‘Tsy ho afaka ny ho sady mpanafaka ianao no mpangalatra': Lahatsary mampiseho tafika rosiana manafay miaramila syriana tratra nandroba

Pikantsarin'ny video iray malaza mampiseho ny miaramila rosiana manafay ireo miaramilan'ny fitondrana syriana. Loharano: fantsona Youtube Al Aan TV.

Nisy lahatsary iray mampiseho ny tafika rosiana manafay ny miaramilan'ny tafika syriana tratra nandroba tao an-tanànan'i Babila atsimon'i Damaskosy nalaza tamin'ny tapaky ny volana mey 2018, andro vitsy monja taorian'ny nahazoan'ny tafika mpanohana ny fitondrana ny tanàna teo ampelatanan'ny Tafika Syriana Afaka (FSA).

Tamin'ny fampamenarana ampahibemaso, hita sary mihohoka eo an'arabe akaikin'ny trano mirodana, voambana basy eo amin'ny lohany ireo miaramila. Araka ny tatitra, nosamborina ireo miaramila hita tamin'ny lahatsary ireo taty aoriana, ao anatin'ny fampitandreman'ny Rosiana fa ho mafimafy kokoa ny fanasaziana raha mbola misy ny manao fandrobana amin'ny hoavy.

Lahatsary niely haingana. Miaramila rosiana tao ambanivohitr'i Damaskosy nahatratra miaramila syriana (tafik'i Assad) nandroba trano. Rosiana misambotra miaramila syriana, manery azy ireo hihohoka amin'ny tany raha mitehaka ny nanatri-maso.

Fielezan'ny fandrobana

Tsy mijanona ao Babila ihany no ahitana fandrobana toy izao.

Tamin'ny tapaky ny volana Avrily, nanomboka nanao fanafihana hifehy ny toby al-Yarmouk hoan'ny Palestiniana mpialokaloka ao Damaskosy sy ny faritra al-Hajar al-Aswad eo anilany, izay teo ampelatanan'ny ISIS sy ny Manda Nusra ny miaramila syriana, nampian'ny hery rosiana sy ny milisy palestiniana.

Taorian'ny fifanandrinana naharitra iray volana, nanambara ny tafika syriana fa “voaaro tanteraka” i Damaskosy sy ny manodidina azy rehefa nanery ny mpiadin'ny ISIS handositra ny toerana farany namaharan-dry zareo akaikin'ny renivohitra.

Taorian'ny fandresena, maro dia maro ny tatitra milaza fa manao fetin'ny fandrobana ny hery mitam-piadiana miarak amin'ny governemantan'ny filoha Bashar al-Assad. Feno sary sy lahatsary mampiseho miaramila mitondra vata fampangatsiahana, milina fanasan-damba ary fanaka ny media sosialy.

Araka ny tatitra, nosamborina ireo miaramila hita tamin'ny lahatsary taty aoriana, ao anatin'ny fampitandreman'ny Rosiana fa ho mafimafy kokoa ny fanasaziana raha mbola misy ny manao fandrobana amin'ny hoavy.

Fantatra amin'ny fomba fiteny syriana mahazatra ho “taafish”, niroborobo tao anatin'ny taona vitsivitsy izay ny fandrobam-pananan'ny mponina amin'ny faritra voababo. Amidy hatrany any amin'ireo tsenan'ny entana halatra ny fanaka, ary any ireo olona te-hamerina ny entany very no voatery mividy lafo ny fananany ihany anefa.

Hita misongadina ara-pivavahana mihitsy ireny tsena ireny amin'ny faritra sasany, tahaka ny ao Homs, izay nahitana famoretana ankitsirano nataon'ny governemanta fa misy iray amin'ireo tsena no antsoina hoe “Souq al-Sunna” (Tsena Sonita) milaza manta fotsiny izao ny fivavahan'ireo trano norobaina.

Araka ireo mponina ao atsimon'i Damaskosy, rehefa tontosa tanteraka ny fanafihana ara-miaramila dia nanatri-maso amin'ny andro mazava ny fandrobana ny fananan-dry zareo ry zareo. Tsy avy amin'ny mpanohitra ny fanoherana ihany izany tatitra izany fa avy amin'ireo vahoaka mpanohana ny governemanta ihany koa.

Nisy lahatsary iray nivoaka YouTube mampiseho mpanao gazety iray ao amin'ny Liwa al-Quds, milisy palestiniana pro-governemanta nandray anjara tamin'ny ady tao atsimon'i Damaskosy miaradia amin'ny fitondrana syriana, niditra tao anatin'ny fifamaliana tamin'ireo hery mitam-piadiana mifamatotra amin'ny fitondrana syriana hitany mandroba ny tranony tao amin'ny toby al-Yarmouk.

