23 Jona 2018

Tantara tamin'ny 23 Jona 2018

Libanona: Tsy nahomby ny alin'ny tsy fifohana sigara

  23 Jona 2018

Ny “Ain't No Smoking 2nite” (ny alin'ny tsy fifohana sigara) dia hetsika nokarakarain'ny fikambanana Rotaract, natao tany amin'ireo toeram-pisotroana tao Gemmayze tany Beirota. Ity hetsika ity dia natao ho fanairana momba ny voka-dratsin'ny fifohana sigara sy mba handrisihana ny manampahefana amin'ny fampiroboroboana ny politikan'ny tsy fifohana sigara ao Libanona.

Jordania: Mamolavola lalàna mitaky ny tenimiafin'ireo tranonkala ny solombavambahoaka

Nodinihana sy novolavolain'ny parlemanta Jordaniana ny lalàna vaovao mifehy ny tranonkala elektronika izay mitaky amin'ireo mpitantana ny tranonkala mba hanome ny tenimiafin'ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy Fanontana pirinty. Raha toa ka mandà izany ny mpitantana, hoy ny volavolan-dalàna, dia hakaton'ireo manampahefana tompon'andraikitra ny tranonkala.

Kosta Rikà: Nandao ny antoko politikany i Andrea Morales

  23 Jona 2018

Niteraka adihevitra i Andrea Morales, solombavambahoaka avy amin'ny Antokon'ny Hetsiky ny Olom-pirenena (PAC) raha niala tamin'ny antoko politikany izy, izay nisy azy nandritra ny taona maro lasa. Maro no mihevitra fa efa nampoizina ny fialàny, ary ny hafa kosa nahatsapa fa voatery nandray izany fanapahan-kevitra izany izy.