- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Lahatsary Nivoaka Maneho ny Fifandonana Teo Amin'ny Polisy sy Mpianatra Tao Jiangxi

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'olombelona, Zon'olombelona an-tsary

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Tao anatin'ny vondromben'ny fanambaran'ny fanjakana Shinoa momba ny fampihenana 22.1% ny ”korontana faobe” [1] (vakio hoe ”fanoherana”), ireto misy lahatsary bebe kokoa mikasika ireo ”korontana faobe” avy ao Shina, raha toa ka tsy nahita ity ampahan'ny taratasim-pifandraisan'ny  Beijing farany avy amin'i John Kennedy [2] ity ianao:

Niverina an'ny Shina tamin'ny faran'ny volana lasa teo,  tao anatina fandaharana an-televiziona iray no hitan'ireo mpianatra sasany tao amin'ny lisea teknika tao amin'ny farintanin'i Jiangxi [3] Atsinanana i Shina fa tsy hahazo ireo diplaoma amin'ny oniversite nahafenoana ny efatra taona izay nampanantenaina azy izy ireo ka dia nanomboka nanao hetsi-panoherana ny sasany. Nisy blaogy, teto [4], ary sarina fakana lahatsary nozaraina teto [5], fa andro vitsivitsy taty aoriana vao nahazo ny Youtube ilay tantara. Niparitaka tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ny ekipana polisy roa arivo sy miaramila mankany am-pianarana, miditra, misava ny trano fandrian'ny kilasimandry, mandroaka ireo mpianatra ary manafika azy ireo, .

Mba hanomezana anao tsirony kokoa, ity ny lahatsary laharaha faha-7, mampiseho ny polisy manaparitaka ireo mpanao hetsi-panoherana :

Koa satria efa miresaka ny lohahevitra Shina sy lahatsary isika, mety ho tadidinao ity lahatsary ity (azon'ny Romaniana mpaka-lahatsary TV iray), ahitana Tibetana mpivahiny iray maty notifirin'ny andiana polisy tao Nangpa La Pass [6] tany amin'ny sisintany manasaraka an'i Shina sy Nepal :

https://www.youtube.com/watch?v=rLN4KWxqZ-0 [7]

Ny Human Rights Watch [8], izay niantso fanadihadiana tsy miankina mikasika ilay famonoana, dia efa nanao tafatafa tamin'ireo olona roa tafavoaka velona tamin'izany.

Nandritra izany ihany koa, manana ny tetika lahatsariny ihany koa ny fanjakana Sinoa – hametraka fakana lahatsary isaky ny kafe fampiasàna aterineto izy mba ho fiezahana amin'ny ”fanajanonana ny fanelingelenana”.