- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerika Latina :Ny Olan'ny Fampiasàna Ankizy – Andiany I

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Ekoatora, Goatemalà, Mediam-bahoaka, Sendikà, Tanora, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2009)

Zava-misy mampalahelo ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina ary, matetika, efa tena zatra mahita izany ny mponina ao amin'ny firenentsika hany ka tsy manao na inona na inona intsony. Iza no tsy efa nampiasa ireo mpamafa kiraro na ankizy hiambina ny fiarany ?  Nisy ny fanentanana maro sy fepetra hafa ho fanovàna ny toe-draharaha misy. Ho fankalazàna ny Andro manerantany 2009 Hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy, [1] ny 12 Jona, nivondrona ny mpikambana ao amin'ny rantsana latino-Amerikana ao amin'ny Global Voices hanoratra lahatsoratra sy hizara rohy maro mikasika ny zava-misy ao amin'ny firenena misy azy avy ao amin'ity andiany voalohany ity.

Photo de Francesca Rauchi sous licence Creative Commons. http://www.flickr.com/photos/francesca_rauchi/2266649087/

Sary avy amin'i Francesca Rauchi, nampiasàna lisansa Creative Commons. http://www.flickr.com/photos/francesca_rauchi/2266649087/

Ao Goatemala, Marcial Pérez Guillermo Herrera avy ao amin'ny blaogy Haciendo Camino [amin'ny teny Espaniola] no miresaka ny fomba fijery eo amin'ny sehatra ara-toekarena [2] tao anatinà tatitra iray miresaka ny momba ny fampiasàna ankizy ao aminà orinasa mpanao kafe, seha-pamokarana mampiasa be indrindra an'io herim-pamokarana tsy ara-dalàna io :

El objetivo del diagnóstico es establecer un referente de conocimientos, información, causas y efectos del trabajo infantil en el sector caficultor de Guatemala, así como ofrecer insumos que orienten las estrategias de sensibilización, capacitación y divulgación sobre la problemática. Entre otros temas, el diagnóstico aborda el enfoque del sector con respecto al trabajo infantil, sus causas, el papel de la familia, la certificación y legalidad, el relevo generacional y la mano de obra, y la educación y el trabajo.

Ny hametrahana ohatra no tanjon'ilay fanadihadiana eo amin'ny lafiny ara-pahalalana, torohay, ny antony sy ny vokatry ny fampiasana zaza tsy ampy taona any amin'ny indostrian'ny kafe ao Goatemalà ary mba hanampy amin'ny fampifanitsiana ny tetika arahana ho fanentanana, ho fampiofanana ary fampielezana vaovao mikasika io lohahevitra io. Miresaka ny fampiasana zaza tsy ampy taona ao amin'io orinasa io ilay izy, ny antony, ny andraikitry ny fianakaviana, ny fanamarinana sy ny fampanarahan-dalàna, ny fifandimbiasan'ny taranaka sy ny hery miasa, ny fanabeazana sy ny asa, ankoatry ny zavatra hafa
Manana olana mitovy amin'io koa ny orinasa mpamokatra akondro ao Ekoatera. Iray amin'ireo kandidà ho filoham-pirenena, Álvaro Noboa [3] [amin'ny teny Anglisy], mpandraharaha iray ao amin'ity orinasa ity, no nahazo fanakianana mafy noho ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Decio Machado avy ao amin'ny bilaogy Let's Change the World – Ndeha isika hanova ny tontolo [amin'ny teny Espaniôla] no nampita vaovao momba ny indostrian'Ing. Noboa [4] :

En abril de 2002 Human Rights Watch emitió un reporte en el que denunciaba que “encontró que niños ecuatorianos, tan jóvenes como de ocho años, trabajando en plantaciones de banano en condiciones precarias”. Chiquita, Del Monte, Dole, La Favorita y Bonita fueron acusadas de ser provistas por plantaciones que empleaban niños como trabajadores.

Noboa, en un acto de sinvergonzonería sin igual, aseguró que no puede ser acusado de propiciar el trabajo infantil en sus haciendas bananeras, dado que el trabajo de menores en el área agrícola en general formaba parte desde hace muchos años de la cultura de la gente del campo en Ecuador. Según Noboa, los padres obligaban a trabajar a sus menores con el fin de evitar que el ocio los conduzca por el camino de la delincuencia.

Ny volana Aprily 2002, ny Human Rights Watch dia namoaka tatitra iray manambara fa «ireo ankizy Ekoatoriana, izay matetika mbola tsy feno 8 taona akory, dia miasa aminà fepetra tsizarizary ao anatin'ireo toeram-pambolena akondro»Ireo Orinasa Chiquita, Del Monte, Dole, La Favorita ary Bonita dia voampanga ho nivarotra vokatra avy aminà toeram-pambolena izay nampiasa ankizy.

