Lahatsary Mampiharihary ny Mombamomba Ny Ankizy Miaramila

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2006)

Raha nahita ireo torolàlana ho an'ity Vohikala ity ianao, dia ho fantatrao fa misy karazana horonantsary izay tsy havoakanay ato mihitsy, sy ireo toe-javatra manodidina ny fakàna lahatsary manokana, izany dia midika fa tsy hisy na rohy amin'izany aza. Miresaka manodidina ny iray amin'ireo lahatsary ireo ity lahatsoratra iray androany ity.

Nanao fikarohana mombanà lahatsoratra kasaiko ho avoaka mahakasika ireo ankizy miaramila aho, no nahita lahatsary tao amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary, izay voalaza fa fanadihadiana natao taminà adolantsento efa ankizy miaramila taloha. Nanao fitarainana maromaro ilay adolantsento anatin'ilay lahatsary, mitory ilay fikambanana mpikomy izay nolazainy fa naka azy an-keriny, nanao fanararaotana ara-nofo taminy ary nandefa azy hanao iràka miaramila – fitarainana izay mifanaraka amin'ny fikarohana nataon'ireo fikambanana iraisam-pirenena manana ny hajany mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny fireneny.

Saingy mahagaga aminà lahatsary mitondra itony karazana fitarainana itony, fantatra ny anaran'ilay tanora voaresaka eto, ary ao anatin'ilay soratra miaraka aminy, ny toerana misy azy. Ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona (sy ny filazambaovao) moa dia manoro hevitra hatrany ny hiarovana ny mombamomba ny zaza tsy ampy taona amin'ny toe-javatra toy izany (jereo ny pejy 16 sy 17 ao amin'ity antontan-kevitra ity, ohatra) – na amin'ny fampajavonjavonana na amin'ny fanakonana tanteraka ny tarehy, amin'izay tsy hita ny endrik'izy ireo, ohatra hoe amin'ny fakàna ilay sary avy any aoriana na amin'ny aloka, na amin'ny fanovàna ny feony na amin'ny famerenana mandrakitra indray ny feo. Mampiseho ny sary etsy ambany fa mora ny mampanjavozavo sary iray hanafenana ny mombamomba ny olona iray.

Example of pixellation to conceal identity

Raha momba ilay lahatsary hitako, tsy nisy na iray aza narahina tamin'ireo fepetra ireo. Nanontany tena aho nandritra ny andro vitsivitsy raha tokony handefa ity lahatsary ity na tsia, izay tsapako fa nampipongatra  olana goavana maro tao anatinà fifampiandaniana iray izay mahazatra ny fahitàna fandraisana ankizy-miaramila. Fijoroana vavolombelona mampihoron-koditra (ary tena tsy fahita firy mihitsy), ka mendrika ny ho re ny tantaran'ilay tanora – saingy misy fanontaniana maromaro aterak'ilay lahatsary. Noho izany, nanapaka hevitra aho fa tsy hampiseho anareo io lahatsary io.

Fohifohy ihany ilay lahatsary, ary toy ny manome fanambarana efa nomamina mialoha ilay tanora ao anatin'ilay izy – tsy misy olona mametraka fanontaniana mitady fanazavana, mifanohitra amin'ilay lahatsary Alive In Baghdad herinandro vitsy lasa izay. Ny lahatsoratra miaraka amin'ilay lahatsary dia nilaza fa hitan'ireo tafika ilay zazalahy taorian'ny nandosirany ireo mpaka an-keriny, ka nihevitra aho fa ny tafika no naka ilay lahatsary.

Nanazava taminy mazava tsara ve ny tafika hoe hatao inona marina ilay lahatsary, ary ahoana no mety hampiasana azy? Tsy misy mihitsy filazàna ao anatin'ilay lahatsary na ao anatin'ilay lahatsoratra miaraka aminy fa nanaiky ny hampiasàna an'io lahatsary io ety anaty aterineto ilay zazalahy. Nanan-tsafidy ve izy tamin'ny fanapahana hoe rahoviana, aiza ary amin'ny fomba ahoana no hakàna an-tsary azy ? Nanonona ny ray aman-dreniny izy tao amin'ilay lahatsary – nangataka alalana avy tamin'izy ireo ve ry zareo ? Raha heverintsika fa nisy fiantraikany ara-tsaina taminy ny fakàna an-keriny azy sy ny fanararaotana ara-nofo, inona no fanampiana sy fanaraha-maso natolotra azy? Hatraiza no azo hiheverana ny fenekeny ?

Satria nanjary lasa teknolojia misokatra hatrany hatrany ny lahatsary, lasa mora kokoa ny fampiasana lahatsary ho fitaovam-piadiana amin'ny ady amin'ny fanapariaham-baovao. Tamin'ilay fifandonana farany tao Libanona, ohatra, ny tafika israeliana, ny Hizbollah ary ny olom-pirenena tao Libanona sy ny tao Israely dia samy nampiasa ny lahatsary hanangonana porofo mitory ny habibiana sy ny fanitsakitsahana zon'olombelona voalaza fa misy. Ny fikambanana rehetra izay manangona sy mamoaka sary ary fijoroana vavolombelona anaty toedraharaha misy ady, dia mila afaka mamaly tsara ny fanontaniana mikasika ny fiandohan'ilay fijoroana vavolombelona sy ny fisehony – raha tsy izany dia mety hiseho ho toy ny fanararaotana sy angamba tsy ho azo antoka ilay izy.

