Ireo Feo Avy Any Azia Atsimo

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006)

Bangladesh:

Asif avy amin'ny Unheard Voices: Manadihady ny toe-draharaha ara-politika ankehitriny ao Bangladesh ny Drishtipat Group Blog ary mandrisika an'ireo Bangla rehetra mba hàka toerana ara-moraly tsy miandàny mba hivoahana amin'ny krizy ankehitriny.

Manoratra andrana iray i Andrew Morris ao amin'ny Desicritics mikasika ireo endrika ara-tantaran'ny tanàna ao Dhaka mitondra ny lohateny hoe Diarin'i Bangladesh: Zotran'ny Fotoana

Ahmede Hussain mahatsiaro an'i Nur Hossain, izay 19 taona lasa izay namoy ny ainy nandritra ny hetsi-panoherana iray manohitra ny governemanta manjaka tokana, nanokatra ny lalana ho amin'ny demokrasia ao Bangladesh. Manoratra amin'alahelo izy fa ireo olona izay lasa nahazo tombony tamin'ny sorona nataon'i Hossain indray ankehitriny no miady ho an'ny fahefana manjaka tokana.

Bhutan:

Miaraka amina tononkalo tsara iray, manome  voninahitra ny mpanjaka Jigme Singye Wangchuck i Thingyel ao amin'ny blaogy Kuzu-Bhutan noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany tamin'ny 11 Novambra.

India:

Manoratra ao amin'ny Desicritics i Krishnan , avy amin'ny GV fa afaka hatao ho raharaham-bahoaka ny taovolo-nà Indiana iray kintan'ny lalao Cricket

Tantarain i Rama ao amin'ny Cuckoo's Call hoe manao ahoana ny fahefana tsy refesi-mandidy ao anaty Fanjakana Indiana any Bengal Andrefana.

Maldives:

Mieritreritra i Moyameehaa fa mpanao jdaona iray mpinompino foana  ny Filohampirenena ao Maldiva, Maumoon Abdul Gayyoom

Nepal:

Deepak Adhikari, blaogera mpanao gazety tranainy ao Nepal, manome torohevitra vitsivitsy mikasika ny fomba hanatsarana ny fahaizana manoratra anaàn'ny olona iray.

Manoratra  i Razib Ahmed ao anatin'ny South Asia Biz fa ny fihazàna an'ireo lalomena dia fandraharahana iray mampidi-bola be ao Nepal.

Pakistan:

Mitanisa an'ireo hira efatra an'i Runa Laila ny Owais Mughal ao amin'ny All things Pakistan, ilay bangla mpihira malaza be. Nandray anjara goavana izy tamin'ny fihirana an'ireo hira amin'ny teny Ordo (Urdu) any anatin'ireo sarimihetsika pakistaney. Nohirainy koa ny hira amin'ny teny Punjabi, Pashto ary Bengali ao Pakistana. Ny marina, nihira taminà fiteny17 samihafa  eto ambonin'ny tany izy.

Mandinika indray ny mombamomba ny ‘In the Line of Fire’, tantaram-piainan'ny Filoham-pirenena Pakistaney, Pervez Musharraf,  ny KO

Sri Lanka:

Hadihadian’ny Sri Lanka Politics ny antony namonoana tao Kolombo ilay mpanao politika, Nadaraja Raviraj, tsy ela akory izay.

Manamafy ny Tumeke! fa manosika ny firenena ho anatina krizin'ny maha-olombelona ny fifandonana mbola misy ao Sri Lanka eo amin'ireo hery fiarovana sy ireo tigra tamouls.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.