- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amboaran'ny Konfederasiona: Noresen'i Ejipta i Italia, tompondaka manerantanin'ny football

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Italia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny jona 2009)

Mbola niroso dingana mankany amin'ny manasa-dalan'ny Amboaran'ny Konfederasiona [1] ihany i Ejipta taorian'ny fandresena Ejiptiana 1-0 manoloana an'i Italia, tompondaka manerantany. Taorian'ny lalao, maro ireo Ejiptiana nidina an-dalambe mampaneno ny anjomaran'ny fiara amin'ny sasakalina. Lasa feno fiara ny arabe izay nalalaka nandritra ny lalao. Hita mikirazorazo amin'ny varavarankelin'ny fiara mandeha ny tanora lahy, mifalifaly sy manofahofa ny saina Ejiptiana.

Saika feno tahaka ny arabe ejiptiana tahaka izany ihany koa ny Twitter, saingy nisy ny sioka nandritra ny lalao, tahaka ny taorian'ny lalao ihany koa. Nanomboka nihabetsaka ny sioka taorian'ny baolina voalohany tafiditr'i Ejipta tamin'i Italia:

 @Shokeir [2]: الهدف الأول لمصر —- مصر واحد .. إيطاليا صفر

@Shokeir [2] Baolina voalohany tafiditr'i Ejipta … Ejipta Iray … Italia Nil

@diptychal [3]: Did Egypt really just score a goal against Italy? Who are these people and what did they do with our football team?

Nahatafiditra baolina tamin'i Italia tokoa ve i Ejipta ?  Iza izany olona izany ary inona no nataony tamin'ny ekipam-pirenentsika?

Naneho ny heviny tamin'ny lalao ihany koa ny tsy Ejiptiana ary mazava loatra fa tao koa ny Italiana.

@sleon [4]: Egypt again surprise the world, leading 1-0 against Italia.

Nanampoka izao tontolo izao indray i Ejipta, nitarika nanoloana an'i Italia

@andresgalarza [5]: Egypt looking very, very solid. They're beating Italy 1-0.

Hita ho tena, tena matanjaka i Ejipta. Nandavo an'i Italia ry zareo.

Ampy ireo sioka mifandraika amin'ny lalao ireo hahatonga an'i Ejipta ho iray amin'ireo lohahevitra ironana ao amin'ny twitter.

@Shokeir [2]: Egypt is on trending topics in tweeter.

Ao amin'ny lohahevitra ironana amin'ny tweeter i Ejipta

Nandritra ireo minitra farany tamin'ny lalao, tsy mahandry ny kiririoka farany avy amin'ny mpitsara avokoa ireo Ejiptiana mpiondana rehetra.

@nawaranegm [6]: هو الماتش خلص؟

@nawaranegm [6]: Tapitra ve ny lalao?

@Zeinobia [7]: @nawaranegm [6] not yet

Tsiambolana

@nawaranegm [6]: خمس دقايق

@nawaranegm [6]: Dimy minitra fanampiny

Ary tondraka sioka an-tserasera amin'izao ny kiririokan'ny mpitsara.

@Shokeir [2]@: مبرووووووك .. مصر واحد .. أيطاليا صفر — ماتش رعب

@Shokeir [2]: Arahabaina e! … Ejipta iray, Italia Nil … Lalao izany an!?

@Lastoadri [8]: أنا حقيقى مش مصدقة ان مصر كسبت إيطاليا

@Lastoadri [8]: Mbola tsy mino aho hoe nandresy an'i Italia i Ejipta.

@Zeinobia [7]: We won we won we won Italy

Nandresy isika nandresy isika nandresy izahay ry Italia

@BooDy [9]: مش عارف اقول ايه، احنا كسبنا إيطاليا يا جدعان !

@BooDy [9]: Tsy hitakoi zay holazaina, nandavo an'i Italia isika ry zalahy!

@diptychal [3]: Egyptians are about to take to the streets cause the only thing that actually galvanizes us is winning a football match

Midina an-dalambe ny Ejiptiana satria ny antony tokana mba mamelombelona antsika dia ny mandresy amin'ny lalao baolina fandaka

@embee [10]: Okay… Winning was actually kind of cool.. Mommy screamed her head off for 40 seconds straight LOL

Eny ary… mahafinaritra tokoa izany mandresy… NIhiaka tao anatin'ny 40 segondra katroka i Mama TPT

@Zeinobia [7]: Americans beware from the Egyptian National team

Tandremo ny ekipam-pirenena Ejiptiana ry Amerikana

@Zeinobia [7]: Egyptians are so proud and happy with their wonderful football national team.