Iza ary izany no namoaka ilay lahatsary hitako, ary nahoana izy ireo no nanapaka hevitra ny tsy hiaro ny mombamomba ilay zatovolahy ?

Nanao fikarohana tsotsotra ny anaran'ilay tanora aho ary nahita ilay tranonkala nampiantrano ny lahatsary niaingàna. Tranonkala ofisialin'ny governemanta ilay izy. Nandefa imailaka tamin'ny toniandahatsoratr'ilay tranonkala aho nanontany ny fomba nahatongavan'ity lahatsary ity tao aminy, ary inona ny torolalana narahin'izy ireo tamin'ny famoahana azy. Mbola tsy nahazo valiny tamin'ireo fanontaniana napetrako aho, na dia nahazo ny fanamarinana aza fa voaray tsara ilay imailaka, miaraka amin'ito fampitandremana manaraka ito, izay mampiseho ny maha-saropady io resaka io, na ho an'ny governemanta na ho an'ireo vondrona hafa :

“Raha vonona ny hanao fikarohana momba ny ankizy manao raharaha miaramila ianao, avelao izahay hilaza hoe [ity firenena ity] no toerana tena mety indrindra. Saingy mazava ho azy fa raha manao izany ianao, dia azo antoka fa hahita olana, anisan'izany ny fandrahonana ny ainao.”

Avelatsika any ny olana aloha, mazava ho azy fa amin'ity tranga manokana ity, tsy nanaraka ny torolàlana tsara indrindra tokony ampiasain'ny fikambanana rehetra mikendry ny mahasoa ny ankizy miaramila taloha ny governemanta voakasik'izany. Ny fiaraha-miombon'antoka hampitsaharana ny fampiasana ireo ankizy miaramila, vondrona fikambanana miasa mba hampiroboroboana ny fandraràna ny fakana ireo ankizy latsaky ny 18 taona hiditra ho any amin'ny tafika mitam-piadiana, ary hanohanana ny fampiatoana ny fandrisihana, ny fanarenana sy ny famerenana ireo ankizy miaramila ho ao anatin'ny fiarahamoniny indray, dia manolotra rohy mankany amin'ireo fenitra iraisam-pirenena ho an'ny karazana asa toy itony izay tokony ho modely mahasoa.

Namerina nanoratra tany amin'io tranonkalan'ny governemanta io indray aho ary notsipihako manokana ireo zavatra mampanahy ahy ireo, nanoratra tamin'ilay olona nampakatra ilay lahatsary tao amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary aho, ary nangataka azy ireo handinika ny fanesorana ilay lahatsary, mandra-pahitan'izy ireo ny torolàlana mety amin'izany, ka hiverina hitatitra ny valin'izay reko aho.

Nilaza ihany koa ilay toniandahatsoratra hoe

“Mampalahelo fa tsy nisy mpikambana tamin'ireo governemanta teo aloha afaka nampiasa ny teknolojia mba hamborahana  ny zava misy marina eto amin'ny firenentsika ho fantatr'izao tontolo izao.”

Na inona na inona marina amin'ny fifandirana eo amin'ny firenena, ny governemanta dia tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena mikasika ny zon'olombelona sy ny lalàna iraisam-pirenena momba ny maha-olona ao anatin'ny sisintaniny – ary amin'ny tranonkalany manokana.

Ny governemanta izay mihevitra ny hampiasa ny fijoroana vavolombelon'ireo ankizy ao aminy amin'ny toe-javatra mitovitovy amin'itony, dia tokony hiantoka ny fiarovana ny ankizy sy hanaja ny fenitry ny zon'olombelona amin'ny famoahana votoatiny saropady tahaka izao. Amin'izay, afaka manalavitra ny fiampangana azy ho mpanararaotra sy mpanao fampielezankevitra izy ireo.

Raha liana amin'ny famakiana bebe kokoa momba ny ankizy sy ny fifandonana mitam-piadiana ianao, ireto misy loharanom-baovao tsara anankiroa :

Nanambatra tatitra vitsivitsy i Choike, fikarohana, fitaovana ary lahatsoratra momba io resaka io. Ny pejin'ny Human Security Gateway (Fiarovana ny Zon'olombelona) momba ny Ankizy sy ny Ady Mitam-piadiana dia mitondra any amin'ny tatitra maro isan-karazany. Ny pejy 113 ao amin'ny tatitra momba ny Human Security Report (tatitra fiarovana ny olombelona) dia miresaka ireo ankizy miaramila. Ary ny Tatitry ny firenena ao amin'ny Watchlist momba ny fampiasana ankizy miaramila no manome ny tantara fototr'ireo firenena manana izany ho olany manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.