- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Mampiasa media sosialy ny tanora mba hanotorana ny elanelana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra taona 2010)
[1]

Ejipsiana miisa 30, 18 ka hatramin'ny 28 taona, no niara-nientana mba hamokatra dokambarotra ara-tsosialy 10, mikendry ny fanavaozana ara-tsosialy.
Ny tetikasa, izay nantsoina hoe Closing The Gap (Manototra ny Elanelana), dia ahitana dingana telo niarahana niasa tamin'ny Foiben'ny Fiainana Ejypsiana ho an'ny Fahaiza-mamorona sy ny Kolontsaina [2] miaraka amin'ny Freedom House. Nahitana atrikasa goavana natao tamin'ny Jolay 2009 ny dingana voalohany. Ny tanjon'ity atrikasa ity dia ny hamaritra ny toe-draharaha Ejipsiana amin'ny fampiroboroboana ny ara-tsosialy, nialoha ny olana ara-tsosialy ilain'ny fiarahamonina vahana amin'ny alàlan'ny haino aman-jery, miaraka amin'ny fanoratana hevitra sy tabilaon'ny fizotry ny dokambarotra.

Vondrona bilaogy Bikya Masr nitatitra  [3]hoe:

The goal of “Closing The Gap” is to train a group of 30 young media activists with interests in new media and its potential role in society. The project served these interests by giving them a chance to represent their views on the usage of new and appropriate media to advocate progressive ideals.

Ny tanjon'ny “Fanotorana ny Elanelana” dia ny hampiofana vondrona tanora mpikatroka miisa 30 liana amin'ny media vaovao sy izay anjara toerany eo amin'ny fiarahamonina. Miompana amin'ireo tombontsoa ny tetikasa amin'ny fanomezana fahafahana ho an'ny tanora mba haneho ny fomba fijeriny amin'ny fampiasana ny haino aman-jery vaovao sy mifanaraka amin'izany mba hampiroborobo ny ideolojia mivoatra.

Bilaogera Mahmoud Saber [4] nilaza hoe:

“The editing phase was finalized by mid-April and the first screening will be hold during April” Mahmoud Saber, Documentary Movie maker and the project technical coordinator said. A third production phase will finish early on May 2010.

“Vita tamin'ny tapaky ny volana aprily ny dingana famoahana ary ho atao mandritra ny volana Aprily ny fandefasana voalohany” hoy i Mahmoud Saber, mpamokatra horonantsary fanadihadiana sady mpandrindra ara-teknika ny tetikasa. Ho vitaina amin'ny voalohandohan'ny volana May 2010 ny dingana famokarana fahatelo.

Tao amin'ny pejin'izy ireo Facebook [5], nanazava ny maha-tsy-manampaharoa ity tetikasa ity ny Foiben'ny Fiainana Ejypsiana ho an'ny Famoronana sy ny Kolontsaina:

“ The project is a unique experience for us all, it is the first time young people have the chance to express in filming material with total independence from authorities or business interests”, commented Bassam Bahgat, the project’s executive coordinator.

The participants of the project are a group of young Egyptian media activists from diverse backgrounds including media students and professionals. Miral Brinjy, television producer and project facilitator, expressed the purpose of this experience as to learn “how to utilize conventional and new means of communication and media to spread awareness about personal responsibility towards reforming society”

“Traikefa miavaka ho antsika rehetra ity tetikasa ity, fotoana voalohany ahafahan'ny tanora maneho hevitra amin'ny fitaovana fandefasana horonantsary amin'ny fahaleovantena tanteraka izany, ary tsy miankina amin'ny manampahefana na tombontsoa amin'ny fandraharahana”, hoy i Bassam Bahgat, mpandrindra ny fanatanterahana ny tetikasa.

Ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa dia vondrona tanora Ejiptiana mpikatroka media avy amin'ny sehatra samihafa, anisan'izany ny mpianatra media sy ny matihanina amin'ny media. Nanambara ny tanjon'ity traikefa ity ho toy ny fianarana “mikasika ny fomba fampiasana fitaovam-pifandraisana vaovao sy mahazatra mba hanentanana momba ny andraikitry ny tsirairay amin'ny fanavaozana ny fiarahamonina” i Miral Brinjy, mpamokatra dokambarotra amin'ny fahitalavitra sady mpanamora ny tetikasa.

Araka ny voalazan'ny bilaogin'i  [4]Mahmoud Saber:

This project aims to produce 10 social ads and publicize them while networking media activists with other actors through workshops, raising the discussion on media social responsibility through a citizen centered approach. The project shall give way to a new approach to social reform.

He also shared samples of their work

Ity tetikasa ity dia mikendry hamokatra dokambarotra ara-tsosialy 10 sy hamoaka azy ireo no sady mampifandray ireo mpikatroka media amin'ireo mpiantsehatra hafa amin'ny alalan'ny atrikasa, miadihevitra momba ny andraikitry ny media sosialy amin'ny alalan'ny fametrahana ny olom-pirenena ho afovoany. Hanome fomba vaovao ho an'ny fanavaozana ara-tsosialy ny tetikasa.

Nizara ny santionany tamin'ny asan'izy ireo ihany koa izy

Dokambarotra ara-tsosialy: Ejypsiana aho | إعلان إجتماعي : أنا مصري

https://youtube.com/watch?v=52d9PdQw6As

Dokambarotra ara-tsosialy roa miresaka momba ny fanorisorenana ara-nofo, ny voalohany dia fampitahana eo amin'i Ejypta tamin'ny taona fitopolo sy ny Ejypta ankehitriny

https://youtube.com/watch?v=DFduHO5XGm8

Ny faharoa dia mitondra ny lohateny hoe: Dokambarotra Ara-tsosialy: Tsy Zonao Izany | إعلان إجتماعي : مش من حقك

https://youtube.com/watch?v=xTC37t0Cj5k

Ity dokambarotra ara-tsosialy ity dia momba ny fihazonana ny fanantenana:

https://youtube.com/watch?v=0qiwPaexc_w

Ary ity manaraka ity dia momba ny Fahalalahan'ny aterineto ao Ejypta:

https://youtube.com/watch?v=RVKtapBfHOQ