- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nepal: Mbola tsy manana mpitarika

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Aogositra 2010)

Iray volana mahery taorian'ny fametraham-pialan'ny praiminisitra Madhav Kumar Nepal, mbola tsy manana mpitarika ny  Repoblika Demaokratika Federalin'i Nepal [1]. Tsy nahavita nanome mpandresy mazava ny fifidianana in'efatra mihodina, misy ny fifidianana faha-dimy ho atao amin'ny 18 aogositra 2010.

Nilaza i Animesh Roul ao amin'ny bilaogin'ny Asia Security Initiative  [2]an'ny MacArthur Foundation fa tsy antenaina hahomby ny fifidianana fahadimy.

Madhav Kumar_Nepal [3]

Madhav Kumar Nepal. Sary mpisera Flickr izahorski, lisansa CC  BY-NC-ND

“There is no sight of either a consensus PM or PM elected by the simple majority unless the major parties forge a consensus, which is very unlikely at this moment.  As rightly pointed by Madhav Kumar Nepal, there is a bleak chance in the fifth round also as the differences between competing parties are still persisting. Unfortunately, each party is trying to become winner. Now, it seems the caretaker government will continue for some more time. At this moment only two political parties can bring some kind of respite to this political deadlock in Nepal: The Communist Party of Nepal (Unified Marxist Leninist (CPN-UML) and the United Democratic Madhesi Front, an alliance of four Madhes based parties. Although Madhesi are willing to vote for Prachanda, they cannot do that because some external forces are influencing their decision against that. And the UML is adamant on its demand of forming a National Consensus Government. And most importantly, Maoists are also not serious about the government formation. It seems delay and political instability benefits them.”

“Tsy hisy na ny Praiminisitra avy amin'ny marimaritra iraisana na ny PM voafidin'ny maro an'isa tsotra raha toa ka tsy mamolavola marimaritra iraisana ireo antoko lehibe, izay tsy azo antenaina loatra amin'izao fotoana izao. Araka ny fanamarihan'i Madhav Kumar Nepal, tsy dia misy antenaina ihany koa ny amin'ny fifidianana fihodinana fahadimy satria mbola misisika ny fahasamihafana eo amin'ireo antoko mpifaninana. Indrisy fa miezaka ny ho lasa mpandresy ny antoko tsirairay. Toa mbola mitohy ankehitriny ny fotoana tsy fisian'ny mpitarika. Amin'izao fotoana izao, dia antoko politika roa ihany no afaka mitondra karazana fiatoana amin'izao olana ara-politika ao Nepal izao: dia ny Antoko Komonista ao Nepal (Leninista Marxista Mitambatra (CPN-UML) sy ny Manda Demaokratika Mitambatra Madhesi, firaisan'ny antoko Madhes efatra. Na dia mikasa hifidy an'i Prachanda aza ny Madhesi, dia tsy afaka manao izany izy ireo satria manohitra ny fanapahan-kevitr'izy ireo ny hery ivelany sasany. Tsy milefitra kosa ny UML amin'ny fangatahany hanangana governemanta nasionaly iraisana. Ary ny tena zava-dehibe, tsy dia matotra loatra amin'ny fananganana governemanta ny Maoista. Toa mitondra tombontsoa ho azy ireo ny fihemorana sy ny tsy fahatomombanana ara-politika. “

Vao mainka miha-sarotra ny tontolo iainana amin'izao fotoana izao mikasika ny fifampiraharahana ara-politika sarotra sy ny fitiavan-tena eo amin'ireo antoko politika lehibe raha nandefa an'i Shyam Saran ho iraka manokana avy aminy ho any Kathmandu i India.

Voatsikera be nandritra ny fotoana niasany i Sharan, ambasadaoro Indiana taloha tany Nepal noho izy voalaza fa nitsabaka ny raharaham-pirenena ary nihoatra ny fefy ara-diplaomatika. Ankehitriny satria nandefa azy ho any Kathmandu tahaka an’ “Atoa. Fixit” [4] (Atoa Alamino io) i New Delhi, dia nahita bala hanakanana izay tolo-kevitra avy amin'ny Kongresy Nepaley sy ny Antoko Komonista (Marxista sy Leninista Mitambatra) – izay heverina ho mankasitraka ny fitsidihan'i Sharan ny Maôista sy ireo nasionalista elatra havanana.

