- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Miherisetra amin'ny bilaogera, mangalatra votoaty, ary mandrahona!

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny jona 2008) 

Amin'ny maha-bilaogera anay, mora atao lasibatra izahay. Tsy ijerena tsy fisehoana anarana, solonanarana na ny toy izany, ny fandrahonana azo no mahatonga anay hijery indray ny maha-zavadehibe ny bilaogy. Toy ny niatrika tadio ny nandraisan'ny tontolon'ny bilaogy ny raharaha Inji Pennu sy Kerals.com. Tao amin'ny hita ho fisetrasetrana madiodio sy fandrahonana, nanjary tonga hatramin'ny fanorisorenana bilaogera iray ny nataon'ny Kerals.com, tranonkala iray mpamelively ny olona avy any Kerala sy Malayali. Hita ho nangataka tamim-panajana ny Kerals.com hanaisotra votoaty nangalarin-dry zareo taminy ny bilaogera Inji Pennu, izay mibilaogy ao amin'ny Ginger and Mango [1]. Avy eo izy namoaka ny valintenin-dry zareo, ary niteraka setriny maventy avy amin'ny mpamakin'ny bilaoginy ny fifanoratana imailaka nifanaovan-dry zareo. Raha tsy tena zava-baovao loatra ny fangalaram-botoaty avy amin'ny bilaogy, tsy afa-bela sy tsy afa-maina tamin'izany toe-javatra izany ny tetikady sy ny fandrahonana herisetra avy amin'ny tranonkala mangalatra votoaty.

Then starts the threats, abuse and even fake legal notices. They started ordering bloggers to take down their respective posts criticizing them. What craziness to order bloggers like that. What happened to freedom of speech?…..

Mr. Shiv Kumar then threatens physical harm to me for speaking up. He says in his next email that he would do unpredictable stuff to people like me.

Avy eo manomboka ny fandrahonana, ny fanitsakitsahana ary hatramin'ny famoahana fanamarihana ara-pitsarana hosoka. Natombok'izy ireo tamin'ny fandidiana ny bilaogera mba hamafa izay lahatsoratra mitsikera azy ireo. Tena hadalana ny mandidy ny bilaogera tahaka izany. Inona no mitranga amin'ny fahalalahana miteny? …..

Mandrahona ara-batana ahy avy eo Atoa Shiv Kumar noho ny fitenenako. Nilaza tamin'ny mailakany manaraka izy fa hanao zavatra tsy ampoizina amin'ny olona tahaka ahy.

Hindi Blog Reporter [2] manoratra hoe:

In latest post at her blog she gives an account of the threatening mails she is receiving from this group which claims to be an old player in cyber industry. Inji after a short research finds out that apart from running porn sites this group is also in the business of donating the orphanages nice diversification.

Tamin'ny lahatsoratra farany tao amin'ny bilaoginy, nanome ny kaonty misy ireo mailaka fandrahonana azony avy amin'izany vondrona  milaza fa mpilalao fahiny tao amin'ny indostrian'ny aterineto izany izy. Nahita i Inji, taorian'ny fikarohana fohy fa ankoatra ny fitantanana tranonkala sary mamoafady, ao anatin'ny fandraharahana amin'ny fanomezana hoan'ny kamboty ihany koa ity vondrona ity.

Hita ihany koa fa nangalatra votoaty avy amin'ny bilaogy hafa amin'ny fanomezana ny niaviany ny Kerals.com, na manaiky ny zava-misy fa tsy namorona ny votoaty izy ireo. Manoratra ny bilaogin'ny Jayarajan: [3]

I express my strong protest against Kerals.com for copying contents from malayalam blogs(Also see this). Besides this, their support team has threatened and abused fellow blogggers who complained of this disgusting act (here, here and here). And as if that is not enough, they have indulged in cyberstalking.

