Ilay miaramila tsy adino: Nalaza tamin'ny aterineto ilay miaramila Afgàna taorian'ny namonoan'ny Taliban azy

Sarin'ny manamboninahitra Mohammad Musa. Niparitaka tao amin'ny media sosialy.

Amin'ny miaramila Afgàna an'aliny maty nandritra ny iray tamin'ireo fikomiana nahafatesana olona be indrindra teo amin'ny tontolo maoderina, vitsy dia vitsy no lasa malaza ao amin'ny media sosialy.

Miavaka i Mohammad Musa, polisy manamboninahitra Afgàna 47 taona, izay voasambotry ny Taliban raha niaro ny tanindrazany any Farah any andrefan'i Afghanistan.

Loha-laharana tao amin'ny Tafi-piarovam-pirenena Afgana (ANSF) i Musa raha nobodoin'ny Taliban ny tanindrazany ao Farah tamin'ny fiandohan'ny volana.

Mahazatra ny fialana an-daharana ao amin'ny sampan-draharaham-piarovana, rehefa kely karama ireo manamboninahitra na dia mety hitera-doza aza ny asa. Nitsangana i Musa ary tsy nety nandao ny tanànany hobodoin'ireo mpikomy.

Navoakan'ny Taliban ny lahatsary misy ny fisamborana azy, ary nahafantatra ny fianakaviany tatỳ aoriana fa novonoina ho faty izy.

Saingy raha nihevitra ny vondrona fa hahakivy ny maoraly ny lahatsary, dia diso ry zareo. Nanaporofo dona avy hatrany tamin'ny sarangan'ny Facebook ao amin'ny firenena, izay nanjary nampitaha azy tamin'i Che Guevara ny fijery mihantsy nataon'i Musa farany tamin'ny kamerà raha natosika nankao amin'ny fiaran'ny Taliban izy.

Mpisera Facebook iray nanoratra hoe:

آخرین نگاه آزاد مردان گمنام!
محمد موسی فرزند تاج محمد ساکن ولسوالي اناردره ولایت فراه که بعد از اسارت به مدت ۵ ساعت، شکنجه طالبان را به خاطر مردم خود برجان می خرد و سرانجام هم جان خود را فدای سرزمین و مردم ستمدیده اش می نماید.

به راستی، نگاه او تاریخ را می شکافد و بعد از سال ها از قلب آسیا کسی، “چه گوارا” را به چلنج می کشد: “آخرین نگاه آزادمردان گمنام این گونه باید باشد”. یادت زنده و نگاهت فراموش نشدنی است: “موسی دیار ما”!

مردم ات اشتباه نگیرد که “موسی” آن ها به خاطر فرعونیان زمانه، “نام و نگاه” خود را جاودانه نکرده است، بل او برای وطن و مردم خود تاریخ آفریده است.

Ny Fijery Farany an'ilay Olona Afaka! Nijaly nandritra ny dimy ora tao an-tranomaizina i Mohammad Musa, zanak'i Taj Mohammad izay avy ao amin'ny distrikan'i Anar Darra ao amin'ny faritany Farah, talohan'ny nanaovany sorona ny ainy ho an'ireo vahoaka nampijaliana sy ny taniny … Lehilahy toa an'i Che Guevara, saingy avy any afovoan'i Azia. Mitoetra ny fahatsiarovana anao.

Rehefa nifandray tamin'ny finday tamin'ny Global Voices, nilaza i Dawood, zanakalahin ‘i Mohammad Musa, 22 taona fa nanompo ny firenena nandritra ny sivy taona i Musa.

Hatramin'ny nahafatesan'i Musa, niala tao Farah nifindra tany amin'ny faritanin'i Herat ny fianakaviany satria misy asa betsaka kokoa any. Lasa mpamelona ny fianakaviana i Dawood, mamelona olona sivy hafa amin'ny fianakaviany ary mandoa hofan-trano amin'ny trano vaovao.

“Tsy manana na inona na inona  izahay eto”, hoy izy nandritra ny resadresaka fohy tamin'ny finday.

