- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampitambatra ny vehivavy hanohitra ny fihetsika fanambatiana vehivavy ataon'ny filohan'i Filipina Rodrigo Duterte ny fanentanana #BabaeAko

Sokajy: Filipina, Korea Atsimo, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta
[1]

Vehivavy manao diabe manohitra ny fanambarana mpanambany vehivavy sy mankahala vehivavy nataon'ny filoha Filipiana, Rodrigo Duterte. #BabaeAko Lumalaban dia midika hoe ‘Vehivavy miady aho’. Sary avy amin'i Pinoy Weekly 

Nanangana ny fanentanana #BabaeAko (vehivavy aho) manohitra ny fanamarihana sy ny fitondran-tenan'ny filoha Rodrigo Duterte “mankahala vehivavy” ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy ao Filipina.

Vao haingana ny fanentanana no nanetsiketsika fanohanana amin'ny media sosialy rehefa voatsikera ho nanoroka  [2]vehivavy manambady teo amin'ny molotra tao anatin'ny horakorak'ireo mpanohana azy nandritra ny lanonam-panjakana tao Seoul, Korea Atsimo tamin'ny 3 Jona 2018 i Duterte..

Mandrisika ny vehivavy handefa hafatra amin'ny lahatsary miresaka amin'i Duterte, arahin'ny fianianana hoe “lalaban ako” (hiady aho) ny lafiny iray amin'ny fanentanana .

Nanamarina [3] “fisian'ny horoka” ho toy ny “fotoana fohy” izay “ekena eo amin'ny kolontsaina Filipiana” ireo mpitondratenin'ny governemanta raha nirehareha [4] i Duterte tenany hoe “nankafizinay izany” ary “mialona fotsiny” ireo mpitsikera. Ho an'ireo mpitsikera azy, kosa,  ny zava-nitranga dia nampiseho miharihary ny fomba fijerin'i Duterte momba ny vehivavy ho toy ny zavatra ho an'ny faniriana sy fialamboly fotsiny.

[5]

Pikantsary tamin'ny fitantaran'ny fampahalalam-baovao eo an-toerana, Rappler momba ny orok'i Duterte tamin'ny vehivavy mpanohana azy nandritra ny lanonam-panjakana tao Korea Atsimo.

Natomboka tamin'ny 20 May 2018 ny fanentanana media sosialy #BabaeAko, fotoana fohy taorian'ny fanambaran’ [6]i Duterte fa tsy tokony ho vehivavy ny mpanelanelana eo amin'ny fanjakana sy ny vahoaka amin'ny manaraka. Nanozona [7] ny iraka manokan'ny Firenena Mikambana, Agnes Callamard izy, nampiditra am-ponja ny lehiben'ny mpanohitra Leila de Lima, ary nandroaka ny lehiben'ny fitsarana Lourdes Sereno tao amin'ny birao, ankoatra ny hafa.

Callamard, De Lima, ary Sereno dia samy mpitsikera ny ady mihoso-drà nataon'i Duterte tamin'ny zava-mahadomelina izay, araka ny vinavina sasany, efa namono olona 20.000 mahery.

Malaza amin'ny fanaovana vazivazy momba ny fanolanana  [8]amin'ny lahateniny ofisialy i Duterte, nanakora [9] vehivavy mpanangom-baovao iray nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, ary nandidy [10] ny tafika mba hitifitra ireo vehivavy kômônista mpikomy eo amin'ny fivaviany mihitsy aza.

Ireto ambany ireto ny hafatra #BabaeAko sasany tao amin'ny Facebook. Avy amin'ny solontenan'ny Antokon'ny Vehivavy Gabriela ao amin'ny Kongresy, Arlene Brosas ity [11]:

Babae ako, Arlene Brosas, kinatawan ng Gabriela Women's Party sa Konggreso. Tutol ako sa macho, pasista, pyudal, patriarkal na kultura ng administrasyong Duterte. Lalaban ako.

Vehivavy aho, Arlene Brosas, solontenan'ny Antokon'ny Vehivavy Gabriela ao amin'ny Kongresy. Manohitra ny fanambaniana vehivavy, ny fasista, ny fanjakazakan-dehilahy sy ny kolontsaina feodaly ataon'ny fitondrana Duterte aho. Hiady mafy aho.

Ity kosa dia avy amin'ny lahatsarin'i [12] Judy Taguiwalo, profesora ao amin'ny oniversite sady mpikambana ao amin'ny kabinetra teo aloha, ary lasa mpanakiana mafy ny fitondrana Duterte:

Babae ako, Judy Taguiwalo, patriotic teacher. Akala ang taumbayan ang boss ni Duterte, yun pala sila Marcos, Gloria, Trump, at Tsina. Para sa bayang malaya at makatarungan, lalaban ako.

