- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Qatar: Adihevitra momba ny fametraham-pialan'ny filohan'ny foiben'ny fahalalahan'ny media

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Katara, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Noho ny fifandonana tamin'ny governemantan'i Qatar, niala tao amin'ny Foiben'ny Fahalalahan'ny Media ao Doha [1] i Robert Ménard sy ny ekipany.

“Nahasempotra ny foiben-toerana, tsy manana fahalalahana na fitaovana ahafahana manao ny asanay intsony izahay”, hoy i Ménard, tale jeneralin'ny foibe sady mpanorina ny “Reporters Without Borders”. Nanambara ny fametraham-pialany [2]tamin'ny Talata izy sy ny telo hafa – ny tompon'andraikitry ny fanampiana, ny fikarohana ary ny fifandraisana.

Na dia hanohy hiasa aza ny fikambanana vaovao, izay nisokatra tamin'ny Oktobra 2008, naneho ny fisalasalany momba ny fahafahany hiasa ireo bilaogeran'i Doha sasany. Qatari iray K Saleh [3] nanoratra hoe:

The Doha Media Freedom Centre will continue to exist. However it'll just be a shell. A heart without a soul. A head without a mind. What a pity.

Hanohy ny fisiany hatrany ny Foiben'ny Fahalalahan'ny media ao Doha. Na izany aza, ho akorandriaka fotsiny izany. Loha tsy misy saina. Mahaontsa.

Ao amin'ny seha-pifanakalozan-kevitra Qatar Living [4], nahitana fahatairana sy fahagagana hatramin'ny fahafaham-po sy fanantenana ny fanehoan-kevitra momba ny fialan'i Menard.

Mpaneho hevitra britexpat nilaza hoe:

Good move. Ménard was causing friction and perhaps didn't understand the culture. I hope the centre survives and a new team is brought in to continue the work.

Fanapahan-kevitra tsara. Niteraka fahasosorana i Ménard ary angamba tsy nahatakatra momba ny kolontsaina. Manantena aho fa ho tafavoaka velona ny foibe ary hanohy ny asa ny ekipa vaovao.

Tamin'ny famoaham-baovaony, manasongadina ny tsy fahombiazan'i Qatar nankatoa ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Politika [5] i Ménard. Ity fifanarahana ity dia ahitana, ankoatra ny hafa, fifanarahana manamafy ny zon'olombelona momba ny fahalalaham-pitenenana, “tsy ijerena sisin-tany, na am-bava, an-tsoratra na pirinty, amin'ny endrika zavakanto, na amin'ny alalan'ny media hafa safinidiny.”

fubar nilaza hoe:

Raise your hands if you're surprised. Anyone?? Without Ménard here, the Advisory Council may feel free to go to town with their new media censorship laws. It always seemed a bit preachy that a country that hasn't ratified the International Covenant on Civil and Political Rights is (was??) hosting an organisation like DCMF. Very embarrassing for Sheikh Hamad [bin Khalifa al-Thani, [Qatar's emir], at any rate.

Atsangano ny tananao raha gaga ianao. Na iza na iza ?? Raha tsy misy an'i Ménard eto, mety mahatsiaro malalaka handeha any an-tanàn-dehibe miaraka amin'ny lalànan'izy ireo vaovao momba ny sivana amin'ny media ny Filankevitry ny Mpanolo-tsaina. Toa tahaka ny mitory hatrany izany fa ny firenena izay tsy nankatoa ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Politika (izany??) dia mampiantrano fikambanana toy ny DCMF. Tena mahamenatra ho an'i Sheikh Hamad [bin Khalifa al-Thani, emiran'i Qatar], na ahoana na ahoana.

Nandray anjara tamin'ny adihevitra tao amin'ny forum ihany koa ny tambajotran'ny fahitalavitra Al Jazeera, izay miorina ao Qatar ary voatsikera noho ny tsy fitaterana ny raharaham-pirenena amin'ny fomba hentitra tahaka ny ataon'izao tontolo izao, koa dia voamarika ao anatin'ny adihevitra momba ny forum.

Kwan manoratra hoe:

Such independent agencies are too early to take root in the region which is yet to turn fully democratic. Some may say Al Jazeera is here. But how much of Al Jazeera time is given to ‘Qatar’ compared to the kind of discussions they have on world political and social issues?

Haingana loatra ireo sampam-baovao tsy miankina tahaka izany mba hiorim-paka ao amin'ny faritra izay mbola hiverina ho demaokratika feno. Mety misy ny sasany milaza fa eto Al Jazeera. Saingy fotoana manao ahoana ao amin'ny Al Jazeera no nomena an'i ‘Qatar’ raha oharina amin'ny karazana resadresaka ataony momba ny olana ara-politika sy ara-tsosialy manerantany?

Nampahatsiahy ny tanjon'ny foibe ireo mpaneho hevitra sasany, dia ny fanomezana fialofana ara-batana ho an'ireo mpanao gazety tandindonin-doza, ary koa ny fanohanana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny hetsika hafa.

Arabian73 nilaza hoe:

As a Qatari, I wish our leaders keep the centre running and get modern law secures press, and speech freedom. Things take time, but our hopes are still so high. It's not too hard to have someone understands Middle East, and Gulf culture, and keep pushing things slowly to free the press in Qatar.

Amin'ny maha Qatari ahy, iriko ireo mpitarika antsika mba hanohy ny fitantanana ny foibe ary hahazo lalàna maoderina miaro ny tontolon'ny asa sy ny fahalalahana miteny. Mila fotoana ny zava-drehetra, saingy mbola ambony ny fanantenantsika. Tsy sarotra loatra ny manana olona mahatakatra momba an'i Afovoany-Atsinanana, sy ny kolontsaina Helodrano, ary tsy mitsahatra manosika zavatra tsikelikely hanafahana ny gazety aty Qatar.

Raha hijery adihevitra bebe kokoa, tsidiho ny Qatar Living [4].