- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Mamolavola lalàna mitaky ny tenimiafin'ireo tranonkala ny solombavambahoaka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nodinihana sy novolavolain'ny parlemanta Jordaniana ny lalàna vaovao mifehy ny habaka elektronika izay mitaky amin'ireo mpitantana ny tranonkala mba hanome ny tenimiafin'ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy Fanontana pirinty.  Raha toa ka mandà izany ny mpitantana, hoy ny volavolan-dalàna, dia hakaton'ireo manampahefana tompon'andraikitra ny tranonkala. Bilaogera Osama Romoh naneho hevitra momba izany tao amin’ity [1] lahatsoratra ity [Ar].

Tezitra noho ny vaovao, nanoratra am-piesoesoana i Romoh hoe:*

ماذا يا نواب؟ لماذا لم تطلبوا أيضاً كلمات سر الفيس بوك الخاصة بأصحاب تلك المواقع، وكذلك المسنجر والياهو مسنجر والـ Hi5 واشتراكاتهم في يوتيوب و Flickr وإيميلاتهم على Gmail و موقع مكتوب وأسماء أمهاتهم وأخواتهم وعماتهم وخالاتهم وجيرانهم وأصدقائهم ومن والاهم إلى يوم الدين؟ لماذا يا نواب لم تطلبوا “بالمرة” قياسات بناطيلهم وقمصانهم وأحذيتهم وجواربهم و… ؟
Nahoana ianareo mpikambana ao amin'ny parlemanta no manao izao? Nahoana ianareo no tsy mangataka ny tenimiafin'ny kaonty Facebook-n'ny mpitantana ireo tranonkala ireo? Nahoana ianareo no tsy mangataka ny tenimiafin'ny Messenger sy Yahoo Messenger sy ny Hi5 ary ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny YouTube, sy Flickr, ary ny mailak'izy ireo ao amin'ny Gmail, sy ny bilaogy ao amin'ny Maktoob, ny anaran'ny renin'izy ireo, ny rahavavin'izy ireo sy ny nenitoan'izy ireo, ary ny anaran'ny naman'izy ireo sy ny mpifanolo-bodirindrina amin'izy ireo, manomboka izao ka hatramin'ny faran'ny andro? Raha mbola eto ianareo, nahoana ianareo solombavambahoaka no tsy mangataka ny hahafantarana ny haben'ny patalohan'izy ireo sy ny shortan'izy ireo, ny kiraro sy ny bà kiraron'izy ireo sy ny …?

Mampiasa lojika, hoy izy:

إنّ ما يطلبه النواب الآن هو من سابع المستحيلات، فإن أصغر طفل يملك بريداً الكترونياً يعي كل الوعي أن كلمة سر بريده لا يجب أن يعرفها أحد غيره في جميع الأحوال، فكيف يتوقع النواب أن يخضع أصحاب المواقع الإخبارية لقرار يُجبرهم على تقديم معلومات الدخول لصفحات التحكم في مواقعهم إلى دائرة المطبوعات والنشر؟ إن لكل موقع أسرار وخصوصية، خصوصاً فيما يتعلق بالإحصائيات وتعليقات الزوار والإعلانات وما إلى ذلك، فأي عاقل سوف يُسلّم مفاتيح موقعه لأي جهة كانت؟
Tsy azo atao ny zavatra angatahan'ireo solombavambahoaka ireo. Na dia ny zanaka faralahy izay manana kaonty mailaka aza dia mahatsapa fa tsy tokony hozaraina amin'ny hafa ny tenimiafiny, na inona na inona. Ahoana no ahafahan'ireo solombavambahoaka ireo manantena fa hanaiky ny baikon'izy ireo hanome ny tenimiafina izay manome fanarahamaso ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy ny Fanontana ireo mpitantana tranokalam-baovao? Manana ny tsiambaratelony sy ny fiainany manokana ny tranonkala tsirairay, indrindra fa ny vaovao mifandraika amin'ny antontan'isa, ny fanehoan-kevitry ny mpamaky sy ny dokambarotra, sns. Iza no olona adala hanaiky hanome ny lakilen'ny tranonkalany any amin'ny olona iray, na iza io na iza?

Mitodika amin'ireo mpamaky sy mpaneho hevitra, Romoh nanamarika hoe:

وكيف سيشعر الزائر في هذه المواقع بالحرية أثناء القراءة أو التعليق إن كانت
دائرة المطبوعات والنشر قادرة على معرفة معلوماته الشخصية؟
Ahoana no hahatsapan'ireo mpitsidika ireo fa afaka miditra malalaka amin'ireo tranonkala ireo rehefa mamaky sy maneho hevitra izy ireo, raha toa ka afaka mamantatra ny mombamomba azy ireo manokana ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny famoahana sy ny fanontana?

Manampy ilay bilaogera hoe:

وفي حالة رفض هذه المواقع تلك المطالب، كما سيحدث حتماً، فما هي الآلية التي سيتخذها النواب لإغلاق هذه المواقع؟ إن أوباما وهو رئيس أقوى دولة في العالم لا يحق له في أن يصدر أمراً بإغلاق هذه المواقع فبأي حق وبأي منطق يطلب النواب ذلك؟
Raha toa ka mandà ny hanatanteraka baiko toy izany ny mpitantana tranonkala, izay tsy isalasalàna fa hitranga, inona no fepetra horaisin'ireo solombavambahoaka ireo mba hanakatonana ireo tranonkala ireo? Tsy manan-jo hamoaka didy hanakatona tranonkala i Obama, filohan'ny firenena matanjaka indrindra eran-tany. Zo inona sy lojika inona no ampiasan'ireo solombavambahoaka amin'ny famoahana baiko toy izany?

Niantso ny solombavambahoaka avy eo i Romoh mba hitandrina ny lazan'ny fireneny eo imason'ny fiarahamonina iraisampirenena ary tsy hampisy olana fanampiny ho an'i Jordania:

إن الأردن لا يحتمل المزيد من الانتقادات الدولية حول حقوق الإنسان والتعبير وحرية الصحافة بشتى أنواعها.. لذا يكفيكم أيها النواب أن تضعوا الأردن في موقف حَرِج أمام العالم، ويكفيكم أن تضعوا أنفسكم في مواقف محرجة لا تُعدُّ ولا تُحصى أمام الشعب.
Tsy mahavita miatrika tsikera iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny gazety sy ny fanehoan-kevitra i Jordania. Noho izany, tokony hatsahatry ny solombavambahoaka ny fanelingelenana an'i Jordania eo anoloan'ny rehetra manerana izao tontolo izao. Tokony hitsahatra tsy hiditra anaty toe-javatra mahamenatra eo anoloan'ny vahoaka Jordaniana ihany koa ireo solombavambahoaka.