- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 19 jona 2009)
dinh [1]Nosamborin'ny [2] polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam tao an-tanànan'i Ho Chi Minh tamin'ny faran'ny herinandro noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.

Ampangaina amin'ny fanitsakitsahana ny andininy faha-88 amin'ny fehezan-dalana vietnamiana iadiana amin'ny heloka bevava izay mandrara ny propangandy amelezana ny Fitondrana i Dinh. Iampangana an'i Dinh ny “firaisana tsikombakomba amin'ireo mpanohariana avy ao an-toerana sy avy any ivelany isomparana ny fanjakana vietnamiana.” Raha meloka amin'izany i Dinh dia mety higadra 3 ka hatramin'ny 20 taona arakaraka ny halalin'ny heloka.

Fa iza moa i  Le Cong Dinh? Indro ny soritsoritra [3] ahafantarana ity mpanandra-teny amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ity:

(Dinh), who has a law degree from the US’s Tulane University, was close to several of the dissidents who formed a pro-democracy movement in 2006 known as Bloc 8406. He served as a defense lawyer at the trial of human rights lawyers Nguyen Van Dai and Le Thi Cong Nhan in May 2007, where they were sentenced to prison for “disseminating propaganda that was harmful to the State.”

(Dinh), izay manana ny diplaoman'ny lalàna avy ao amin'ny oniversiten'i Tulane, Etazonia, dia akaikin'ireo mpisintaka ara-kevitra maro ao anatin'ny hetsika mpanohana ny demaokrasia niforona tamin'ny taona 2006, fantatra amin'ny anarana Bloc 8406. Izy no mpisolovavan'ny fiarovana tamin'ny fitsarana ireo mpisolovavan'ny zon'olombelona Nguyen Van Dai sy Le Thi Cong Nhan tamin'ny volana mey 2007, izay nanamelohana ny voampanga higadra noho ny “fampielezana hevitra manimba ny Fanjakana”.

Notsikerain'i Amnesty International ny [4] ny governemanta vietnamiana ho manampina ny fahalalaham-pitenenana:

“The arrest appears to be yet another indication of Viet Nam's determination to stifle freedom of expression, and silence anyone who criticizes the government or holds different views.”

Ny fisamborana dia marika vaovao amin'ny fahavononan'i Vietnam hanampina ny fahalalaham-pitenenana,  sy hampangina izay rehetra mitsikera ny governemanta na mamoaka hevitra hafa ankoatra ny an-dry zareo.

Amnesty International fa farafahakeliny 30 ny mpisintaka ara-kevitra nodidiana higadra fotoana maharitra hatramin'ny taona 2006 noho ny fandraisany anjara amin'ny hetsika pro-demaokrasia sy fiarovana ny zon'olombelona.

Southeast Asian Press Alliance nanadihady ny fidiran'ny [5] politika amin'ny fisamborana an'i Dinh :

Given his reputation and experience as a defender of other writers and advocates of human rights and democracy in Vietnam, Mr. Dinh's arrest is a simultaneous attack on two sectors vital to democratic reform in Vietnam or any society. It sends a chilling message not only to other writers and citizens who peacefully advocate for change, but also to those in the legal community who would defend the Vietnamese people's right to free expression.

Raha jerena amin'ny laza sy ny traikefany amin'ny fiarovana ny mpanoratra sy mpanandratenin'ny zon'olombelona sy ny demaokrasia azy ao Vietnam, dia fanafihana indray mipoaka miantefa amin'ny sehatra roa iankinan'ny ain-dehiben'ny fanavaozana demaokratika na amin'ny fiarahamonina ny fisamborana an'Atoa Dinh. Mandefa hafatra masiaka izy tsy amin'ireo mpanoratra sy olompirenena manandra-teny am-pilaminana ho amin'ny fiovana ihany, fa ho an'ireo fiarahamonina ara-pitsarana izay te-hiaro ny vahoaka vietnamiana amin'ny zony hiteny malalaka.

Nolazaina fa niaiky heloka [6] tamin'ny manampahefana tamin'ny fandraisana anjara tamin'ireo hetsika manitsakitsaka ny lalàna vietnamiana i Dinh. Nolazaina fa nangataka ny famindrampon'ny fanjakana izy, araka ny nolazain'ilay mpitati-baovao ihany.

Misy ny fanangona-tsonia an-tserasera [7] mandrisika an'i Vietnam hamotsotra avy hatrany an'i Dinh “satria fanapoahana ny demaokrasia sy ny zon'olombelona ny fisamborana azy.” Mandrisika ny rehetra ihany koa ny fanentanana hanoratra sy handefa taratasy amin'ny masoivoho Vietnamiana [8] manerana izao tontolo izao ho fanohanana an'i Dinh.

Natsangana ihany koa ny bilaogy Free Le Cong Dinh [9] [Avotsory i Le Cong Dinh] mba hanome ny vaovao farany indrindra momba ny raharaha Dinh.