Libanona: Ny tetikasa Daily Star tsara kokoa

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary taona 2010)

“Tianay ianao, tianay hiakanjo tsara fotsiny ianao …”, no fomba nampahafantaran'ilay Bilaogera/Mpamoron-tsary Libaney Mustapha (na Beirut Spring) ny tetikasa. Miresaka momba ny Daily Star (famoahana an-tserasera), iray amin'ireo loharanom-baovao lehibe amin'ny tranonkalam-baovao Libaney sy ao amin'ny faritra.

Sorena tamin'ny endriky ny tranonkala amin'izao fotoana izao, nanapa-kevitra hanova ny tranonkalan'izy ireo izy ary izy ihany no hanisy sary lasitra (miaraka amin'ny tahiry tena izy) amin'ny fampiasana ny CMSWordPress” malaza. Hoy izy:

Isn't their website quite the eyesore?
I live abroad. I don't have access to the printed edition. All I have is the website, and man reading that thing makes me feel like my eyes have been wearing tight shoes all day.

So I figured I'll try to do something about it. I have a background in web design and I dabbled a bit in journalism. I'm very motivated, so i was like screw it: i'm doing this.

Tsy mampatahotra ny maso ve ny tranonkalan'izy ireo?
Monina any ivelany aho. Tsy mahazo miditra amin'ny fanontana printy aho. Ny tranonkala ihany no ananako, ary ny olona mamaky io zavatra io no mahatonga ahy hahatsapa fa manao kiraro tery foana ny masoko mandritra tontolo andro.

Ka nihevitra aho fa hiezaka hanao zavatra momba izany. Manana fahaizana momba ny fanomezana endrika tranonkala aho ary somary liana amin'ny asa fanaovan-gazety. Tena mazoto aho, ka toy ny nisikotra: eo am-panaovana azy aho.

Tahaka izao ny pejy fandraisana ofisialy amin'izao fotoana izao:

How the Current/Official Daily Star Homepage Looks like

Tahaka izao ny pejy fandraisana ankehitriny/ofisialy ao amin'ny Daily Star How the Current/Official Daily Star Homepage Looks like

Ary ity ny sary vaovao sy ny fahafahana hanatsara ny pejy fandraisana:

The Daily Star Project Redesign by Beirut Spring

Ny Tetikasa Daily Star Navaozin'nyt Beirut SpringThe Daily Star Project Redesign by Beirut Spring

Manazava ny antony ao ambadik'izany ao amin'ny pejy FAQ ny tetikasa ihany koa izy.

Ary tsy hevitry Beirut Spring ihany izany; Miombon-kevitra ny tontolon'ny bilaogy Libaney ary manohana ny hevitra ihany koa. Bilaogera Libaney Beirut Spring manohana ny fanavaozana. Hoy izy:

The Beirut Daily Star newspaper has one of the worst websites I’ve ever seen. It is slow, clunky, and hideously ugly. The navigation is awful and it crashes browsers on a regular basis.

Iray tamin'ireo tranonkala ratsy indrindra hitako hatramin'izay ny gazetin'i Beirota Daily Star. Miadana, tsy malina, ary ratsy tarehy be izy. Mahatsiravina ny miditra aminy ary manimba fitety (navigateur) matetika izy.

Nankafizin'i Richard Hall, tonian-dahatsoratra iraisam-pirenena ao amin'ny Daily Star, Beirota, ilay hevitra ary nanentana ireo mpamaky izy mba hifandray amin'ireo tonian-dahatsoratra raha mahita ihany koa izy ireo fa sarotra tetezina ny fanavaozana ankehitriny. Hoy izy:

If anyone who reads my blog also reads The Daily Star and, like me, finds the website about as easy to navigate as 1920’s Russian steam boat, feel free to email the editor.

Raha misy olona mamaky ny blaogiko ka mamaky ny Daily Star koa ary, tahaka ahy, mahita ny tranonkala ho mora tetezina tahaka ny sambo Rosiana mandeha etona tamin'ny taona 1920, aza misalasala mandefa mailaka any amin'ny tonian-dahatsoratra.

Rami, ao amin'ny blaoginy +961, nankasitraka ny hetsik'i Mustapha ihany koa tamin'ny fitantanana manokana ny raharaha. Hoy izy:

What to do when you’re just fed up waiting for something to happen? Best thing is to take matters into your own hands!

Inona no tokony atao rehefa leo miandry zavatra hitranga ianao? Ny zavatra tsara indrindra dia ny mandray an-tanana manokana ny raharaha!

Lasa nalaza tao amin'ny tontolon'ny Twitter ihany koa ny tetikasa. Nanohana ny tetikasa ny “tweeples” Libaney. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra:

@azzi:

@Beirutspring I liked #BDSP Better Daily Star so much better than actual state of the official website that I created http://bit.ly/betterds

@Beirutspring Tiako kokoa ny #BDSP Daily Star Tsara kokoa noho ny tena endriky ny tranonkala ofisialy izay noforoniko http://bit.ly/betterds

@rallaf:

@Beirutspring I just saw your Better Daily Star project, it is excellent, bravo! Might start reading bits again if they follow your lead!

@Beirutspring Vao avy nahita ny tetikasanao Daily Star Tsara kokoa aho, mahafinaritra izany, arahabaina! Angamba hanomboka hamaky kely indray raha manaraka ny dianao izy ireo!

@sdarine:

LOVE @Beirutspring‘s #BDSP initiative !!!!

TIAKO ny tetikasa #BDSP an'i @Beirutspring !!!!

Raha mila fanazavana fanampiny sy hanaraka ny fivoaran'ny tetikasa, tsidiho ny bilaogin'ny tetikasa ary/na araho ny tenirohy twitter  #BDSP(Better Daily Star Project na Tetikasa Daily Star Tsara Kokoa)

Tato amin'ny Global Voices ihany koa:

Libaney: Manosika ny Fanavaozana ny Daily Star ny bilaogera

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.