Graffiti sy fanentanana fanangonam-bola ifarimbonana

Efa niparitaka manerana ny Facebook ny sarin'i Mohammed Musa, ary nataon'ireo mpisera Afgàna maro sarintava. Saingy tamin'ny herinandro lasa teo, nahazo mari-pahatsiarovana vaovao izy.

Natao hosodoko tamin'ny rindrina tao Kabul renivohitra izy. Nanokana tatitra (nanomboka tamin'ny 11.00 tamin'ity lahatsary ity) momba ny sary vaovao tamin'ny rindrina ny TOLO TV miahy tena tamin'ny vaovaony hariva tamin'ny 24 May.

Pikantsary avy amin'ny vaovao harivan'ny TOLO tamin'ny 24 Mey 2018.

Nilaza tamin'ny Global Voices ihany koa i Dawood fa nahazo teo amin'ny 3.000 dolara ny fianakaviana rehefa nanomboka nanao fanentanana fanangonam-bola ireo mpisera media sosialy. Tsy mandray vola mihoatra ny 140 dolara isam-bolana ny ankamaroan'ireo miaramila loha-laharana sy ny polisy manamboninahitra.

Mpisera Facebook Aziza Karimi nanazava ny maha zava-dehibe ny fanomezana nataony tamin'ny fanentanana ao amin'ny firenena izay tsy manam-bola hanonerana ny fianakavian'ireo miaramila namoy ny ainy ny governemanta ao aminy.

بهترین و موثرترین نوعِ قدردانی از سربازان و هم‌دردی با بازماندگان آنان، حمایت‌های مالی از خانواده‌های آنان است.
ابراز احساسات چند روزه‌ی مجازی ما هیچ دردی از آنها را درمان نمی‌تواند. خانواده سربازان را تنها نگذاریم.

Ny tsara indrindra sy ny fomba mahomby indrindra hanehoana fankasitrahana ho an'ny sorona ataon'ireo miaramila dia ny fanohanana ara-bola. Tsy afaka manasitrana ny fahorian'izy ireo ny fanehoana fiihetseham-po fotsiny ao amin'ny media sosialy. Tsy tokony adino ireo fianakaviana izay nilaozan'izy ireo.

Mandà fifampiresahana ny Taliban

Iray amin'ireo mpiasan'ny fiarovana 25 namoy ny ainy tamin'ny fanafihana vao haingana nataon'ny vondrona Taliban tao amin'ny faritanin'i Farah i Musa. Nibodo vetivety ny renivohi-paritany tamin'ny 15 Mey ny vondrona, saingy nanery ny milisy hiverina any ambanivohitra manodidina ny fanosehan'ny ANSF sy ny tafika an'habakabaka Amerikana .

Mr. Musa was one of 25 security personnel that lost their lives in the recent attack on Farah province, which was carried out by the Taliban group. The group briefly overran the eponymous provincial capital on May 15, but a pushback by ANSF and U.S. air power forced the militants back into the surrounding countryside.

Ireo Taliban mpikomy lasa manampahefana Afgàna tamin'ny taona 2010. Sary ISAF CC 2.0

An-jatony ireo miaramila sy polisy manamboninahitra namoy ny ainy nanerana ny firenena tamin'ity volana ity. Tamin'ny faran'ny volana aprily, nanambara ny Taliban fa tsy liana amin'ny tolotry ny governemanta hifampiresaka. Nanomboka teo, dia nanamafy ny “fanafihany lohataona” nentim-paharazana izy.

Ny fanafihana henjana indrindra tamin'ny volana mey dia nahitàna polisy 70 namoy ny ainy nandritra ny ady tamin'ny tafika Taliban tany atsimon'ny faritanin'i Zabul. Tao amin'ny faritany avaratra atsinanan'i Baghlan, miaramila 44 no maty satria nahazo ny toeran'ny governemanta ny vondrona Taliban.

Satria maro kokoa ny herisetra ateraky ny fitroarana, lasa tarehimarika fotsiny ireo miaramila lavo, very ao anatin'ny vahoaka miaina lava anatin'ny alahelo maharitra ny tantaram-piainan'izy ireo manokana. Na dia fiononana kely ho an'ny fianakaviany aza izany, voasorok'i  Mohammed Musa avy ao Farah izany anjara (fanadinoana) izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.