Vehivavy aho, Judy Taguiwalo, mpampianatra tia tanindrazana. Nihevitra aho fa manompo ny vahoaka Filipiana i Duterte. Hita anefa fa nitovy tamin'ny [mpanao didy jadona tao Filipina, Ferdinand] Marcos [13], ny [filohan'i Filipina teo aloha] Gloria [Arroyo] [14], ny [Filohan'i Etazonia] Trump sy Shina izy. Ho an'ity firenena marina sy malalaka ity, dia hiady mafy aho.

Ny rakitsoratra manaraka dia lahatsary  [15]avy amin'ilay mpilalao horonantsary sady mpikatroka Mae Paner, fantatra kokoa amin'ny hoe Juana Change:

Babae ako. Ako si Juana Change, isang makabayang artista. Sa pamamagitan ng aking sining ay patuloy kong ipaglaban ang katotohanan, katwiran, katarangan, at kalayaan sa lubos ng aking makakaya. Magtutuos tayo. Lalaban ako.

Vehivavy aho, Juana Change, mpanakanto tia tanindrazana. Amin'ny alàlan'ny zava-kantoko, hanohy hiady ho an'ny fahamarinana sy ny hevitra, ny rariny sy ny fahafahana aho, ho an'ny tsara indrindra amin'ny fahaizako. Hifanaraka isika. Hiady mafy aho.

Lahatsary [16] avy amin'ilay mpanao gazety menavazana sady mpiaro ny fahalalahan'ny gazety, Inday Varona kosa ity:

Babae ako, si Inday Espina Varona, isang lola. [I am a woman, Inday Varona, a grandmother.] I will not allow my grandchildren to grow up in a world without due process, where a President thinks of death and murder as the solution to social problems. Kaya lalaban ako. [Thus I will fight back.]

Babae ako, si Inday Espina Varona, isang lola. [Vehivavy aho, Inday Varona, renibe.] Tsy hamela ny zafikeliko hitombo ao anatin'ny tontolo tsy misy fepetra araka ny tokony izy aho, izay ahitana filoha mihevitra fahafatesana sy  vono olona ho vahaolana amin'ny olana ara-tsosialy. Kaya lalaban ako. [Noho izany dia hiady aho.]

Ireto hafatra #BabaeAko sasany tao amin'ny Twitter:

Rehefa tsy manana afa-tsy ny filoham-pirenena tsy miraharaha ny fanolanana sy manao vazivazy momba ny fanorisorenana ara-nofo ianao. Avelao ny olona rehetra, tsy ny vehivavy ihany mba hiloa-bava sy ho re ny #BabaeAko [17]

Mampiholana ny vavoniko ny mahita ny Filohan'i Filipina nanoroka vehivavy Filipiana teo amin'ny molotra tao Korea Atsimo.

Manararaotra hatrany ny heriny amin'ny vehivavy, ny mahantra ary ny hafa izay heveriny fa afaka ampiasainy fahefana i Duterte.

Ry vehivavy, tohero! Henatra ho an'ity filoha ity! #BabaeAko [17]#LumalabanAko [20]

Taona 2018 izao. Afaka miverina amin'ny taon-jato farany izay mbola mihevitra fa mahatonga ny hafa ho tsy dia mahay, matanjaka, ary be herim-po noho ny lehilahy ny vehivavy – ka mijanòna ao. #BabaeAko [17]

Tsy matahotra an'i Duterte ny vehivavy. I Duterte no matahotra vehivavy. Izany no hafatry ny #BabaeAko [17]

Renim-pianakaviana, mpampianatra, Filipiana aho. Manameloka an'i Duterte aho noho izy mpankahala vehivavy sy milaza fa “azo ekena” ny fankahalana sy ny fanafihana vehivavy. Mpanao didy jadona maloto vava, mahaivava izy. Mendrika ny tsara kokoa ny zanako, izaho sy ity firenena ity. Hiady aho.

Nisalasala izy tamin'ny voalohany, saingy lehilahy matanjaka izy ary nanosika azy tamin'izany (horoka) ireo vahoaka nihorakoraka azy. Tsy mahatonga ny hetsika ho marina ny mety ho “fanekeny” .

Setrasetran-dehilahy manapoizina izany. Avelao ny fijerin'ny lehilahy. Tsy bodo [babo] ny vehivavy. Aza manaiky ny fampijaliana anao manokana.

Ho setrin'izany [29], namaly ny fanentanana #BabaeAko ireo manampahefana ao amin'ny Lapan'i Malacañan (trano fonenana ofisialin'ny filoha), nilaza fa “misy ambadika politika fotsiny” manohitra ny filoha izany. Nampanantena hametra-pialàna [30]avy eo i Duterte raha “vehivavy marobe” no manohitra ny oroka nataony mampiady hevitra. Natao tamin'ny Fetin'ny Fahaleovantenan'i Filipina, 12 Jiona, tao amin'ireo tanàna lehibe ao amin'ny firenena ny fihetsiketsehana [31] #BabaeAko.