbola tsy hita popoka raha nandrava ny tanàndehiben'i Wasior any Papouasie Andrefana, Indonezia ny tany nihotsaka.