- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Reformista sady bilaogera mpikatroka voasambotra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

abtahiSatria mbola manohy ny fihetsiketsehan'izy ireo manerana an'i Iran ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanohitra ny voka-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 Jiona, nisambotra [1] mpikatroka an-jatony ny manampahefana Iraniana, ka anisan'izany ireo bilaogera.

Nosamborina tamin'ny Talata teo i Mohammad Ali Abtahi [2], filoha lefitra reformista teo aloha sady mpanolo-tsaina an'i Mehdi Karoubi [3], kandidà reformista. Fanaon'i Abtahi ny nanavao ny bilaoginy isan'andro nandritra ny taona maro ary mizara ny heviny momba ny lohahevitra samihafa, anisan'izany ireo olana mahakasika an'i Iran.

Ity ny lahatsoratra farany navoakan'ny [4] namany tao amin'ny bilaoginy amin'ny fiteny roa, Webneveshteha:

Mr. Abtahi arrested
Mohammad Ali Abtahi,former vice president during Mr. Khatami's presidency and the advisor to Mr. Karroubi in the presidential election had been arrested today (Tuesday). Whenever he gets released, he will write here on his website

Voasambotra Atoa. Abtahi
Nosamborina androany (Talata) i Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitra teo aloha nandritra ny fitondran'Atoa Khatami sy ny mpanolo-tsainan'Atoa. Karroubi tamin'ny fifidianana filoham-pirenena. Raha vao tafavoaka izy, dia hanoratra eto amin'ny tranonkalany

Tamin'ny iray tamin'ireo lahatsorany farany, [5] niantso ny fifidianana ho “fisolokiana miharihary” izy:

I analyzed the obvious cheating. It was a huge swindling. Election was planned so wisely. From one hand it made a new record of voting as it broke the previous record of Mr. Khatami who had gained more votes in second term of his presidential election and Mr. Ahmadi Nejad should gain more than him. Also they would like to destroy Mr. Mosavi and his companions. Another important part of scenario was the story of Mr. Karobi's 300,000 ballots. Although Mr. Karobi had a fixed huge number of votes, they considered 300,000 votes for him avoiding others to say such democratic mottos. Meanwhile information of other towns was showing at least equal votes for Mr. Mosavi and Ahmadi Nejad.

Nanadihady ny fisolokiana miharihary aho. Fisandohana goavana izany. Nomanina tamim-pahendrena ny fifidianana. Tetsy andaniny, nandrakitra ny fandrotsaham-bato be indrindra tamin'ny fifidianana izy raha nanamontsana ny azon'Atoa Khatami, ny tsara indrindra teo aloha izay nahazo vato marobe tamin'ny fotoam-piasany faharoa tamin'ny fifidianana azy ho filoham-pirenena ary tokony hahazo vato mihoatra noho izany Atoa Ahmadi Nejad. Ary te-hanimba an'Atoa. Mosavi sy ireo mpiara-dia aminy ihany koa izy ireo. Ampahany goavana hafa amin'ny zava-misy ny tantara momba ireo vatom-pifidianana 300.000 an'Atoa. Karobi. Na dia nahazo vato marobe tsy nihetsika aza Atoa. Karobi, noraisin'izy ireo ny vato 300.000 ho azy mba hanakanana ny hafa hilaza teny filamatra demaokratika tahaka izany. Mandritra izany, farafaraharatsiny nampiseho vato mitovy ho an'i Atoa. Mosavi sy Ahmadi Nejad ny vaovaon'ny tanàn-dehibe hafa.

Voasambotra ihany koa i Somayeh Tohidloo, bilaogera vehivavy reformista. Satria mitombo ny fihetsiketsehana manohitra ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana, manohy misambotra ireo mpikatroka ara-politika ny manampahefana Iraniana. Vao haingana izy sy bilaogera maromaro no nikarakara tafatafa momba ny aterineto  [6]niarahana tamin'ny filoha teo aloha Mohammad Khatami.

Toa tsy azo nidirana intsony ny bilaoginy [7].

Mojtaba Saminejad, bilaogera monina ao Iran sady mpikatroka ny zon'olombelona, mampahafantatra [8] antsika momba ireo bilaogera maro hafa voasambotra.

Nilaza i Saminejad fa samy nogadraina avokoa i Shiva Nazar Ahari [9]: bilaogera vehivavy sady mpikatroka ny zon'olombelona; Mehesa Amarabadi: bilaogera vehivavy sady mpanao gazety; Karim Argandehpour [10]: bilaogera sady mpanao gazety malaza ary i Amad Baharvar [11].

Tsy misy ny vaovao momba ny fiampangana ireo bilaogera ireo hatramin'izao.