Manontany ihany koa ireo bilaogera raha afaka mandefa iraka i India mba hiresaka momba ny raharaha anatiny saro-pady ao Nepal, kanefa tsy nasaina akory. Ao amin'ny bilaogy amin'ny teny Nepaley MySansar [5], hoy i Deepak hoe:

“शरण यसरी आउन मिल्छ कि मिल्दैन। धेरैले शरणलाई माओवादी र तत्कालिन सात दलबीचको भारतको राजधानी दिल्लीमा १२ बुँदे सहमति हुँदा सहजीकरण गरेका व्यक्ति भनी प्रचार गरेका छन्। त्रिभुवन विमानस्थलमा बुधबार अपराह्न उत्रिएलगत्तै भारतीय प्रधानमन्त्री मनमोहन सि‌हको विशेष दूत भएर आएको शरणले गर्वसाथ बताएका थिए। तर कुनै पनि देशको आन्तरिक मामिलामा त्यो देशले नबोलाईकन विदेशबाट विशेष दूत आउन मिल्ने हो कि होइन? भन्नेमा चर्चा हुन आवश्यक छ। यदी कसैले बोलाएको हो भने; कसले बोलाएको हो? उसले प्रष्ट पार्नुपर्यो। यदी होइन भने हाम्रा नेताहरुले हामी आँफै मिल्न सक्छौं तपाइको आवश्यकता छैन भनिदिए कति राम्रो हुन्थ्यो होला।”

“Maro ireo nankasitraka an'i Sharan noho ny fanamafisana ny fifanekem-pihavanana teo amin'ny governemanta iombonanan'ny Antoko Fito sy ny Maoista tamin'izany. Rehefa tonga tao Kathmandu tamin'ny Alarobia, nilaza tamim-pireharehana izy fa izy no iraka manokan'ny praiminisitra Indiana Manmohan Singh. Saingy afaka mandefa iraka any amin'ny mpifanolobodirindrina aminy mba hiresaka momba ny raharaha anatiny, kanefa tsy nangatahana hanao izany ve ny governemanta vahiny? Tsy maintsy misy adihevitra momba ity fanontaniana ity ve: Raha nisy olona nanasa an'i Sharan, iza izany? Tokony hazavaina izany. Raha tsy izany, tokony hilaza  ireo mpitarika antsika fa afaka miasa manokana amin'ny raharaha anatiny izy ireo fa tsy ilaina ny fanampian'i Sharan. “
Gyanendra, ex King of Nepal. Image by Flickr user izahorski, used under CC license BY-NC-ND [6]

Gyanendra, mpanjaka taloha tany Nepal. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr izahorski, nampiasana lisansa CC BY-NC-ND.

Niresaka momba ny toe-draharaha ihany koa ireo mpomba ny mpanjaka ary mitaky ny hamerenana indray ny Fitondram-panjaka mba hiadiana amin'ny fitsabahan'ny Indiana sy ny heriny. Anil Bhakta Kharel ao amin'ny bilaogy Hamro [7] milaza fa izao no fotoana hamerenana indray ny fitondram-panjaka izay farafaharatsiny niezaka nanohitra ny hery avy any ivelany:

“नेपालको सन्दर्भमा २४० वर्षदेखि शाहवंशले नेपालरुपी घर विग्रन–भत्कन दिएको थिएन। जस्तोसुकै अप्ठ्यारा परिस्थितिमा पनि आफ्नो स्वाभिमान बचाईराखेको थियो। राष्ट्रद्रोहीले भारतमा गएर नाकाबन्दी लगाउन लगाए पनि नेपाली जनतालाई जहाजमा तेल र खाद्यान्न पदार्थ ओसारेर खुवाएकै थिए। जनतासामु झुक्ने तर विदेशीको पाउ कहिल्यै नमोल्ने राजसंस्था जनतासामु झुक्यो। तर नेपाली जनताले त्यस्तो राजसंस्थालाई अझै चिन्न सकेका छैनन।”

“Amin'ny toe-draharaha ao Nepal, tsy navelan'ny tarana-mpanjaka Shah hitsipotipotika i Nepal nandritra ny 240 taona. Na dia tao anatin'ny toe-javatra sarotra aza, dia niaro ny fahamendrehan'ny firenena ny tarana-mpanjaka. Na dia nahatonga an'i India ho akaikin'ny sisintany aza ireo singa tsy tia ny firenena, dia nitondra sakafo sy menaka ho an'ny olona tamin'ny alalan'ny sambo izy ireo. Nandohalika tamin'ny vahoaka ny tarana-panjaka izay mbola tsy nandohalika velively tamin'ny ny hery any ivelany. Saingy mbola tsy nankasitraka ny tena lanjan'ny andrim-panjakana ny vahoaka Nepaley.”

Satria mampiasa ny krizy ara-politika amin'izao fotoana izao ny Maoista sy ny mpomba ny fitondram-panjaka mba hampandrosoana ny teti-panorony sy hahazoany vahana, mitohy mitotongana ny toekarena sy ny lalàna ary ny filaminana ao Nepal. Efa akaiky ny fety lehibe indrindra ao Nepal, Dashin. Antenaina fa hanan-javatra hankalazaina izany ny vahoaka.