- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: Mpianatra tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna manomboka ny herinandron'ny hetsika tamin'ny 22 Febroary

Sokajy: Amerika Avaratra, Etazonia, Fanabeazana, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010)

Na dia eo aza ny fahatongavan'ny taona hafa tsy misy lalana ho an'ny maha-olom-pirenena ny mpianatra tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna ao Etazonia, manohy ny fihetsiketsehana ireo mpikatroka.

Mandritra ny herinandron'ny 22 Febroary, hampiantrano ny DREAM Action Week (NOFY Hetsika Herinandron'ny NOFISO) [1] ireo mpanohana ny Lalàna DREAM, [2] volavolan-dalàna federaly izay mety hanampy ireo mpianatra 65000 mahery tonga tao Etazonia fony mbola kely mba hahazo zo honina ara-dalàna.

Ny Lalàna DREAM, izay mbola miantona ao amin'ny Kongresy nanomboka tamin'ny taona 2007, na dia efa nisy volavolan-dalàna toy izany aza nanomboka tamin'ny 2001, dia fanafohezana ho an'ny Lalàna ho an'ny fampandrosoana, fanampiana sy fanabeazana ireo vahiny tsy ampy taona. Raha lanin'ny Kongresy sy soniavin'ny Filoha Barack Obama ho lalàna manan-kery, dia hahazo “fonenana maharitra eo ambany fepetra” ireo mpianatra tsy manana taratasy tonga tao Etazonia talohan'ny faha 16 taonany.” Na dia mbola miato aza ny volavolan-dalàna federaly natolotra, nieritreritra handany lalàna hafa izay mety hanampy ny tanora tsy manan-taratasy ara-dalàna ao Florida sy Tennessee ireo mpanao lalàna

Students for the DREAM Act [1]

Na inona na inona ezaka miato ao amin'ny ambaratonga ara-dalàna, manasa ireo mpanohana mba handray anjara amin'ny fampiofanana antserasera maimaim-poana – “webinars [3]” ireo vondrona toy ny Mpikatroka DREAM [4] sy ny United We Dream Network [5] mba hampiroborobo ny “fanavaozana ara-pifindramonina ara-drariny sy mitandro ny maha-olona” ao Etazonia. Fampiofanana efatra no atolotra: ny toro-làlana fototra, ny fitadiavana mpanohana, ny fanadihadiana lalàna sy fidirana amin'ny media eo an-toerana.

Amin'ny fampiasana ny herin'ny aterineto sy ny fampahalalam-baovaon'olom-pirenena indray, manaparitaka ny teny hoe Action Week (Herinandron'ny Hetsika) amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao sosialy samihafa ireo mpikatroka DREAM. Namerina namoaka ny vaovao ireo bilaogeran'ny mpifindra-monina ao Etazonia [6], raha an-jatony kosa ireo sioka niresaka momba izany [7].

Mibilaogy ao amin'ny tranonkalan'ny Amerikana Aziatika Pasifika ho an'ny Fampandrosoana  [8]momba ny maha zava-dehibe ny Lalàna DREAM ny Amerikana-Koreana Tatsimo na dia eo aza ireo fanamby ary mangataka amin'ireo mpianatra namana tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna mba tsy “hangina na ho menatra”. Manoratra ihany koa izy fa tsy voafetra amin'ireo Latinos fa mahazo ireo Amerikana Aziatika ihany koa ny olana.

Today, I have a 3.8 GPA while I actively involve in a community. I work hard and push myself to show that anything is possible in this country, despite my undocumented status. And I will continue to push myself to be a role model to other people, especially in the Asian American community.

There are thousands of Asian-American undocumented students who are struggling to live a normal life just like me. Clearly, immigration is not only a Latino issue; it impacts everyone.

Androany, manana GPA 3.8 aho raha mandray anjara mavitrika amin'ny fiarahamonina. Miasa mafy aho ary manosika ny tenako mba haneho fa misy zavatra azo atao eto amin'ity firenena ity, na dia eo aza ny satako tsy manana taratasy ara-dalàna. Ary mbola hanohy hanosika ny tenako ho maodely ho an'ny hafa aho, indrindra ao amin'ny fiarahamonina Aziatika Amerikana.

An'arivony ireo mpianatra Aziatika-Amerikana tsy manana antontan-taratasy izay miezaka ny hiaina fiainana ara-dalàna tahaka ahy. Mazava ho azy fa tsy olan'ny Latino ihany ny resaka fifindra-monina; fa miantraika amin'ny rehetra.

Ary mba hanamafisana bebe kokoa ny tanjona na dia efa ho sivy taona tsy nihetsehana aza, manoratra ao amin'ny Change.org i Kemi Bello [9], fa ny iray tamin'ireo fikambanan'ny mpianatra zokiny indrindra, ny Fikambanan'ny mpianatr'i Etazonia [10] dia nandray fanapahan-kevitra ho fanohanana ny fanavaozana ny fifindra-monina sy ny Lalàna DREAM ho laharam-pahamehana amin'ny taona 2010.

The USSA's Board of Directors is composed entirely of college students from across the country, and the organization has an active presence on over 400 college campuses. And this broad coalition of students chose to make the DREAM Act, along with Student Aid Reform, one of its key legislative priorities for 2009 and 2010. It's recent decision to support CIR ASAP stems in large part from the fact that the legislation includes a DREAM Act provision to address the plight of undocumented youth brought to the U.S. at a young age.

Ny Filankevi-pitantanan'ny USSA dia ahitana ireo mpianatry ny oniversite manerana ny firenena, ary hita mavitrika ao amin'ny oniversite miisa 400 mahery ny fikambanana. Ary ity firaisan'ny biraon'ny mpianatra ity dia nisafidy hametraka ny Lalàna DREAM, miaraka amin'ny Fanavaozana Fanampiana ny Mpianatra, ho iray amin'ireo laharam-pahamehana fototra momba ny lalàna ho an'ny taona 2009 sy 2010. Ny ampahany lehibe tamin'ny fanapahan-keviny vao haingana hanohana ny CIR ASAP dia avy amin'ny zava-misy fa hampiditra ny volavolan-dalàna DREAM ny lalàna mba hijery akaiky ny manjo ireo tanora tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna nentina tany Etazonia tamin'ny fahatanorany.

Saingy nanamarika i Bello tao amin'ny bilaoginy fa tsy voafetra ho an'ireo mpianatra tsy manana taratasy ara-dalàna ihany ny fikatrohana fa ho an'ny rehetra.

The student voice — whether that of an undocumented student, citizen student, LGBT student, student of color, minority student, or veteran student — is awakening in America.

Eo am-pisandratana eto Amerika – ny feon'ny mpianatra – na ny mpianatra tsy manana antontan-taratasy ara-dalàna, ny mpianatra olom-pirenena, ny mpianatra LGBT, ny mpianatra mainty hoditra, ny mpianatra vitsy an'isa, na ny mpianatra menavazana -.

Jereo ny pejy fitantarana manokana ataon'ny Global Voices momba ny DREAM Act [11] raha hijery tantara maro kokoa momba ny tanora tsy manana antontan-taratasy ao Etazonia