- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Na mandràra ny Facebook na tsia i Papouasie-Nouvelle-Guinée, milaza ireo mpitsikera fa mbola voarahona ny fahalalaham-pitenenana

Sokajy: Oseania, Papua Nouvelle Guinee, Fitsipika, Indostria, Mediam-bahoaka, Sivana, GV Mpisolovava
[1]

Mpianatra ao amin'ny kilasy Teknolojiam-baovao ao amin'ny Foiben'ny Fampandrosoana ny Tanora Hohola. Sary Flickr avy amin'ny Departemantan'ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra ao Aostralia (CC BY 2.0)

Niteraka ahiahy momba ny fanafoanan'ny governemanta ny fahalalaham-pitenenana ny tatitra famolavolan'i Papouasie-Nouvelle-Guinée handràra ny Facebook.

Tamin'ny 29 Mey 2018, nitatitra momba ny [2] tolo-kevitry ny Departemantan'ny Teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana handràra ny tambajotra sosialy mba hanadihadiana ny fampiasana azy sy hiantohana ny fiarovana ny mpiserasera ny gazety Post-Courier. Nanatsonga ny Minisitry ny fifandraisana Sam Basil tahaka izao ny lahatsoratra:

The time will allow information to be collected to identify users that hide behind fake accounts, users that upload pornographic images, users that post false and misleading information on Facebook to be filtered and removed…We cannot allow the abuse of Facebook to continue in the country.

Ny fotoana no hahafahana manangom-baovao hamantarana ireo mpiserasera miafina amin'ny kaonty hosoka, ireo mpiserasera mampiditra sary mamoafady, ireo mpiserasera mandefa vaovao diso sy mamitaka ao amin'ny Facebook mba hosivanina sy fafàna…Tsy afaka mamela ny fanararaotana ny Facebook hitohy ao amin'ny firenena izahay.

Nilaza mihitsy aza i Basil fa afaka mangataka amin'ireo orinasan'ny teknolojia eo an-toerana ny governemanta mba hamolavola sehatra mitovy “izay mifanaraka kokoa amin'i Papouasie-Nouvelle-Guinée mba hifandray ao anatin'ny firenena sy any ivelany ihany koa.”

Be no nanameloka ny tolo-kevitra fandraràna ny tao anatiny sy ivelan'i Papouasie-Nouvelle-Guinée.

Saingy haingana avy hatrany i Basil nandà [3] fa manana drafitra handràra ny Facebook ny minisitera ary niampanga ny Post-Courier ho manolana ny fanambaràny. Nijoro tamin'ny fitantaràny ny gazety sy ny mpitati-baovao nanao antsafa tamin'ny minisitra.

Nandritra ny fivorian'ny parlemanta taty aoriana, nanontany  [4]momba ny fahafahana mandrindra sy mandràra ny Facebook mihitsy ny governoran'ny faritany Ankavoana Atsinanana mba hampitsaharana ny fampielezana fandisoam-baovao.

Niampanga ny antokon'ny fitondrana ho miezaka manakenda ny tsikeram-bahoaka ireo mpanohitra mpikambana ao amin'ny parlemanta. Ity no nolazain'ny [5] solombavambahoaka Bryan Kramer tamin'ny fampahalalam-baovao:

I believe the real intent behind the plan is to silence growing public criticism against the Government in relation to corruption. There is also the issue of prosecuting those who are staunch critics and running anti-corruption campaigns naming high level Government officials.

Mino aho fa ny tena fikasana ao ambadiky ny drafitra dia ny hampangina ny fitomboan'ny fanakianana ataon'ny vahoaka amin'ny governemanta mikasika ny resaka kolikoly. Misy ihany koa ny resaka fanenjehana ireo mpitsikera mafàna fo sy mitantana fanentanana miady amin'ny kolikoly manonona ny anaran'ireo manampahefana ambony ao amin'ny fanjakana.

Nantsoin'i Kramer ho “adala” tao amin'ny pejy Facebook-ny ny tolo-kevitr'i Basil. Taorian'izany, nandrahona i Brasil fa mety ho voampanga sy hosamborina [6] i Kramer noho ny fanalam-baraka tamin'ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook-ny.

Gary Juffa, mpikambana iray hafa avy amin'ny mpanohitra, nandrisika [7] ireo mpanao politika namany mba hanaiky ny fanakianana ary hifantoka bebe kokoa amin'ny firesahana ny olana hafa maika kokoa eo amin'ny olom-pirenena:

Let's debate and act on how our people's feelings are hurt and indeed their well-being is affected because they cannot access the services they deserve rather than be outraged because people have said something about us. Mere words.

Andeha hiadihevitra sy hanao zavatra manoloana ny fahadisoam-panantenan'ny vahoaka ary koa ny mahasoa azy izay voakasika satria tsy afaka miditra amin'ny tolotra mendrika azy izy ireo fa tsy hoe tezitra noho izay lazain'ny olona momba antsika. Teny tsotra.

