- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taridàlana Asongadina: Fitaovana ho an'ny Fisoloana vava Ara-piarahamonina

Sokajy: Fitaovana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2012)

Ivontoeram-pampianarana iray sady bilaogy ifarimbonana ny Socialbrite.org [1], natsangan'i Joseph Daniel Lasica [2] tamin'ny 2009, izy izay mpanolotsaina amin'ny lafiny haino amanjerim-bahoaka, mpanao gazety anaty aterineto no sady bilaogera. Manampy sy manohana ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa, ireo orinasa misahana ny vahoaka, ireo mpikatroka mafana fo izy io ary misarika ireo fikambanana mba hampiasa ny haino amanjerim-bahoaka hanatontosàna ny asan-dry zareo.

Ny sehatra Socialbrite dia ahitàna vondrompiarahamonina mianatra sy mizara miaraka aminà lahatsoratra maimaimpoana maherin'ny 1.000 [3], torolàlana sy loharano hafa. Ho famaranana vao haingana ny Google Internet tao amin'ny fivorian'ny Liberty 2012 [4], namorona sy namoaka fitaovana ahitàna taridàlana iraika ambiny folo momba ny fisoloana vava ara-piarahamonina sy ara-pôlitika ny Socialbrite.org. Kendrena ho  [5]“teboka fanombohana tsara ho an'ireo mpikatroka mafana fo, ireo mpiasa ho an'ny fanovàna sy ireo mpitolona ho an'ny fanavaozana ara-pôlitika izay te hitondra fanovàna tsara eo amin'ny fireneny, eo amin'ny vondrompiarahamonina misy azy sy eo amin'iza tontolo izao” ireo taridàlana ireo.

[5] [5]

Tafiditra anatin'ireo taridàlana 11 fampahafantarana ny fiovàna ara-piarahamonina ireo ny paikady fanaovana hetsipanentanana mahomby, ny torolàlana ho an'ireo fitaovana fanarahamaso sy fandrefesana tsara indrindra, ny lisitra mikasika ireo sehatra ny fikambanana ary loharano hafa manome fahafahana hanatanteraka hetsipanentanana mahomby.

Sintony eto [17] avokoa ireo taridàlana rehetra.

Inty ny fanolorana an-tsary avy amin'ilay atrikasa mitondra ny lohateny hoe “Haino Amanjerim-bahoaka: Paikady & fitaovana ho an'ireo hetsipanentanana fisoloana vava” [18] anaty Aterineto tao anatin'ny fivorian'ny Liberty 2012:

Aterineto anaty fahalalahana [18]

Jereo ireo fampahafantarana [19] hafa avy amin'i JD Lasica. [20]