- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanentanana CCTV mamely ny Google.cn

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 18 Jona, namoaka tatitra iray tao amin'ny pejiny voalohany izay miampanga ny Google.cn amin'ny fampielezana votoaty vetaveta ny Foibe Fitaterana momba izay Vaovao Tsy manara-dalàna amin'ny Aterineto ao Shina  [1] (CIIRC) [1].

Hoy ny tatitra, mitondra ny lohateny hoe “Manameloka mafy ny google noho ny fanapariahana vaovao tsy mendrika sy maloto”:

互联网违法和不良信息举报中心近日根据公众举报并经核查,“谷歌中国”网站(google.cn)大量传播淫秽色情和低俗信息,严重违反国家有关法律法规,违背社会公德,损害公众利益。

Vao haingana ny CIIRC no naharay sy nanamarina ny fitarainan'ny vahoaka manoloana ny google.cn noho ny fanaparitahana vaovao vetaveta sy baranahina. Manitsakitsaka ny fitsipika tsara petraky ny governemanta ny fihetsika toy izany. Ankoatra izany, mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena imasom-bahoaka sy ny fahalianan'ny fiarahamonina izany.

Naorina tamin'ny 10 jona 2004, tohanan'ny Fiarahamonin'ny aterineto ao Shina sy tohanan'ny Minisiteran'ny Indostrian'ny Fampahalalam-baovao, ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka, ary ny Biraom-baovaon'ny Filankevi-panjakana ao amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina ny (CIIRC).

Vetivety dia nanasongadina ny fanamarihan'ny CIIRC ny CCTV tamin'ny vaovao hariva ary nanohy ny tantara tao amin'ny “resadresaka ifantohana”. Nahasarika fanehoan-kevitra samihafa avy amin'ny mpampianatra, ray aman-dreny, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo sy tanora manam-pahaizana manohitra ny google.cn ny famoahana ny vaovao

Fizarana Voalohany

Fizarana Faharoa

Jason Ng avy any Kenengba nandika ny tafatafan'ny mpianatry ny anjerimanontolo [2] ao amin'ny fizarana faharoa amin'ny tantarany momba ny fanadihadiana ny tetikady fampielezan-kevitry ny CCTV:

我觉得黄色、淫秽信息在网上的毒害特别大,特别是经过像Google的链接,那种毒害特别大。

就我一个同学吧,他以前就是青少年比较好奇这些东西,他就去点那些黄色网站什么的。然后就搞到那段时间心神不宁,然后后来国家打击黄色网站了,他就没上,那段时间就好了。结果后来他又发现通过Google这些用户比较多的搜索引擎可以打开这些网址,然后又进入了这些黄色网站,Google里面的链接特别多,然后就导致他又反复了。

Ny fahatsapako dia manapoizina tanteraka ny fampahalalam-baovao vetaveta ao amin'ny aterineto, indrindra fa amin'ny alàlan'ny rohy google.cn, mety mbola hihamafy ny vokany manapoizina.

Ohatra, manana mpiara-mianatra aho. Toy ny tanora hafa rehetra izy, tena liana amin'ny zavatra toy izany. Noho izany dia nitsidika tranonkala vetaveta izy ary very saina tao. Taorian'izay dia nanadio ny tranonkala vetaveta ny governemanta ka tsy afaka nitsidika izany intsony izy. Nihatsara kokoa izy avy eo. Na izany aza, nahita izy avy eo fa afaka manokatra karazana tranonkala indray amin'ny alàlan'ny milina fikarohana Google.cn. Manana karazana rohy be dia be ny Google.cn. Niharatsy indray ny momba azy avy eo.

Vaovao farany (19 Jona 3:31 hariva): nilaza ny vaovao farany [3] avy amin'ny twitter fa mpikambana ao amin'ny CCTV ilay mpianatry ny oniversite Gao Ye. Tao amin'ny rindrin'ny Xiaonei (endrika Facebook Shinoa), nikarajia tamin'ny ekipa mpanao gazety izy. Amin'izao fotoana izao satria fantatra ny momba azy, nanomboka nanaisotra ny zavatra nosoratany izy. Ity ambany ity ny pikantsary tamin'ny resadresaka talohan'ny namafana azy:

gaoye

Nanamarika ihany koa i Jason fa niezaka ny hampiroborobo ny “Tohodrano Maitso” ny CCTV taorian'ny fanakianana rehetra tamin'ny rindrambaiko. Ity ny fanazavany:

要打破各界的舆论质疑,最好的方法不是去封锁这些报道,而是制造另一种报道。…在短时间内如何营造出互联网确实是危险重重、低俗满布、未成年人成长艰难呢?编辑们绞尽脑汁,终于想到了搜索引擎。

因为只针对某一个或几个网站出现低俗内容,那是没有说服力的。搜索引擎就不同了,搜索引擎是互联网的入口之一,有了它,网民可以找到几乎任何信息。

但是,由于百度春晚的时候已经交了4000万的保护费,不能再拿百度开刀了,于是很自然地就想到了拿Google开刀

Ho fanoherana ny tsikera rehetra, ny fomba tsara indrindra dia tsy ny fanakanana ny tatitra sy ny fampahalalam-baovao rehetra, fa mamorona karazana tatitra hafa … Ahoana no ahafahana mamorona tontolo satria feno loza, vetaveta ao anatin'ny fotoana fohy toy izany ny aterineto? Nanapa-kevitra ihany nony farany ny tonian-dahatsoratra mba hamaritra ny milina fikarohana.

Raha toa ka mikendry tranonkala marobe izy ireo, dia tsy haharesy lahatra. Tsy mitovy ny milina fikarohana, fidirana amin'ny aterineto izany ary afaka mahazo izay tadiaviny amin'ny alalan'ny milinia fikarohana ny mpiserasera.

Na dia izany aza, efa nandoa saram-piarovana 40 tapitrisa (fifanarahana amin'ny dokambarotra) tamin'ny CCTV ny Baidu , tsy afaka mamaritra azy intsony izy ireo. Noho izany, lasa lasibatra ny google.cn.

Bilaogera iray hafa, lyngle, nanipika ihany koa fa tsy ara-drariny ny nataon'ny CCTV tamin'ny google.cn ary nampitaha ny valin'ny fikarohana sary teo amin'ny google.cn sy ny baidu.com amin'ny fikarohana ny”mm” (manondro ny hoe tovovavy) izy [4]. Ireto ambany ireto ny pikantsarin'ny fikarohany:

Valin'ny karoka sary “mm” tao amin'ny Google.cn googlemm

Valin'ny karoka sary “mm” tao amin'ny Baidu.com baidumm

Ao amin'ny twitter, maro ireo sioka milaza fa nanome torolàlana ho an'ireo tranonkala vavahadin-tserasera lehibe ny sampandraharahan'ny fampielezan-kevitra mba hampiroborobo ny vaovao ao amin'ny pejy voalohany. Misy ihany koa ny fanombantombanana fa fitaovana hanapariahana sivana ny fanoherana ny baranahiny:

huyong [5] CCTV fuck Google 再次证明,反低俗是手段,搞审查是目的。

Nampiseho ny fihetsiky ny CCTV tamin'ny Google fa fitaovana ho an'ny sivana ny fanoherana ny baranahiny.

wenyunchao [6] 这轮批判谷歌最直接的目的看来是当局不想让谷歌推出可用SSL方式访问的Search服务。

Angamba tsy te-hahita ny google.cn manolotra tolotra SSL ho an'ny milina fikarohany intsony ny governemanta.