- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tranonkala Koreana Notafihan'ny Shinoa Mpijirika

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Shina, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)

Voajirika ilay tranonkala lehibe indrindra fanaovana lavanty ao Korea, “Auction“, tamin'ny volana Febroary ary very tamin'izany ny mombamomban'ny mpanjifa miisa 11 tapitrisa farahakeliny. Tsy ela akory izay, fantatra fa Shinoa ireo mpijirika. Fanampin'izay, nisy nandray anjara tamin'io heloka bevava io ireo Koreana. Manafintohina ireo Koreana mpampiasa aterineto ny zava-mitranga hoe amin'izao fotoana izao ampiasain'ireo Shinoa mpampiasa aterineto ao Shina ny mombamomba manokana ny olona ary manontany tena izy ireo hoe ahoana ny hiatrehany io olana io.

Manome ny antsipirihiny i Martian Martin [1] ao amin'ny fanehoankeviny.

지난 2월 옥션을 해킹해 회원 천만 명의 개인정보를 빼내간 중국인 해커가 이미 한 달 전에 중국 공안에 붙잡혔다고 합니다. 체포된 중국인 해커는 산둥성에서 활동하는 중국인 전문 해커인데 아직 공식적인 발표는 없었지만 산둥성 공안은 이런 사실을 부인하지 않았습니다. 그런데 이 해킹 사건의 배후에는 한국의 개인정보 암거래상이 있다고 중국 해커들은 전했으며, 또 그들에 의하면 옥션의 발표와 달리 1800만명이 넘는 옥션 전체회원의 정보가 모두 유출되었다고 합니다. 이들 중국 해커들은 중국에서 한국인들을 위해서 일을 하며, 의뢰를 받아 해킹을 해서 한국으로 건네주면 한국의 정보 암거래상들이 다시 한국에 판다고 합니다. 개인정보의 가치는 중국에서 보다 국내에서 더 효용이 있는 것이 당연하겠지만, 이 정보를 습득하는 과정은 중국을 통해 이루어졌기에 우리나라 국민의 절반의 개인정보는 중국을 비롯한 여러 나라에 수출이 되었다고 해야 하나요? 인터넷과 디지털 정보의 특성상 한 번 공개된 정보는 어떤 방법으로도 회수할 수 없으며 회수한다고 해도 일부에 지나지 않을 것입니다. 이번 옥션의 경우도 유출된 모든 정보는 이미 중국과 한국에 퍼질 대로 퍼져서 해킹범을 잡았다고 해도 이미 회수도 불가능하며, 우리나라 국민 1/2의 주소, 전화번호, 주민등록번호, 계좌번호 등이 포함된 고품질의 개인정보는 세계적으로 떠돌게 되었습니다. 국내의 개인정보 암거래상도 이미 옥션에서 해킹된 DB의 데이터가 우리나라에서 거래되고 있는 것을 인정하고 있습니다.

정부는 자국민의 절반의 정보가 사기를 비롯한 각종 불법행위에 이용되고 있음에도 해결과 보완에 대한 어떤 움직임도 없으며, 솔직히 적극적인 해결 의지가 있는지 조차도 의문스럽습니다. 이만한 규모의 손쉬운 해킹 결과와 그 후속조치의 미비와 부적절한 대응과 소극적인 의지로 우리나라의 보안 수준은 퇴보했으며,[…] 이미 회수할 수 없는 정보라면 피해를 최소화 할 수 있는 대책과 개인 정보 관리에 대한 법적인 방안과 앞으로 재발을 방지할 수 있는 강력한 장치가 있길 바랍니다. 그리고 이번 해킹을 의뢰한 한국인과 그 정보를 거래한 모든 취급자들을 반드시 잡아서 온 국민 앞에 공개해서 매국노의 최후가 어떠한지 본보기로 삼았으면 좋겠습니다.

Tamin'ny volana Febroary, nosamborin'ny polisy Shinoa ny Shinoa mpijirika iray izay nangalatra ny mombamomba ny mpikambana miisa 10 tapitrisa tao amin'ny “Auction“, tranonkala Koreana fanaovana lavanty. Mpijirika matihanina izy izay mipetraka ao Shandong any Shina ary tsy nandà izany ihany koa ny polisy Shinoa. Saingy araka ireo Shinoa mpijirika anefa, nisy Koreanina tao ambadik'io varo-maizina io. Araka ny filazan'izy ireo ihany, ny mombamomba manokana ny mpikambana mihoatra ny 18 tapitrisa ao amin'ny “Auction” no tafavoaka, izay mihoatra lavitra ny vinavina teo aloha. Miasa ho an'ny Koreana ao Shina ireo Shinoa mpijirika ireo, mahazo baiko, mahazo vaovao, ary manome ny torohay mankany Korea. Aorian'izany, amidin'ireo mpanera Koreana eny amin'ny varo-maizina any an-kafa ilay torohay. Tsaratsara kokoa ny vidin'ny torohay manokana ao Korea noho ny ao Shina. Saingy any Shina no alamina ny  fahazoana ny torohay. Noho izany, nalefa tany Shina sy tany amin'ny firenena hafa ny torohay momba ny vahoaka ao amin'io firenena io. Sa tsy izany? Sarotra ny maka indray ny torohay efa navoaka mba hiverina indray na tsy afaka angonina izy rehetra. Efa niparitaka ao Korea sy Shina ireo torohay ireo amin'ity indray mandeha ity ary tsy afaka alaina sahady izany. Efa miparitaka manerana ny firenena hafa ny Adiresin'ny trano, laharana finday, laharana karapanondro, ary ny kaonty any amin'ny bankin'ny antsasaky ny Koreana. Nanaiky ireo mpanera ao amin'ilay varo-maizina fa efa namidy ao Korea ireo tahirin-kevitry ny DB izay nivoaka tao amin'ny “Auction“.

