Tanzania: Fisamborana bilaogera noho ny hosoka tamin'ny sarin'ny filoham-pirenena

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2009)

Nosamborina tao Tanzania ilay bilaogera sy lazaina fa tompon'ny bilaogy, Ze Utamu (zeutamu.com).

Hatramin'ny omaly [18 Jona], mandeha ny fifanakalozan-dresaka ao amin'ny tambajotran-tserasera Tanzaniana Jamii Forum. Nandefa vaovao sy ny sarin'ilay bilaogera nosamborina ny Swahili Time androany. Malecela Peter Lusinde, 39 taona, mpanolo-tsaina momba ny kajimirindra avy any amin'ny faritra Essex, Fanjakana Mitambatra izany.

Araka ny vaovao nalefan'ny Swahili Times [toa tsy hita intsony ny vaovao], nahangona vaovao ampy ny polisy Tanzaniana miara-miasa amin'ireo namany Britanika fa i Lusinde tokoa no tompon'ny bilaogy Ze Utamu, nakatona tamin'ny febroary teo. Niseho ity fanakatonana ity taorian'ny famoahana sary namboamboarina izay mampiseho ny filoha Tanzaniana Jakaya Kikwete amin'ny sary mamoafady.

Eo amin'ny lafiny lalàna, tsy mbola mazava tsara io fisamborana io. Tsy mamela ny zom-pirenena roa i Tanzania ary raha mizaka ny zom-pirenen'i Fanjakana Mitambatra i Lusinde, tsy mbola fantatra tsara izay lalàna hifehy ny fisamborana azy. Hoy ny kaontin'ny Swahili Times hoe:

Habari zilizothibitishwa zinadai kuwa Ndg Malecela amerudishwa Tanzania kwenda kujibu tuhuma mbalimbali za kuendesha mtandao uliokuwa unadhalilisha watu,kuna malalamiko 6850 yaliyoandikishwa kulaumu udhalilishwaji wa watu uliofanywa na mtandao huo […]

Haijaeleweka wazi Ndg Malecela atashitakiwa kwa sheria gani? Lakini ni wazi kwamba atashitakiwa Nchini Tanzania.Licha ya Ndg. Malecela Polisi wa Upelelezi wamezungumza na Watanzania wengine wawili katika miji ya Wichita na San Diego Nchini Marekani,ambao pia wanahusishwa na Mtandao huo wa Ze Utamu.

Araka ny vaovao voamarina, naverina tany Tanzania i Ndg Malecela mba hatao fanadihadiana momba ny fitantanana tranonkala lazaina fa manala-baraka sy mahamenatra, fitarainana 6850 no voaray momba ity tranonkala ity […]
Mbola tsy fantatra hatramin'izao hoe lalàna inona no hitsaràna an'i Ndg Malecela. Ankoatra izany, nanadihady Tanzaniana roa tao Wichita sy San Diego any Etazonia ireo mpanadihady azy noho ny anjara toeran'izy ireo ao amin'ny bilaogy Ze utamu.

Ankoatra ny lafiny lalàna, manome ny heviny mikasika ny zavatra hitany ho mizàna tsindrian'ila ireo mpikambana ao amin'ny Jamii Forum. Hoy i Semilongdit:

Is utamu the biggest ever crime committed by a Tanzanian?

watu wa JF kwa double standards wanashabikia zeutamu kukamatwa na wakati watu wana loot nchi yetu wanatembea huru
wangeshirikiana na interpool kuhakikisha hela zilizokuwa duabi, jerzey na kwinginepo zinarudi TZ ingekuwa ni jambo la maana kulikoni zeutamu[…]

Ny bilaogy “utamu” ve no heloka ratsy indrindra nataona Tanzaniana iray? manao “mizana tsindriana ila” ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny Forum Jamii satria manohana ny fanakanana ny bilaogy Ze utamu, kanefa miriaria malalaka ireo mpandroba eto amin'ny firenentsika…
Tokony hiara-miasa amin'ny Interpol izy ireo mba hiantohana ny famerenana ny vola rehetra miafina any Dubai, nosy Jersey sy ny toeran-kafa ho ao Tanzania […]

Mbola ao amin'ny Forum Jamii ihany, BlueRay, izay manohana ny fanakanana, nanampy hoe:

Cet argument est léger. Une injustice n'en répare pas une autre: nous ne voulons pas que des citoyens britanniques (qu'ils soient d'origine tanzanienne ou pas) viennent nous déballer leurs nombreuses diffamations et sans cesse croissantes concernant des Tanzaniens, sans jamais les vérifier .

Le gouvernement tanzanien cherche-t-il à résoudre un faux-problème en se lançant sur cette voie plutôt que de chercher à apurer les arriérés de la dette extérieure (EPA =External Payments Arrears) du pays, bien sûr que oui. On peut aussi dire que la partie était facilement gagnée parce que le gars a laissé des traces partout autour de lui, vraiment quel consultant en informatique!! … Ce qui m'attriste le plus est qu'il a fallu que l'on mette en scène le président lui-même dans un contexte pornographique et écoeurant pour que les choses bougent.

Je m'inquiète de nos lois quasi-inexistantes concernant l'utilisation d'internet et du fait que notre capacité juridique soit limitée sous prétexte que les faits auraient été commis sur des serveurs britanniques (?) et par un sujet de la couronne britannique. Donc si le gars prend un bon avocat et que le gouvernement n'a recours a aucun moyen extra-judiciaire (c'est-à-dire si l'on ne le transfère pas, à la façon de Ghailani, dans le cadre d'une détention préventive anti-terroriste autocratique et draconienne), il pourrait bien s'en tirer à bon compte.

Maivana izany fandresen-dahatra izany. Ny tsy rariny iray tsy hahaonitra iray hafa: Tsy tianay ireo olom-pirenena britanika (na teratany Tanzaniana na tsia) hoavy hilaza fanalam-baraka marobe sy tsy tapaka ataon'izy ireo mikasika ireo Tanzaniana, tsy misy fanamarinana.

Moa ve ny governemanta Tanzaniana mikasa hamaha tsy-olana amin'ny alàlan'izany fa tsy mikasa hanala ireo trosa ivelany tsy voaefan'ny firenena, mazava ho azy fa eny. Azontsika atao ihany koa ny milaza fa mora ny fandresena satria namela marika hatraiza hatraiza manodidina azy ilay lehilahy, mpanolo-tsaina momba ny solosaina tahaka ny ahoana re izy!! … Ny mampalahelo ahy indrindra dia ny fanehoana ny filoha mihitsy ao anatin'ny resaka pôrnôgrafia sy maharikoriko mba hampandeha ny zavatra.

Manahy momba ny tsy fisian'ny lalànantsika mifehy ny fampiasana ny aterineto aho ary koa ny zava-misy fa voafetra ny fahafahantsika  ara-pitsarana satria tamin'ny lohamilina Britanika (?) sy avy amin'ny olona britanika ny nanao azy. Noho izany raha maka mpisolovava mahay tsara ilay lehilahy ary tsy mampiasa fitaovana ivelan'ny fitsarana ny governemanta (izany hoe tsy mamindra azy, tahaka ny fomban'i Ghailani, ao anatin'ny fanagadrana vonjimaika manohitra ny fampihorohoroana jadona sy henjana), dia ho afaka madiodio izy.

* Tsy nanamarina ny vaovao navoaka tao amin'ny bilaogy resahana ao amin'ity lahatsoratra ity ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.