Tsy nisy henatra akory Atoa Noboa nanambara hoe tsy afaka ny hiampanga azy ho nanome vàhana ny fampiasana zaza tsy ampy taona tao amin'ny orinasany satria ny fampiasana ankizy amin'ny asa fambolena dia anisan'ny fomban-drazana nampiharina efa taona maro tamin'ny asa tany ambanivohitr'i Ekoatera. Araka ny voalazany, noteren'ireo ray aman-dreny hiasa ny zanany mba tsy hahatonga azy ireo hanaraka ny làlan'ny firenirenena.

 

Photo de Luis Carlos Diaz publiée avec son autorisation http://www.flickr.com/photos/periodismodepaz/494114134/

Sary nalain'i Luis Carlos Diaz, nahazoana alalana avy aminy ny fampiasana azy http://www.flickr.com/photos/periodismodepaz/494114134/

Nizara tatitra amin'ny antsipirihany momba ny asan'ny ankizy ao amin'io firenena io [5] [amin'ny teny Espaniôla] ilay vohikala ao Arzantina Taringa. Ankoatra ny famoahany ny lisitra lavabe an'ireo orinasa mpampiasa ankizy , paingoriny manokana ny Telefónica Argentina, ilay orinasan-tserasera Espaniola lehibe indrindra izay heverina fa isan'ny manana andraikitra lehibe tamin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona. Nahitàna sarinà ankizy nizara boky firaketana (annuaire) teny an-tanandehiben'i Buenos Aires tao amin'ilay tatitra. Nisy ihany koa lahatsary nalaina tamin'ny fakantsary miafina izay an'ilay kooperativa La Alameda, tany amin'ny faritr'i Mendoza, izay ahitàna sarin’ankizy miasa eo amin'ny sehatry ny fambolena [6] [amin'ny teny Espaniôla].

Ny Fondation SES [7] [amin'ny teny Espaniôla], ao Buenos Aires, no miandraikitra ny zaza sy ny resaka sosialy. Ao amin'ny blaoginy, resahany ny olan'ny fampiasana ankizy ao Arzantina [8] :

El Trabajo infantil es un problema que crece. En la Argentina trabaja alrededor de medio millón de chicos y chicas menores de 14 años, según datos de UNICEF – Argentina. Fundación SES en convenio con el Ministerio de Educación, ha iniciado durante el mes de Mayo la sistematización de dos experiencias educativas de erradicación del trabajo infantil en las Provincias de Córdoba y Tucumán.

En Córdoba visitamos la Escuela Primaria Polo Godoy Rojo. … Es una escuela atravesada por diferentes problemáticas, pero una de ellas … son los niños y niñas que trabajan como cortadores de ladrillos o los que dejan de asistir en tiempos de la cosecha de la papa o de la vendimia, entre otras. En Tucumán visitamos la experiencia “A través de un Trabajo Interministerial, construimos un futuro distinto para los chicos de Santa Ana” que tiene como propósito favorecer el desarrollo de estrategias de inclusión, reinserción y o permanencia de los niños y las niñas que se encuentran en situación o en riesgo de trabajo en el Sistema Educativo Formal.

Olana be ny fitomboan'ny fampiasàna ankizy. Ao Arzantina, efa ho zaza  500 000 latsaky ny 14 taona no miasa, araky ny tarehimarika avy ao an-toerana navoakan'ny UNICEF. Ny fikambanana SES, izay mifandray mivantana amin'ny Ministeran'ny Fampianarana, no nanao fandaharanasam-pampianarana roa nandritry ny volana May izay natao indrindra hanafoanana ny fampiasana ankizy any amin'ny faritr'i Córdoba sy Tucumán.
Ao Córdoba, nitsidika ny fianarana ambaratonga fototra Polo Godoy Rojo izahay…Isan'ny olana tsy maintsy atrehan'izy ireo, hita ao ny zaza miasa toy ny mpanapaka biriky sy ireo tsy tonga mianatra satria nioty ovy na nivarobarotra. Ao Tucumán, hitanay tao ilay fanentanana mitondra ny lohahevitra hoe «Tetikasa iray avy amin'ny Ministera hananganana hoavy miavaka ho an'ireo lehilahy sy vehivavy ao Santa Ana » izay natao indrindra hampiroboroboana ireo paikadim-pampandrosoana hampidirana, hamerenana sy/na hitazonana ny rafi-pampianarana an'ireo ankizy miasa na ireo izay ahiana mety hiasa.

Voalahatra hivoaka ny 12/06/09 ny Andiany faharoa tamin'ity lahatsoratra ity.

Isaorana betsaka i Renata Avila [9], Milton Ramírez [10] ary i Celeste Calve t [11]amin'ny fanampiany ahy tamin'ity lahatsoratra ity.