Eny, satria manan-danja kokoa ny fanakatonana ny Facebook noho ny fanarenana ny rafitra fanabeazana na fampihenana ny taham-pahafatesana eo am-piterahana na manafoana ny findramam-bola be

Ny Filankevitry ny Media ao Papouasie-Nouvelle-Guinée koa dia namoaka fanambarana maneho ny ahiahiny  [11]momba ny fandraràna ny Facebook:

While we appreciate that there is available content on Facebook that is classified illegal and deemed detrimental to the future of our people, we feel that any attempt to censor, curb, or restrict our people’s protected right to freedom of expression in any form, is an attack against our freedom as the media.

Na dia manaiky aza isika fa misy votoaty ao amin'ny Facebook izay sokajiana ho tsy ara-dalàna sy heverina ho ratsy ho an'ny hoavin'ny vahoakantsika, dia mahatsapa isika fa ny fikasana rehetra hanivana, hanakana na hametra ny zon'ny vahoaka amin'ny fahalalaham-pitenenana amin'ny endriny rehetra, dia fanafihana ny fahalalahantsika sy ny fampahalalam-baovao.

Noraràna ny Facebook nandritra ny fihaonamben'ny APEC?

Miahiahy ihany koa ny mpanohitra fa ny fandraràn'ny governemanta ny Facebook dia mety misy ifandraisany amin'ny fampiantranoan'ny firenena ny fihaonamben'ny Firahamiasa Ara-toekarena Azia-Pasifika (APEC) izay ho atao amin'ny faramparan'ity taona ity. Nolavin'i Basil izany.

Notsipahan'i  [12]Paul Barker, talen'ny Ivon-toerana misahana ny raharaham-pirenena ny hevitra hoe mandràra ny Facebook mandritra ny fihaonamben'ny APEC:

It would be a travesty if PNG sought to close down Facebook during the APEC month, making PNG seem rather foolish, as it would be both an attack on embracing technology, undermining the information era and mechanisms for accountability, but also damaging business and welfare.

Mety ho famadihan-dresaka raha toa ka mikasa hanakatona ny Facebook mandritra ny volan'ny APEC ny PNG, mahatonga ny PNG ho toy ny adala, satria sady fanafihana ny teknolojia izany no manohintohina ny vanim-potoanan'ny vaovao sy ny rafitra momba ny fandraisana andraikitra, nefa koa manimba ny fandraharahana sy ny fifanampiana.

Nandray anjara [13] ilay Mpanoratra Scott Waide:

It is a highly embarrassing position to be in as members of APEC discuss the region’s economic future with e-commerce and social media being a pivotal focus of the talks.

Any shutdown of Facebook for any length of time is contrary to the spirit of the discussions where wider access to ICT forms the basis of future economic policies.

Fomba fijery mahamenatra indrindra ho an'ny mpikambana ao amin'ny APEC ny miresaka momba ny ho avy ara-toekarenan'ny faritra miaraka amin'ny e-varotra sy ny media sosialy izay tena ifantohan'ny resaka indrindra.

Ny fanakatonana ny Facebook mandritra ny fotoana lava dia mifanohitra amin'ny ifantohan'ny fifanakalozan-kevitra, izay fototry ny politika ara-toekarena hoavy ny fahafahana miditra amin'ny TIC.

Nanantitrantitra ihany koa ny maha-zava-dehibe ny Facebook ho an'ny orinasa madinika sy filàna hafa amin'ny fiaraha-monina izy:

In Lae City where I live, Facebook is a primary means of reporting crimes to the police. The Lae Police Metropolitan Command has a Facebook page linked to its crime reporting systems and toll free number. It is an integral part of policing.

Ao amin'ny tanànan'i Lae izay ipetrahako, fitaovana fototra amin'ny fitaterana ny heloka bevava amin'ny polisy ny Facebook. Manana pejy Facebook mikasika ny rafitra fitaterana heloka bevava sy laharana maimaim-poana ny Komandin'ny Polisy Metropolitana Lae. Ampahany manan-danja amin'ny fanaraha-maso izany.

Manahy [14] momba ny fomba fiasan'ny governemanta amin'ny fanaovana fikarohana lalina momba ny Facebook kosa ilay mpikaroka Kasek Galgal. Nanome ity fampatsiahivana ity izy:

If the government is serious about protecting its citizens online, then creating an environment where they can safely use the internet should be the goal, not blocking parts of it altogether.

Raha matotra amin'ny fiarovana ny olom-pireneny amin'ny aterineto ny governemanta, dia ny fametrahana tontolo ahafahan'izy ireo mampiasa aterineto no tokony ho tanjona, fa tsy ny fanakatonana ny ampahany amin'izany.

Araka ny tati-baovao, nanatona [15] ny manampahefana ao Papouasie-Nouvelle-Guinée ny Facebook mba hiresaka momba ny ahiahin'ny governemanta.