Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

India: Namely an'i Pune ny asa fampihorohoroana

Image courtesy http://twitpic.com/photos/abhi_bol

Sary avy amin'ny http://twitpic.com/photos/abhi_bol

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Febroary 2010)

Tamin'ny 7 sasany hariva tamin'ny Asabotsy 13 Febroary 2010, nisy baomba nipoaka tao amin'ny trano fisakafoanana malaza feno mpizahatany any Pune, tanàna andrefan'i India, ka nahafatesana olona 9 sy naharatrana 57. Tao anaty kitapo ilay baomba ary nipoaka rehefa niezaka nijery ity entana tavela ity ny mpampandroso sakafo. Shashi Bellamkonda ao amin'ny My Digital Thoughts nitatitra hoe:

A few hours ago (Feb 13th 2010) a bomb went off popular cafe ‘German Bakery” in Pune India. At the time of posting this the press were reporting that 8 people had died and about 40 injured in this blast which left the bodies charred beyond recognition. The bakery is a popular spot with foreign tourists.

Ora vitsy lasa izay (13 febroary 2010) nisy baomba nipoaka tao amin'ny trano fisotroana kafe malaza ‘German Bakery” tany Pune India. Tamin'ny fotoana namoahana ity (hafatra ity), nitatitra ny gazety fa olona 8 no maty ary 40 teo ho eo no naratra tamin'ity fipoahana ity izay nahatonga ireo vatana may tsy hay fantarina intsony. Toerana malaza feno mpizahatany vahiny ny fanaova-mofo.

Nanana ity fandinihana ity ihany koa i Shashi:

Pragmatic Euphony nampitandrina hoe:

The jehadis have struck again on the Indian mainland; this time in Pune, albeit more than a year after the horrendous terror attacks on Mumbai in November 2008. The initial response, while going with the most plausible and popular assumption that the blast was the handiwork of Pakistan based jehadi groups, is one of indignation. Perhaps understandably so as tempers are bound to run high. And this emotion is likely to be further amplified as the Indian mainstream media hyperventilates and virtually runs amok with its over the top coverage of the incident.

Namely indray tao amin'ny tanibe Indianina ny jehadis; tamin'ity indray mitoraka ity dia tany Pune, na dia efa herintaona mahery taorian'ny fanafihana mahatsiravina nataon'ny mpampihorohoro tany Mumbai tamin'ny volana Novambra 2008 aza. Fahatezerana ny valinteny voalohany, tamin'ny tombatombana azo antoka sy malaza fa hoe ny vondrona jehadi ao Pakistan no nahavanon-doza. Angamba azo takarina raha ambony ny hambom-po. Ary mety hihamafy bebe kokoa ity fihetseham-po ity satria mihazakazaka ny fampahalalam-baovao mahazatra Indiana ary mitantana am-pahadalana ny fitantarany ara-virtoaly momba ny loza.

Efa nahita rohy mankany Pakistana sahady ny olona. Offstumped mampahafantatra fa taorian'ny fandrahonan'i Laskar-e-Taiba ny fipoahana tany Pune. Mpitarika ambony iray ao amin'ny Lashkar-e-Taiba niantso an'i Pune ho tanàna lasibatra nandritra ny famoriam-bahoaka nahazoan-dalana tao Pakistana. Hoy i Acorn:

Despite the Lashkar-e-Taiba threat, it is too early to definitively attribute the attack to the Pakistani military-jihadi complex. But it is clear that the Pakistani military-jihadi complex has every reason to escalate tensions with India through the use of terrorism. Without the excuse of “tensions to the east”, Pakistan would have nothing left to explain to Washington its double-dealing on the taliban.

Na dia eo aza ny fandrahonan'i Lashkar-e-Taiba, aloha loatra raha hanondro ny vondrona tafika-jihadi Pakistaney ho ambadik'izany. Saingy mazava fa manana ny antony rehetra hanamafisana ny fifandonana amin'i India amin'ny alàlan'ny fampiasana  fampihorohoroana ny vondrona jihadi-miaramila Pakistaney. Raha tsy misy fialantsiny “fifanenjanana tany atsinanana”, tsy manana na inona na inona hazavaina amin'i Washington amin'ny [fihatsarambelatsihiny] momba ny taliban i Pakistan.

Dilip D'Souza at Death Ends Fun mampatsiahy fa tokony hanao zavatra manoloana ny fampihorohoroana ny firenena ihany koa i India :

Until we recognize homegrown terror for what it is — no less than anything from abroad — and until we stand against every kind of terror, we will never defeat terrorism.

Mandra-panekentsika ny fitomboan'ny fampihorohoroana — tsy latsaky ny zavatra rehetra avy any ivelany — ary mandra-pijoroantsika hanohitra ny karazana fampihorohoroana rehetra, dia tsy handresy ny fampihorohoroana mihitsy isika.

Feno sioka sy sioka nozaraina manaparitaka ny vaovao ny tontolon'ny Twitter. Ireto  sasany amin'izany:

IndiaHappening: Nine killed, 32 hurt in Pune terror blast http://bit.ly/arLssZ #India

r_shekhawat: Terror strikes at my home – ‘Pune’ : Once again, innocent people killed by some mindless terrorists. Pune, a great city, hurt and bruised.

pragmatic_rebel: Must be a sad start to Valentine's day in #Pune! Still aghast at the blasts, I wish #India does something really different this time.

bhuvan_chelsea: We need a vigilante like Batman here in #India . 😉

tweetSAMRAT: Is praying for the victims of the recent Pune bomb blast.

nehasasi: RT @deepitganjoo: Please RT This Jahangir Hospital Pune Needs Blood AB+ve and B+ve Contact : 1066 Those who are in Pune…. Please

_india_: Pune blast casts shadow on talks with Pak

IndiaHappening: Sivy maty, 32 naratra tamin'ny fipoahana fampihorohoroana tany Pune http://bit.ly/arLssZ #India

r_shekhawat: Namely ny tanindrazako – ‘Pune’ ny fampihorohoroana: olona tsy manan-tsiny indray no novonoin'ireo mpampihorohoro tsy misy saina. Pune, tanàna mahafinaritra, noratraina sy novonoina.

pragmatic_rebel: Fanombohana mampalahelo tokoa amin'ny andron'ny mpifankatia ao #Pune! Mbola voadona noho ny fipoahana, maniry aho mba hanao zavatra hafa mihitsy i #India amin'ity indray mitoraka ity.

bhuvan_chelsea: Mila olona mailo tahaka an'i Batman eto #India . 😉

tweetSAMRAT: Mivavaka ho an'ireo lasibatra tamin'ny fipoahana baomba tany Pune vao haingana.

nehasasi: RT @deepitganjoo: Azafady, aparitaho ity, mila rà AB+ve sy B+ve ny hopitaly Jahangir any Pune, Antsoy ny laharana: 1066 Ho an'ireo izay any Pune…. Azafady

_india_: Mampisalasala ny fifampiresahana miaraka amin'i Pakistan ny fipoahana tany Pune

Azo antoka fa hisy fiantraikany amin'ny fikasana vao haingana hanohy ny fifampiresahana eo amin'i India sy Pakistana ny fipoahana tao Pune. Saingy toa hita fa manome hery ny mpampihorohoro izany satria ambony dia ambony ny fihetseham-po hatraiza hatraiza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.