- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

MENA: Mitondra fifaliana ve ny orana sa fahoriana e?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Jordania, Syria, Hehy, Mediam-bahoaka, Tanora, Tontolo_iainana, Voina

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny janoary 2010)

Maro tamin'ireo bilaogera sy mpisera Twitter avy ao Ejipta sy ny faritra maro ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra no nitatitra ny fisian'ny orana sy tadiom-bovoka androany [18 janoary 2010]. Arakaraka ny toe-draharaha, ny sasany tsara fandray ny pitik'orana amin-kafaliana raha misedra tadio, tondra-drano ary fahavakisam-po kosa ny hafa.

Avy any Syria:

@mulanrady [1]: مطر غزير يعم سورية كلها. دائما هناك ارتباط بين المطر والخير. عندما تمطر تصبح وجوه الناس اكثر سعادة. وتصبح العيون أكثر بريق.

Orambe manerana an'i Syria. Misy hatrany ny fifandraisan'ny orana sy ny zavatra tsara. Rehefa avy ny orana dia faly kokoa ny olona ary mamirapiratra ny masonay.

Avy any Arabia Saodita:

saudi rain [2]

@alfarhan [2] : عواصف ترابية رهيبة تضرب جدة. الرؤية جداً متدنيه. نفسي نلزق موضوع العاصفة بأمانة جدة بس ماني عارف كيف ؟

Tadiom-pasika maharikoriko tao Jeddah. Tsy misy na inona na inona tazana. Manantena aho fa hanakianana ny manampahefana ao Jeddah ny tadiom-pasika fa tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana?

@sfatani [3] : Jeddah Dusty and stormy #jeddah

Jeddah mihosom-bovoka sy misiokan-tadio

Avy any Jordana:

@mkhawaja [4] : مطر مطر مطر

orana orana orana

Avy any Ejipta, Nahitana orana betsaka tany Alexandria sy afovoan-tanànan'i Kairo:

Zeinobia was commenting about rain in Egypt.

niresaka ny orana tao Ejipta i Zeinobia.

@Zeinobia [5] : raining in Mohendessin crazily I have not seen rain like this for years

Oram-batravatra mbola tsy hitako nandritra ny taona maro tao Mohendessin

@Ssirgany [6] : It was a mix of light rain and sunshine on my way to the office (Salah Salem from Helio), but now it's cloudy & raining heavily in Dokki

Mifandimby ny orana sy ny masoandro mibaliaka tamin'ny lalako ho any am-piasana (Salah Salem avy any Helio), saingy mandrahona sy orambe amin'izao fotoana izao eto Dokki

@EngyG [7]: it's raining in mohandessin sporadically, bas it is! 😉

Avy tsindraindray ny orana eto mohandessin, ratsy 😉

@maggieosama [8] : it's raining here alot in Garden City

Avy betsaka ny orana eto amin'ny Tanànan'ny Zaridaina

Nanamafy ny fisian'ny orana i Andrew izay monina ao Katameyya!

@andrewheiss [9] : Rain! This is crazy!

Orana! Avy be izy izany!

Any Alexandria, avy be tahaka ny mahazatra ary ahitana oram-panala kely ihany koa:

@linuxawy [10]: it was raining heavily in alex, and we got small ice too.. but it just stopped

Avy dia avy ny orana eto alex, saingy nahitana oram-panala kely ihany koa izany… saingy efa nitsahatra izany

@Sarah_ElShafie [11] : Cloudy Some Rain No Storm…. Alexandria, Egypt:)… Looks like the sun will come up now..

Mandrahona ahitana orana fa tsy misy tadio… Alexandria, Ejipta 🙂 … Hita hiposaka indray ny masoandro izao..

Saingy nahita zavatra nampalahelo tamin'izay nitranga tao Sinai noho ny orana i Cat of Desert:

@catofdesert [12] : مصرع مواطن وفقد أخرين في سيول جارفة بوسط سيناء

Noho ny orambe sy ny tondra-drano tao Sinai,nisy olom-pirenena iray maty ary ny hafa kosa tsy hita popoka.

