18 Jona 2018

Tantara tamin'ny 18 Jona 2018

Goatemalà : Loharanonà Aingam-panahy Tamin'ilay Printsy Kely Ve i Antigoà ?

  18 Jona 2018

Ny tontolo tsara voatry ny firenena kely iray tahaka ny ao Goatemalà no isan'ny mampifoha ny famoronana. Ny fisian'ireo volkano 37 isa mivoaka avy ao ambanin'ny tany mandalo amin'ilay farihy malaza Atitlan, nahasarika mpanoratra maro io firenena io, babon'io toerana majika io. Mpitsidika toa an-dry Simone de Beauvoir, Louis Aragon, Pablo Neruda, Che Guevara ary na i Aldous Huxley koa aza [...] Mpanoratra hafa iray koa, Antoine de Saint-Exupéry , fantatra kokoa tamin'ny fanoratany ilay Le Petit Prince (Ilay Printsy Kely), mba nandalo tao Goatemalà tsy nahy, izay no mahatonga antsika hametraka izao fanontaniana manaraka izao: Ny tanànan'i Antigoà ao Goatemalà ve no loharanon'ny aingam-panahy tamin'ilay Astéroida B-612 ?

Etazonia: Al Jazira, voasivana?

  18 Jona 2018

''Tamin'ny 2005, rehefa nizara ny fikasany hanangana fantsona amin'ny teny anglisy ny Al Jazira, sady nahazo fanohanana no hetsika fanoherana tany Etazonia ny fanambaràny. ''

India: Namely an'i Pune ny asa fampihorohoroana

  18 Jona 2018

Tamin'ny 7 sasany hariva tamin'ny Asabotsy 13 Febroary 2010, nisy baomba nipoaka tao amin'ny trano fisakafoanana malaza feno mpizahatany any Pune, tanàna andrefan'i India, ka nahafatesana olona 9 sy naratra 57. Tao anaty kitapo ilay baomba ary nipoaka rehefa niezaka nijery ity entana tavela ity ny mpampandroso sakafo.

Kyrgyzstan: Adihevitra noho ny famarotana ny orinasam-pirenena momba ny fifandraisan-davitra

Nanao ny fanadihadiany manokana momba ny fifanarahana, izay namarotana ny petra-bolan'ny orinasam-pirenena Kyrgyzztelecom ireo mpisera malaza ao amin'ny forum aterineto Kyrgyz "Diesel". Araka ny voalazan'izy ireo, mifamatotra amin'i Maksim, zanaka lahin'ny Filoha Kyrgyz, Kurmanbek Bakiyev' izay voatendry vao haingana tamin'ny toerana ambony ara-toekarena ao amin'ny governemanta ireo tompon'ny orinasa vaovao.