Maneho ny fanoherako mafy ny Kerals.com aho noho ny fandikana votoaty avy amin'ny bilaogy malayalam (Jereo koa ity). Ankoatra izany, ny ekipa mpanohana azy dia nandrahona sy nanosihosy ireo bilaogera namana izay nitaraina tamin'ity hetsika maharikoriko ity. Ary toy ny hoe tsy ampy izany, fa mbola tia manao fihazana an-tserasera ihany koa ry zareo.

Manadihady lalindalina kokoa i Thulasi [4]ary nanoratra hoe:

Recently I've noted copyright infringments by Mazhathully.com. They have copied my photographs from this blog withour prior approval, written permission or proper attribution. Moreover they have placed watermarks of Kerals.com on those pictures. Then I went to search for details of these two websites and found both are primarly owned by a single company named Anashwara Company PVT LTD. I was shocked to find that the one who copied my photo, and watermarked it with his name and company's logo was none other than CEO of Kerals.com.

Vao haingana aho no nanamarika ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona ataon'ny Mazhathully.com. Nalain'izy ireo tsy misy fankatoavana ny sariko tao amin'ity blaogy ity, tsy misy ny fanomezan-dalana an-tsoratra na fanamarinana mazava. Ankoatra izany, dia nametraka ny marika Kerals.com tao amin'ireo sary ireo izy. Avy eo aho nikaroka ny antsipirian'ireo tranonkala roa ireo ary nahita fa orinasa iray antsoina hoe Anashwara Company PVT LTD no tompon'izy ireo. Taitra aho nahita fa tsy iza akory fa ny tale jeneralin'ny Kerals.com ihany no olona naka tahaka ny sariko, sy nametraka marika tamin'izany tamin'ny anarany sy ny fangon'ny orinasa.

Mamelatra ny adihevitra i Saptavarnangal [5], miaraka amin'ny fizotry ny olana raha nipoitra izy ireo ary nanoratra momba ireo tranonkala hafa tazomin'ity vondrona ity ihany.

As we all know by now, the contents from various Malayalam blogs were lifted to fill the Malayalam portal section of kerals.com. This was first reported by Saji and there are a lot of posts which clearly mentions the extend of plagiarism done by kerals.com. Another site http://www.mazhathully.com/ has lifted the photos from the photoblog of Thulasi and Kumar.( I had sent a greeting to Kumar which uses one of Kumar's photo published in his blog, he saw that and informed me that he has written to Kerals.com to remove his photos from their web site.) Kerals.com and mazhathully.com belongs to ( GoDaddy.com check) one ‘Anashwara Group of Company PVT LTD’ which many say is using fake addresses in US as well as in JK, India. When I checked now, http://www.mazhathully.com/ site is in a suspended state.

Araka ny efa fantantsika rehetra hatramin'izao, dia nesorina mba hameno ny sehatra vavahadin-tserasera Malayalam an'ny kerals.com ny votoaty avy amin'ny bilaogy Malayalam isankarazany. Notaterin'i Saji voalohany izany ary marobe ireo lahatsoratra izay milaza mazava ny fihitaran'ny fisandohana ataon'ny kerals.com. Nanaisotra ny sary avy amin'ny bilaogin-tsarin'i Thulasi sy Kumar ny tranonkala iray hafa http://www.mazhathully.com/. (Nandefa fiarahabana tany amin'i Kumar izay mampiasa ny iray tamin'ny sarin'i Kumar nivoaka tao amin'ny bilaoginy aho, nahita izany izy ary nilaza tamiko fa efa nanoratra tao amin'ny Kerals.com izy mba hanaisotra ny sariny ao amin'ny tranonkalan'izy ireo). Ny Kerals.com sy ny mazhathully.com dia an'nyVondrona Anashwara Company PVT LTD’ (nohamarinina tamin'ny GoDaddy.com) izay maro no milaza fa mampiasa adiresy sandoka ao Etazonia sy ao JK, India. Rehefa nanamarina aho, dia mbola eo am-piatoana ny tranonkala http://www.mazhathully.com/

Milaza ihany koa ny the breeze [6] fa toa naka ny anaran'i Inji Pennu sy namorona tranonkala sandoka ny solontena avy amin'ny Kerals.com.