Fantatrin'ny governemanta fa efa efa nampiasaina amin'ny tsy ara-dalàna hanaovana zavatra maloto ny torohay momba ny vahoaka, toa tsy mihetsiketsika mamaha ilay olana anefa izy ireo. Nihemotra ny fandriampahaleman'ny firenentsika ary malaza fotsiny amin'ny fanànana ny aterineto haingam-pandeha ny firenentsika.[…] Raha torohay tsy azontsika averina alaina intsony izany, mbola misy tetika hafa hialàna amin'ny herisetra hafa na hiarovana ny mombamomba ny tena manokana. Ary mila samborintsika amin'ny fomba rehetra ireo mpanera ny firenentsika ireo ary saziana manoloana ireo vahoaka hafa rehetra mba hatao ho ohatra tsara anehoana ny hoe ahoana no hafaran'ireo mpamadika.

Tsy vitsy ireo mpampiasa aterineto [2] no manahy ny amin'ny hoe ahoana ny ampiasàna ny torohay manokana ary mahatsiaro tena ho marefo.

[…]최근 중국을 다녀왔다는 한 사업가는 “중국학생들이 PC방 등에서 한국인의 실명과 주민등록번호 등이 있는 사이트를 이용해 아무런 제한없이 국내 게임에 회원으로 가입하고 있다. 이 사이트에는 수백명의 한국인 개인정보가 고스란히 올라와 있다.”라고 귀띔했다. 기자가 방문한 중국 내 또 다른 사이트도 상황은 마찬가지였다. 한국인 이름과 주민등록 변호, 연락처 등이 고스란히 개제되어 있었다. 최근 해킹을 당한 옥션의 아이디 및 비밀 번호를 벌써부터 이 사이트에서 판매한다는 문구도 올라와 있다[…] 중국의 사이트에는 심지어 국내 최대의 포털 사이트인 네이버의 아이디 및 비밀번호를 판매한다는 글도 간간히 올라오고 있다. 네이버측은 해킹 가능성을 일축하고 있다. 그러나 네티즌들은 각 포털이나 블로그를 통해 네이버가 해킹되었을 가능성을 제기하고 있다[…]

[…] Mpandraharaha vao nody avy any Shina no niteny, “Shinoa mpianatra any anaty efitra misy solosaina no maka anarana Koreana sy nomerao karapanondro ao aminà tranonkala ary mandray anjara milalao tsy misy fetra aminà lalao ao an-toerana. Manana ny mombamomban'ny Koreana aman-jatony ilay tranonkala.” […] Mijery tranonkala Shinoa hafa iray aho ary mitovy ihany ny zavatra mipoitra ao. Afaka mahita anarana Koreana aho, nomerao karapanondro ary laharana fiantsoana (PIN). Milaza ilay izy fa mivarotra nomerao karapanondro sy PIN azon'izareo avy ao amin'ny Auction…[…] Misy lahatsoratra vitsivitsy mivarotra nomerao karapanondro sy PIN an'ny mpikambana avy amin'ny Naver, vavahadin-tserasera goavana indrindra ao Korea, any amin'ireo tranonkala Shinoa. Tsy nandà izany mihitsy ny Naver, saingy heverin'ny ankamaroan'ny mpampiasa aterineto fa zavatra mety nisy koa ny hoe voatafika tamin'ny alàlan'ireo vavahady na bilaogy ny Naver.[…]

Mitondra fanakianana ny governemanta am-perinasa ny korontona amin'izao fotoana izao [3] ao amin'ny fiarahamonina Koreana momba ireo olana hafa .

탄핵이다..광우병이다. 청문회다. 이명박이다…[…] 이런 망할 와중에… 좋겠다 옥션…이명박 정부덕에 조용히 잊혀질 분위기가.. 남들이 다 이명박을 버려도 너희는 버리면 안되겠다. 허허…

Fitsipaham-pitokisana… Aretin'ny omby vavy adala…Lee Myung Bak…[…] nandritra an'ito korontana ito… Tsara ho anao izay ry Auction… Ananan'ny Governemanta Lee Myung Bak trosa, tahaky ny rivotra iainana afaka ho adinoina… na dia hanary an'i Lee Myung Bak aza ny hafa, tsy tokony ho ianao…