Misy aza moa ny tatitra avy amin'ny mpitolon'ny Shabiha mpiaradia amin'ny governemanta namono kilonga roa nanohitra ny fandrobana.

Ny sasany amin'ireo mpandroba manonona fahasahiranana ara-bola, iheverana amin'ny ankapobeny fa valisoa ara-drariny tamin'ny ezaka nataony nandritra ny ady izany na fitadiavam-panamarinan-tena amin'ny fahakelezan'ny karama aloan'ny fitondrana amin-dry zareo.

‘Iza ilay niantso hitifirana?’

Ny toa mampihomehy dia iverimberenana lokoina ity toe-javatra ahitana miaramila rosiana manafay ny miaramila syriana tratra mandroba ity. Voalohany, misy ireo fanesoana fampitahana azy amin'ireo fanimbana sy fampijaliana ataon'ireo hery mpanohana ny fitondrana amin'ireo mpikatroka avy amin'ny fanoherana.

Ny sasany ao amin'ny media sosialy nanasongadina ny fitoviana manaitra tamin'ilay lahatsary sy ny iray malaza mampiseho mpitandro ny filaminana mandaka sy manala baraka gadra tao an-tanànan'i al-Bayda, tanana amoron-dranomasin'i Baniyas tamin'ny andro fanombohan'ny revolisiona tamin'ny Avrily 2011. Na izany aza, nisy ireo kaontin'ny mpanohana fitondrana miampanga ity lahatsary nivoaka tamin'ny taona 2011 io ho namboamboarina, milaza fa mpiadin'ny kiorda irakiana Peshmerga ireny, fa tsy miaramila rosiana.

Resadresaka an-tserasera momba ity lahatsary nivoaka farany ihany ihany koa mandresy lahatra fa fanalam-baraka ny governemanta syriana iny, satria manasongadina ny fitomboan'ny ambaindain'i Rosia ao Syria, tokony ho telo taona izay hatramin'ny nirotsahany an-tsehatra hanampy an'i Assad.

Polisy miaramila rosiana ao atsimon'i damaskosy misambotra ny sasantsasany amin'ireo hery mpanohana ny fitondrana noho ny fiampangana ho manao fandrobana any an-tranon'olona. Izay ny iray miantso itifirana?

Ny toa mampihomehy faharoa dia lasa mpiaro ilay vahoaka novonoin'ny tafiny, notapatapahiny na nataony tsy nanan-trano rehefa nidaroka baomba an'habakabaka nandritra ny iray volana amin'ireo faritra ao atsimon'i Damaskosy notazonin'ny mpanohitra i Rosia.

Ankehitriny efa mandry ny vovoky ny ady ao Damaskosy sy ny faritra manodidina azy, ny tena mampanahy dia ny fampanjakana ny lalàna sy ny filaminana ao Syria rahatrizay. Betsaka loatra ireo milisy sy ny fielezan'ny fitaovam-piadiana eo an-tanan'ireo vondro-tafika tsy an'ny fanjakana, ka misy Rosiana sy Iraniana amin'izany. Ary taorian'ny fandresena ara-miaramila azony, dia hita ho tsy mahafehy na tsy te-hampihena tsotra izao ny fielezan'ny fandrobana ny fitondrana.

Niteny tamin'ny Global Voices i Maram, Syriana-Palestiniana mpianatra literatiora anglisy avy ao Yarmouk:

They claim to be liberating us from terrorists but are looting our belongings and no one can stop them. You cannot be a liberator and a thief at the same time. This is the law of the jungle. I wonder what future awaits us.

Milaza ho manafaka anay amin'ny mpampihorohoro ry zareo nefa dia mandroba ny fanananay ary tsy misy afa-manakana azy ireo. Tsy ho afaka ny ho sady mpanafaka ianao no mpangalatra. Lalànan'ny ala izao. Manontany tena amin'izay hoavy miandry anay aho.

Notsongain'i Maram ny fomba fiteny malaza an'i George Orwell avy ao amin'ny boky tantara foronon'ilay britanika mitondra ny lohateny hoe “1984”, izay lazainy fa fanokafana ny hoavin'i Syria araka ny fijeriny: “Raha te-hijery ny fahitana ny hoavy ianao, dia sario ny baoty iray manosihosy tavan'olombelona iray – mandrakizay”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.