- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona: Tsy nahomby ny alin'ny tsy fifohana sigara

Sokajy: Libanona, Fahasalamàna, Fanoherana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 2 Novambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny “Ain't No Smoking 2nite” (ny alin'ny tsy fifohana sigara) dia hetsika nokarakarain'ny fikambanana Rotaract [1], natao tany amin'ireo toeram-pisotroana tao Gemmayze tany Beirota tamin'ny 28 Oktobra 2009. Ity hetsika ity dia natao ho fanairana momba ny voka-dratsin'ny fifohana sigara sy mba handrisihana ny manampahefana amin'ny fampiroboroboana ny politikan'ny tsy fifohana sigara ao Libanona. Nanangom-baovao tamin'ilay hetsika ireo bilaogera Libaney ary nilaza izany ho tsy nahomby.

Talohan'ny nanombohany, namelom-panantenana ny fandraisana anjara tamin'ny hetsika. Toeram-pisotroana miisa dimy amby telopolo tao Gemmayze no nanambara ny fandraisany anjara ary nahavelom-bolo ny fanentanana.

Maya Zankoul, bilaogera Libaney ao amin'ny “Maya's Amalgam [2]“, mpamolavola sary sady anisan'ny mpanohana ny fanentanana no namolavola ny afisin'ny fanentanana ary nahatsikaritra izy fa nofenoiny ny rindrina sy ny fivarotana tao an-tanàndehibe : [3]

Ain't No Smoking 2nite Poster [4]

Saingy, tsy nisy nanaraka ireo tenim-pahendrena ireo ary tsy nisy ny toeram-pisotroana nanolotra takariva tsy nisy fifohana sigara rehefa tonga ilay fotoana.

Nanoratra i Maya fa tena tsy araka ny nantenaina ny zava-nitranga toy ny hoe kisangisangy [5] ilay izy:

Il était assez décevant de ne pas réussir à accomplir une tache assez simple, celle de dîner dans un environnement sans tabac, lors d'une soirée prévue pour être sans tabac ! Cela a démontré un sévère manque de volonté de la part des responsables de bars-restaurants mais aussi que la raison pour laquelle ils ont accepté de soutenir cette cause était probablement la publicité gratuite qu'ils en tiraient.

Somary nandiso fanantenana ny tsy nahavitana nanatontosa ity asa tsotra kely ity, dia ny fisakafoanana ao anatin'ny tontolo tsy misy setro-tsigara, nandritra ny fetin'ny takariva izay nokasaina tsy hisy fifohana sigara ! Nampiseho izany fa tsy nisy ny finiavana avy amin'ny mpitantana ny toeram-pisakafoana sy ny toeram-pisotroana, fa nanaiky izy ireo ny nanohana ny hetsika satria dokambarotra maimaimpoana azon'izy ireo izany.

Toy ny hoe mbola tsy ampy azy ireo ny tsy fandraisana anjara fa nisy mihitsy aza ireo toerana sasany namoaka sora-baventy toy ny hoe “Ekena ny mpifoka sigara” teo am-baravarany. Tao an-toerana ary naka sary eto ambany [6]Samer Karam izay mamahana bilaogy ao amin'ny Blogging Beirut [7] . Indro ny fanehoan-keviny:

Les temps ont changé à Beyrouth – Les panneaux “Fumeurs Acceptés” se veulent ostentatoires! Voir photo ( Traduction : Environnement amical pour les fumeurs)
[6]

Niova ny vanim-potoana eto Beirut – Toa milaza ny tontolo mahafinaritra ho an'ny mpifoka sigara Ireo sora-baventy hoe “Ekena ny mpifoka sigara” ! Jereo ny sary

Tezitra tamin'ny tsy fahombiazan'ilay hetsika i Liliane, ilay bilaogera Libaney ao amin'ny “My Lebanon is being burned into ashes [8]” (Lasa lavenona i Libanona-ko), mpisolovava manohitra ny fifohana sigara ary nanoratra tamim-panesoana [9] hoe:

Félicitations compatriotes libanais après cette nouvelle manifestation de votre triste sens de l'humanité, de la logique et du respect. Bravo ! Ya3tikoun el 3afieh. Heureusement que je ne suis pas allée à Gemmayzé parce que si j'y avais rencontré des fumeurs, j'aurais probablement fait un scandale.

[…]
Signez ici [10] la pétition afin que soit votée une loi interdisant le tabac dans les lieux publics.

Arahabaina ireo mpiara-belona Libaney taorian'ity hetsika vaovao ity tamin'ilay fomba fijery mampalahelo momba ny maha-olombelona, ​​ny lojika ary ny fanajana. Bravo! Ya3tikoun el 3afieh. Soa ihany, fa tsy nankany Gemmayze aho satria mety ho nanao hadalana raha nihaona tamin'ny mpifoka sigara.

[…]
Soniavo eto [10] ny fanangonan-tsonia mba handaniana ny lalàna mandràra ny fifohana sigara eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe.

Nandritra io fotoana io ihany, nandany ny volavolan-dalana mandrara ny fifohana sigara eny amin'ny toerana ho an'ny daholobe i Syria. Rahoviana ny an'i Libanona? Sa ve tsy hahomby indray izany?