- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Noenjehin'ilay politisiana ilay bilaogera fa nanala baraka azy

Sokajy: Malezia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny 25 Desambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Notorian'ilay mpanao politika, fantatra amin'ny fanohanany ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Malezia, ilay bilaogera sady mpanao gazety zokiolona noho ny fanalam-baraka [1].

Tohina tamin'ny lahatsoratr'ilay bilaogera A Kadir Jasin [2] tamin'ny volana Oktobra 2009 i Zaid Ibrahim, minisitry ny kabinetran'ny Praiminisitra teo aloha. Ankoatra ny fitoriany ilay bilaogera, mitaky fialan-tsiny ihany koa i Zaid .

Ny zavatra nahagaga indrindra tamin'ity tantara ity dia ny fahafantarana an’ i Zaid ny fanohanany ireo bilaogera Maleziana izay nenjehin'olona na orinasa matanjaka. Ankoatra izany,  bilaogera ihany koa i Zaid Ibrahim ary namaly [3] tamin'ny lahatsoratra “manevateva” nosoratan'i Jasin tao amin'ny bilaoginy.

Gaga [4] i Rocky's Bru fa lasa naman'ireo sangany amin'ny fanenjehana bilaogera any amin'ny fitsarana i Zaid:

Je ne comprends pas comment Zaid Ibrahim, que je décrivais alors comme un “rebelle” a pu tomber si bas.

Désormais, il a rejoint le clan de ces personnes influentes et riches qui trainent les blogueurs en justice.

A cause de cette dernière sortie, je refuse de qualifier Zaid de “rebelle”. Un rebelle est une personne unique, qui ose aller à contre-courant et qui appelle le respect -même à contrecœur- pour ses principes. .

Tsy azoko hoe nahoana no nahatonga an'i Zaid Ibrahim, izay nofaritako ho “mpikomy”, ho lasa nivari-lavo toy izany.

Ankehitriny, niditra ho isan'ireo ekipan'ny olona manampahefana sy manankarena izay manenjika ireo bilaogera any amin'ny fitsarana izy.

Noho io zava-nitranga farany io, tsy mendrika an'i Zaid intsony ny hilazako azy ho “mpikomy”. Olona miavaka sahy manohitra ny tsy mety ny mpikomy ary hajaina – na am-bava fotsiny aza – noho ny foto-keviny. .

Ao amin'ny bilaoginy, nanahy i Mat Cendana fa hanokatra ny lisitra lava momba ny fitoriana fanalàm-baràka [5] ao Malezia ity tranga ity.

Je pense que même si ce billet n'est pas flatteur pour Zaid, il n'est pas “au niveau de Zaid Ibrahim Saman” – franchement, s’ il y a un jugement pour diffamation, on verra au moins une dizaine de cas de ce genre jugés au tribunal chaque jour!

Mihevitra aho fa na dia tsy mandoka an'i Zaid aza ity lahatsoratra ity, dia “tsy mendrika ho an'i Zaid Ibrahim Saman” izany – tena marina, raha misy ny fitsarana fanalam-baraka, dia hahita tranga am-polony mitovy amin'izany isan'andro isika farafahakeliny any amin'ny fitsarana!

Nanontany tena [6] ny antony nanosika azy hanao ity fitoriana ity i Jebat :

Qui a-t-il de si négatif dans ce billet qui l'ait poussé à citer Kadir Jasin à comparaitre?

En quoi cela ressemble-t-il à de la diffamation? Zaid n'a-t-il pas écrit quelques arguments douteux au sujet de Kadir Jasin, dans son billet de réponse?

Alors quel est le contentieux ici ? Tous les partisans de Pakatan Rakyat soutiennent Zaid Ibrahim  en tout cas. Un billet négatif a été mis en ligne dans notre blogosphère, et alors ?

Les gens ne peuvent-ils donc plus écrire ce qu'ils veulent ? Depuis quand ?

