- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta : Fisamborana bilaogera taorian'ny vono olona tao Nag Hammadi

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2010)

Bilaogera Ejypsiana roa-polo mahery no nosamborina raha teo am-pidinana ny lamasinina tao an-tanànan'i  NagHammadi [1] ao an-tampon'i Ejipta. Notarihin'ny Dr Mostafa Al Naggar [2], niala tao Cairo, Alexandria sy tanàna Ejipsiana hafa ireo bilagoera ireo mba hanome voninahitra ireo fianakaviana niharam-boina tamin'ny vono olona tao Naga Hammadi [3]. Kopta (Kristianina any Ejypta) fito no maty voatifitra andro mialoha ny Noely tamin'ny 7 Janoary. Maro hafa no naratra rehefa nandao ny fiangonana taorian'ny vavaka Krismasy.

Tao amin'ny bilaoginy, Dr Mostafa Al Naggar [2] nanoratra hoe :

ابتلانا الله بنظام قمعي متسلط ، أفسد حياتنا ووئامنا ، سرق منا الأحلام وجعلنا نعاني جميعا من بطالة وخوف وحرمان ، بعد أن كانت بلدنا هي نبع الأمان اذا بها تتحول علي يديهم الي أرض الخوف ، لا نأمن علي أنفسنا في بيوتنا فزوار الفجر قد يخطفوننا من مخادعنا ، لا نأمن علي أنفسنا في شوارعنا فقطاع الطريق قد يسرقوننا ويعتدون علي نسائنا والقتلة المأجورين قد يقتلوننا ونحن خارجين لتونا من صلواتنا
Ao aminay ny ozon'ny rafitra mampahory izay nanimba ny fiainanay sy ny firindranay. Nangalarina ny nofinay ary navela ho tsy an'asa, anaty tahotra sy ny tsy fananana izahay. Nanjary tany rava i Ejipta, izay toeram-pialofana azo antoka fahiny. Tsy milamina intsony izahay ao an-tokantranonay satria mety hitifitra anay mora foana eo ambony fandriana ireo mpitsidika vao mangira-dratsy manao fanamiana. Tsy azo antoka intsony ny ainay eny an-dalambe satria mety hisambotra anay sy hiherisetra amin'ny vehivavy ireo mpirenireny sy olon-dratsy. Nanatri-maso izahay ankehitriny fa mety hitifitra anay mora foana ireo mpamono olona rehefa avy mahavita fivavahana izahay.

Naato teo am-pidinana ny fiaran-dalamby ny fitsidihana tsy misy fikasana politika nataon'ireo bilaogera tany Nag Hamadi. Mitantara [4] i Kareem El Beheiry:

القاهرة الساعة 9.30 صباحا

قامت قوات الامن بنجع حمادى صباح اليوم بالقبض على عدد من النشطاء التابعيين لعدد من الحركات والاحزاب السياسية اثناء توجهم من القاهرة الى نجع حمادى فور خروجهم من القطار لعقد مؤتمر لأدانة احداث نجع حمادى والتأكيد على الوحدة الوطنية

يذكر انه بعد القبض عليهم قامت قوات الامن بالحصول على بطاقتهم الشخصية والموبايلات الخاصة بهم ثم وضعتهم داخل سيارة ترحيلات ثم تبع ذلك تقسيمهم على سيارات متعددة واخذهم الى اماكن مجهولة حتى الان لم يتم معرفة وجهتهم

Kairo, 9:30 – nisambotra vondrona bilaogera sy mpikatroka avy amin'ny hetsika sy antoko politika samihafa ny polisin'i Nag Hammadi tamin'ny fahatongavan'izy ireo tany Nag Hammadi avy aty Kairo. Ny hampionona ny fianakavian'ireo niharam-boina no anton-dian'izy ireo fa tsy hanohitra fivavahana. Tamin'ny fisamborana azy ireo, nalain'ny polisy ny kara-panondron'izy ireo sy ny findain'izy ireo ary nentina tany amin'ny toerana tsy fantatra tao anaty fiara samihafa izy ireo.

Ireto ny lisitr'ireo bilagera nogadraina:

1 – اسراء عبد الفتاح

2– وائل عباس مدونة الوعى المصرى

3- باسم سمير حزب الغد والمعهد المصرى الديمقراطى

4- باسم فتحى المعهد المصرى الديمقراطى

5- احمد بدوى شباب 6 ابريل

6– شريف عبد العزيز

7- ماريان ناجى رويترز

8- مصطفى النجار مدونة أمواج

9- رؤى ابراهيم طالبة فى الجامعة الامريكية

10- شاهيناز عبد السلام مدونة واحدة مصرية

11- ناصر عبد الحميد حزب الجبهة

12-محمد خالد مدونة دماغ

13- شريف عبد العزيز

14- أميرة الطحاوى

15-سمر عقل حزب الجبهة

16- أحمد أبو ذكرى

17- اسماعيل الاسكندرانى

18- حنان

19- أحمد فتحى البدرى حزب الكرامة بقنا والذى كان يستقبل الوفد

20- ناشطة فرنسية لم نستدل على اسمها

1- Esraa Abdel Fattah [5]

2- Wael Abbas [6]

3- Bassem Samir

4- Bassem Fathy

5- Ahmed Badawy [7]

6- Sherif Abdel Aziz [8]

7- Marian Nagy [9]

8- Mostapha Al Naggar [2]

9- Ro'a Ibrahim

10- Shahinaz Abdel Salam [10]

11- Nasser Abdel Hamid

12- Mohamed Khaled [11]

13- Sherif Abdel Aziz [8]

14- Amira Al Tahawy [12]

15- Samar Akl

16- Ahmed Abou Zekri

17- Ismail Al Askandarani [13]

18- Hanan

19- Ahmed Fathi Al Badry

20- Frantsay mpikatroka iray mbola fantarina hoe iza

Zeinobia naneho hevitra toy izao [14]:

Tous ou presque ces blogueurs comptent parmi les journalistes citoyens notoires.

Je ne comprends pas pourquoi ces blogueurs ont été arrêtés.

Anisan'ireo olon-tsotra mpanao gazety malaza ireo bilaogera rehetra na ny ankamaroany.

Tsy azoko ny antony nisamborana ireo bilaogera ireo.