Nanakiana ny toe-tsain'ny olona manoloana an'ireo mpijirika solosaina sy ny fomba tokony hihetehana manoloana ity loza mitatao ho avy ity ny mpampiasa aterineto iray [4]:

지난 2월초 국내 최대 오픈마켓인 옥션이 한 해커에 의해 뚫렸다. 1000만 여건이 넘는 개인정보가 속수무책으로 빠져나간 것이다. 해킹과 협박에 가담은 일당 3명이 중국에서 붙잡혔지만, 주범의 행방은 아직까지도 오리무중이다. 게다가 LG텔레콤의 가입자 정보가 인터넷에 노출되는가 하면 하나로텔레콤은 회원정보를 고의로 외부에 빼돌렸다.그외에 국민은행 인터넷 뱅킹 서비스에도 악성코드를 통해 해킹당하는 사고와 포털업체 다음도 전문해커에 의해 해킹당했다. 이렇게 해킹으로 유린당하는 사고가 계속적으로 벌어지고 있다.이처럼 계속 사고가 벌어지는 이유는 무엇일까 가장 커다란 요인은 전문 인력 부족과 보안의식의 실종을 들 수 있다. 아직까지도 해커와 크래커를 구분하지 못하고 컴퓨터 기술이 뛰어나면 부정적으로 보는 시각이 존재한다. 또한 해이해진 보안의식이 더해져 이러한 사태들이 끊이지 않는 것이다. 전문인들은 큰 기업을 해킹하는 것도 어느정도의 지식과 툴만 있다면 불가능한 것이 아니라고 말한다. 또한 이를 막아야 하는 기업 관계자들의 보안의식도 문제라고 지적한다.안철수바이러스 연구소의 안철수 소장은 이러한 일들은 이미 예견된 인재였다면서 허술해진 보안을 지적했다. 앞으로는 철저한 사이버세계로서 보안전문가를 육성하여 다가올 사이버전에 대비해야 한다. 심지어 한 중국 해커는 마음만 먹으면 대한민국 전체를 무력화 시킬 수 있는건 일도 아니라며 호언장담하고 있다. 이러한 상황에서 우리는 서둘러 보안전문가를 육성하고 이러한 인력들에 대한 지원을 아끼지 않아야 한다. 하지만 가장 큰 문제는 이들에 대한 시선이다.어둡고 음침한 사람이 아닌, 미래의 중요 인재로 인식하고 뒷받침 해줘야 한다. 그것만이 다가올 사이버 전쟁에서 승리할 수 있는 길이다.

Tamin'ny Febroary lasa teo, notafihan'ny mpijirika iray i ‘Auction‘. Mombamomban'ny olona miisa eo amin'ny 1 tapitrisa no tafavoaka. Olona telo izay niaraka tao amin'ito heloka bevava ito no nosamborina tao Shina, fa mbola tsy hita ny tena lohany. Notsoahana ireo mombamomban'ny mpikambana ao amin'ny LG Telecom ary ninian'ny Hanaro Telecom navoaka ny torohay momba ireo mpikambana sasantsasany. Voajiriky ny soramiafina (code) mamohehatra ny tolotra banky anaty aterineto an'ny Kookmin Bank ary voajirikin'ny mpijirika matihanina koa i Daum , vavahadin-tserasera matianina. Mitohy mitranga foana itony karazanà tranga itony. Ny tsy fahampian'ny mpiasa matihanina ary ny tsy fahatongavantsaina amin'ny resaka fiarovana no antony voalohany tsy itsaharan'ireo tranga ireo. Mbola tsy mahay manavaka an'ireo mpijirika sy ny mpamaky soramiafina isika, ary ratsy no iheverana ny fahaizana tsara mampiasa solosaina tahaka izany. Mitovy hevitra ny matihanina fa raha anananao ny fahaizana sy fitaovana ilaina, tsy sarotra ny manafika orinasa lehibe miaraka aminà solosaina. Ary tsy ampy ny fahatongavantsain'ireo orinasa amin'ny resaka fiarovana. Efa nampitandrina momba io fiarovana tsizarizary io i Ahn Chul-Soo, solontenan'ny  Ahn Chul-Soo Virus Research Institute. Manomboka izao, tokony manofana mpiaro matihanina eo amin'ny tontolon'ny aterineto isika ary manomana azy ireo amin'ny ady eo amin'io sehatra io. Na ny Shinoa mpijirika aza milaza fa tsy sarotra ny manangoly  an'i Korea iray manontolo raha tiany. Eo anatrehan'izay toejavatra izay, tokony hanohana mafy kokoa an'ireo mpiaro matihanina isika. Fa ny fomba fijery an'ireo olona ireo no olana ngeza indrindra. Tsy olona mihidy anatin'ny haizina sy irery izy ireo, ary tokony hanohana azy ireo amin'ny maha talenta ilaina azy. Io ihany no ahafahantsika mahazo fandresena amin'ireo ady eo amin'ny aterineto.

download1.jpg [5]
Asehon’ity sary ity [6] ireo nomerao karapanondro sy anarana Koreana rehefa avy mampiditra kianjoanjo anarana Koreana iray anaty tranonkala vavahadin-tserasera Shinoa iray.