Lorsque Zaid Ibrahim et tous les autres blogueurs d'opposition écrivent des quantités incroyables d'accusations injustes et de billets grossiers et diffamatoires à l'encontre de tout un chacun, c'est acceptable; mais lorsque qu'une certaine personne s'est  retrouvée face à un fantôme revenu du passé, elle est devenue véhémente et ne pouvait plus dormir sereinement.

Le comble est qu'il voudrait qu'on le considère comme un libéral, défenseur de la liberté de la presse et de la liberté d'expression.

Néanmoins, c'est son droit de poursuivre quelqu'un en justice, comme c'était le droit de Kadir Jasin d'écrire ce billet. Contrairement à certains qui se sont enfuis comme des lâches, je suis convaincu que Kadir Jasin va mettre en route toutes les actions légales nécessaires pour défendre son billet, grâce à toutes les preuves qu'il pourra trouver.

 

Inona no tena ratsy tao anatin'ity lahatsoratra ity ka nanosika azy hampiantso an'i Kadir Jasin ho any amin'ny fitsarana?

Ahoana no hiheverana izany hoe fanalam-baraka? Moa ve i Zaid tsy nanoratra fanehoan-kevitra mampiahiahy momba an'i Kadir Jasin tao amin'ny valintenin'ny lahatsorany ihany koa?

Ka inona ary ny mampifanditra ao? Manohana an'i Zaid Ibrahim ihany koa ireo mpanohana ny Pakatan Rakyat. Nisy ny lahatsoratra fanakianana navoaka antserasera tao amin'ny tontolon'ny bilaogintsika, koa maninona moa?

Tsy afaka manoratra izay tiany hosoratana intsony ve ny olona? Nanomboka oviana?

Azo ekena rehefa i Zaid Ibrahim sy ireo bilaogera rehetra mpanohitra hafa no manoratra lahatsoratra betsaka momba ny fiampangàna tsy ara-drariny sy ny lahatsoratra manevateva sy manala-baraka; Fa rehefa misy olona iray miatrika matoatoa avy any amin'ny lasa, dia manjary raiki-tahotra io olona io ka tsy mahita tory intsony.

Ny tena loza dia tiany izy heverina ho liberaly, mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana maneho hevitra.

Na izany aza, zony ny mitory olona any amin'ny fitsarana, ​​tahaka an'i Kadir Jasin izay manan-jo hanoratra ilay lahatsoratra ihany koa. Tsy toy ny sasany izay nandositra noho ny hakanosana, mino aho fa hanomboka hanao ny fomba rehetra hiarovana ny lahatsorany araka ny lalàna i Kadir Jasin, noho ny porofo rehetra hitany.

Diso fanantenana ny mpanoratra ny bilaogy bigdogdotcom fa nanararaotra ity raharaha ity [7] i Zaid mba hahazoany vahana aa-politika sy amin'ny fampahalalam-baovao:

Les intentions finales de Zaid ne sont pas très claires. Visiblement, depuis qu'il a rejoint le parti PKR, Zaid a été contaminé durement par le ‘syndrome de la plainte’, dont seul avant lui, a souffert l'”Ancien-Manipulateur-du-Pouvoir” Anwar “Mat King Leather” Ibrahim.

Désormais, Zaid est aussi atteint par un manque d'attentionite aigüe.

Jusqu'où va aller Zaid avec cette situation ? Apparemment, il avait besoin de tout ce cirque médiatico-judiciaire pour “justifier” le fait de rester au premier plan.

Tsy mazava loatra ny tena fikasan'i Zaid. Hita miharihary, hatramin'ny nidirany tao amin'ny antoko PKR, fa lasa nifindran'ny aretin'ny ‘fitoriana’ i Zaid, izay tsy nisy afa-tsy ilay  “Mpanararao-pahefana teo aloha” Anwar “Mat King Leather” Ibrahim ihany no tratran'izany.

Lasa mijaly noho ity aretin'ity ihany koa i Zaid ankehitriny.

Hatraiza no tian'i Zaid ahatongavana amin'ity raharaha ity? Toa hita fa nilainy ny fampitam-baovao sy io dingana ara-pitsarana io mba “hanamarinany” ny fanasongadinany ny tenany.