- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: Ny horohorontany no namantarana ny fisian'i Necoclí

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Venezoela, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihina fa tamin'ny 5 Martsa 2011 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 2 Martsa 2011, nisy horohorontany nahatratra  5,5 [1] amin'ny mari-pandrefesana Ritcher ary re tany amin'ny faritr'i Antioquia [2], any avaratr'i Kolombia [3]. Ny kaominin'i Necoclí [4] (ao Antioquia) no fantatra fa nisy ny ivony ary na dia tsy nisy aza ny niharam-boina dia ny tsy fahafantaran'ny olona maro ny fisian'i Necoclí, – niaraka tamin'ny horohorontany – no tranga nisongadina tao amin'ny Twitter.

Kolombiana maro no nilaza fa tsy mahafantatra ny toerana misy io kaominina io na nandre momba izany talohan'izay:  teratany Afrikana ny 59%-n'ny mponina ato amin'ity kaominina ity [4] ary misongadina amin'ny fahantrana sy ny tsy firarahian'ny fanjakana izy ara-tantara .

[5]

Morontsirak'i Necoclí, Antioquia, Kolombia. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i DDirac, nampiasana lisansa CC BY 2.0

Nanoratra i Juan Lozano (@Juan_ LT [6]) hoe:

Je leur jure que je ne savais pas que Necoclí existait.

Nilaza tamin'izy ireo aho fa tsy fantatro fa misy i Necoclí.

Raha i Alejandro F. A (@D_VAGO [7]) kosa dia nanamarika ny zava-misy ara-tsosialy ao amin'ilay faritra, ary nanao ny fandalinany manokana ka nilaza hoe:

Pour sortir de l'anonymat et que l'on parle d'eux, il a fallu un tremblement de terre à  #Necoclí [8] A présent, toute la Colombie #Colombia [9] sait où elle se trouve et qu'elle y a SURVÉCU.

Ny horohorontany tao Necoclí no namantarana ny anarany sy nivoahany resaka momba azy. Mahafantatra izay misy azy i Kolombia ankehitriny ary hoe mbola misy izy.

Nanamafy ireo sioka tamin'ny ankapobeny fa tsy nisy ny naratra taorian'ny horohorontany. Nandefa rohy tamin'ny aterineto [10] ho an'ny gazety ao an-toerana La Opinión i Johan Estevez (@Troguan) [11] sy Alexander Reyes (@alexanderreyes1 [12]) ; raha nanamarika kosa ny kaonty Twitter-n'ny Radio Nationale du Venezuela (RNV [13]) fa re hatrany amin'ny fanjakan'i Táchira [14] ihany koa ny horohorontany izay tao Kolombia no nisy ny ivony:

Le séisme enregistré en Colombie a été ressenti à Táchira : son épicentre a été localisé dans la commune de Necoclí,… http://bit.ly/i72mmK [15]

Re hatrany Táchira ny horohorontany tao Kolombia: tao amin'ny kaominin'i Necoclí no nisy ny foibeny

Tsy nisy ihany koa ny naratra tany amindry zareo Venezoeliana, araka ny tatitry ny RNV. [16]

Rohy mahaliana

- Ny vohikala ofisialin'i Necoclí  [17]
– Momba ny anarany, Necoclí, misy ny tantara [4] izay milaza fa nisy ny mpandalo iray reraka sy nangetaheta tonga tao amin'ity toerana ity mba hanala hetaheta , saingy nilazana izy fa ” Tsy nisy ‘coclí’ tao “, ny” coclí “no zava-pisotro mahazatra ao amin'ny faritra”.
Namoaka lahatsary antserasera [17] ny  @TTTube_Co [18] mitondra ny lohateny hoe : Necoclí .