Ao amin'i Egyptian Chronicles [13] i Zeinobia nilaza torohay betsaka kokoa tamin'ny tondradrano tao Sinai. Hoy izy:

Today the weather was bad in Egypt , some areas were lucky enough to avoid heavy rains like for instance Cairo but some areas were unlucky as the heavy rains turned in to flood and this is just the start according to weather forecast.
Officially 4 citizens have been killed , hopefully I will get a better information later today.
Aswan , North Sinai and South Sinai have the bigger share in losses because of the rains that turned in to floods since the morning.

Ratsy ny andro androany teto Ejipta, nisy ny faritra tsara vintana kokoa ka tsy nahitana orambe tahaka ny tao Kairo ohatra saingy nisy ny faritra sasany ratsy vintana ka tratran'ny orambe sy ny tondradrano araka izay efa nolazain'ny mpamantatra ny toedrano mialoha.
Efatra no maty raha ny antontanisa ofisialy, antenaina fa hahazo torohay tsara kokoa isika rehefa kelikely.
Aswan, Siai avaratra sy atsimo no tena nahitana famoizan'olona noho ny orana nivadika ho tondradrano hatry ny maraina.

Saingy ratsy kokoa ny vaovao:

A British tourist has died in accident in the Nile because of the heavy rains in Aswan today. I feel sorry for him along with all those who died today.
There are rumors that the Egyptian and Israeli forces on our borders searching a missing group of Israeli tourists. Already the citizens in Sinai found themselves in front of an Israeli jeep brought by the floods in the morning !!
Also I read a tweet that the Sharm El-Sheikh airport was badly damaged in the rains !!

Maty noho ny loza tao Neily ny Britanika mpizahatany iray noho ny orambe tao Aswan androany. Malahelo noho ny fahafatesany sy ny fahafatesan'ny hafa maty androany aho.
Misy ny tsaho milaza fa eo am-pitadiavana vondrona mpizahatany Israeliana ny tafika Ejiptiana sy ny tafika Israeliana. Efa nahita jeep israeliana nentin'ny tondradrano ny olom-pirenena tao Sinai tamin'ny maraina!!
Namaky ihany koa aho tao amin'ny sioka iray fa simban'ny orana ny seranam-piaramanidin'i Sharm El-Sheikh

Miverina any Sinai, nilaza i Zeinobia fa henjana ny toe-draharaha ao ary ilaina ny vonjy voina:

Things in Sinai are not that great at all and it needs urgent help , I hope that the army will save the day as usual. The people in Sinai are praying that the rains do not destroy their houses and kill them.

Tsy hoe tsy maninona izany ny toe-draharaha ao Sinai fa mila famonjena haingana, manantena aho fa hiditra an-tsehatra haingana araka izay tratra araka ny mahazatra ny tafika. Mivavaka ny mponina ao Sinai fa tsy handrava ny tranon-dry zareo ny orana ka hamono azy ireo.

Ilaina ihany koa ny manamarika fa nanamafy [14] ny fisian'ny orambe ny mponina ao Luxor ao Ejipta ambony  – sambany izany tao anatin'ny roa taona.

Nisy resaka fohy nitranga teo amin'ny bilaogera ejipsiana Embee sy Tarek Amr, ary mifanohitra amin'ny rehetra ity farany ity amin'ny tsy itiavany ilatsahan'ny orana.

@embee [15] : let's hope the #rain gets here SOON

Antenaina fa ho avy TSY HO ELA ny orana

@gr33ndata [16]: Oh no, please not, I hate #rain, I hate it so much.

Tsia kosa e, mankahala orana aho, ankahalaiko mihitsy io

@embee [17] : but #rain cleans the streets.. And the trees! How could you hate it?

fa manadio ny arabe ny orana.. sy ny hazo! ahoana no ankahalanao azy?

@gr33ndata [18] : Rain cleans there everywhere but not here in Egypt. Here it makes them even dirtier. #Rain

Manadio ny orana any an-kafa fa tsy eto Ejipta. Eto izy vao maika mandoto.

Namehy teny i Yasser Ahmad tamin'ny filazana hoe:

@YasserAhmad [19] : Anyone who says sunshine brings happiness has never danced in the rain!

Izay rehetra milaza fa ny fibaliaky ny masoandro no mitondra hafaliana dia mbola tsy nandihy tao anaty orana mihitsy!