Afa-mirehareha sy sambatra tokoa ny Ejiptiana amin'ny akipam-pirenen-dry zareo mahafinaritra

@HalaGorani [11]: I stand corrected! Egypt beats Italy in the Confed Cup. Wow.

Nijoro fay aho! Noresen'i Ejipta i Italia amin'ny Konfed. Oao.

@jpierre [12]: EGYPT WON!!! WE WON!!! Unbelievable. Can't wait for Italy vs Brazil!!! Hard luck Azuris

Nandresy i Ejipta!!! Nandresy izahay!!! Tsy mampino. Tsy mahandry ny fihaonan'i Italia sy i Brezila!!!

@Shokeir [2]: Changing the profile picture to Egypt flag

Manova ny sarintavany ho sainam-pirenen'i Ejipta

@embee [10]: Friend of mine watched the match in germany in an Italian Icecream shop.. bit suicidal 😀

Nijery ny lalao tany Alemaina tao amin'ny fivarotana gilasy italiana ny namako… Famonoan-tena ihany an 😀

@BentMasreya [13]: I AM HAPPYYYYYYY.. WE WON.. GO EGYPT GO!

Faly aho… Nandresy izahay… Alefa Ejipta alefa!

@gr33ndata [14]: We are the champions. Egypt vs Italy – 1:0

Izahay no tompondaka. Ejipta vs Italia 1:0

@mshakour [15]: YES! Egypt! Arrivederci Italia!

@Sandmonkey [16]: I am still unable to comprehend that we just beat Italy. ITALY. The world club winner. WTF? GO EGYPT!

Mbola tsy mety tonga saina ihany aho hoe nandresy an'i Italia isika. ITALIA. Ilay ekipa tompondaka manerantany. Ahoana raha? Alefa Ejipta!

@Lastoadri [8]: طب ايه؟ كسبنا وفرحنا. بيتك بيتك. كل واحد على شغله، على مذاكرته أو نومه. ماينفعش نضيع الوقت فى الكلام ع الماتش يا مصريين. فين الهمه فى المهم؟

@Lastoadri [8]: Eny, nandresy sy noarahabaina kely isika. Ankehitriny isika miverina amin'ny asany, fianarany  na matory. Tsy afa-mandany ny fotoanantsika amin'ny lalao iray isika.

@Zeinobia [7]: It seems that Cairo won't sleep tonight , I won't be able to sleep tonight because of the cars horns

Toa tsy hatory i Kairo anio alina, tsy ho afa-matory aho noho ny anjomaran'ny fiara

@Shokeir [2]: خبر فوز مصر على إيطاليا يتصدر الأنباء في نشرة أخبار العربية

@Shokeir [2]: Ejipta nandresy an'i Italia no lohahevitra voalohany ao amin'ny lohatenin'ny fantsom-baovao Al Arabiya

@amansour87 [17]: شاب مصري بيعلق علي المباراة في الجزيرة : إيطاليا حبت تأكلنا بيتزا … أكلناها الرز !

@amansour87 [17]: Ejiptiana iray naneho hevitra momba ny lalao tao amin'ny fantsom-baovao Al Jazeera: Notadiavin'ny Italiana ny hampihinanany paty antsika, saingy nampihinanantsika vary ry zareo.

@sdorch [18]: Thank you Egypt for keeping the US “Mathematically” alive.

Mankasitraka anao Ejipta namela ANAY ho velona “ara-kajikajy”

@MhdBadi [19]: I can't forget to say Congratulation Egypt .. They won with Italy (1 Egypt) (0 Italy) Really very nice .. GO GO GO EGYPT ..With Love

@MhdBadi [19]: Tsy ho haiko ny hanadino fiarahabana an'i Ejipta… Nandresy an'i Italia ry zareo(Éjipta 1- Italia 0. Tena mahafinaritra. ALEFA, ALEFA ALEFA EJIPTA. Am-pitiavana <3