Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 4 ka hatramin'ny 10 Jiona 2018?

“Vakio.” Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Jesper Sehested sy TheDyslexicBook.com. CC BY 2.0

Mikaroka, manoratra, mamoaka lahatsoratra, ary mandika tantara ny vondrom-piarahamonina ato amin'ny Global Voices amin'ny tanjona hanohanana ny zon'olombelona sy hananganana ny tetezam-pifanakalozana manavatsava firenena, kolontsaina ary fiteny.

Tsy mamoaka lahatsoratra fotsiny izahay mba hahazo ‘kitika’ na hanaraka fironam-baovao fa manao izany kosa izahay satria tianay hatrany mba hisy fiantraikany manerana izao tontolo izao ny asa mafy ataonay.

Noho izany, ny fomba iray ilaina mba hamantarana izany dia ny fomba hamalian'ny mpamaky ny tantaranay sy ny fandikanteninay. Andeha hojerentsika ary hoe iza ireo mpamaky ary inona avy ireo lahatsoratra nahasarika ny sain'izy ireo nandritra ny herinandron'ny 4 ka hatramin'ny 10 Jiona 2018.

Aiza eto amin'izao tontolo izao ireo mpamaky ny Global Voices?

Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 200 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices :

1. Etazonia
2. Brezila
3. Japana
4. Arzantina
5. Frantsa
6. Meksika
7. Espaina
8. Però
9. Kolombia
10. Taiwan
11. Italia
12. Alemaina
13. Filipina
14. Fanjakana Mitambatra (UK)
15. Kanada
16. Bangladesh
17. Ekoadoro
18. Rosia
19. India
20. Shily

Saingy ampahany kely amin'ny fahasamihafana misy eo amin'ireo mpamaky ihany ireo. Andao ampiasaintsika ny True Random Number Generator avy ao amin'ny Random.org ary hitopi-maso kely ireo firenena vitsivitsy hafa ao amin'ny lisitra isika:

177. Kosovo
122. Latvia
140. Palestina
40. Mozambika
188. Dominika

Global Voices amin'ny teny Anglisy

Ny tranonkala amin'ny teny Anglisy no ahitana ny ankamaroan'ny votoaty mivoaka voalohany ato amin'ny Global Voices. Ireto ny lahatsoratra dimy voalohany be mpamaky indrindra tamin'ny herinandro lasa teo:

The English-language site is where the majority of original content is first published at Global Voices. The top five most-read stories of last week were:

1. Pôrtô Rikô : Mainty Ary ‘Misaona’ Ny Sainam-pirenena Noho Ireo Mpitantana Teren'i Etazonia Apetraka (nivoaka voalohany tamin'ny taona 2016)
2. Afrikanina ahoana i Afrika Avaratra?
3. Miala tsiny, tsy miteny Anglisy aho, fa miteny sary.
4. Singapaoro: Tanàna sa firenena? (nivoaka voalohany tamin'ny taona 2009)
5. Mikasa hanaraka ny fanapahan-kevitr'i Trump ny governemanta Romaniana ary hamindra ny ambasadiny ao Israely ho any Jerosalema

Global Voices Lingua

Ny Lingua dia tetikasa iray mandika an-tsoratra ireo tantara ato amin'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa ankoatra ny teny Anglisy. Misy 30 eo ho eo ny tranonkala Lingua mavitrika. Ireto ambany ireto ny tantara be mpamaky indrindra na nanaovana fandikanteny tao amin'ny tranonkalan'ny fiteny mavitrika tsirairay avy tamin'ny herinandro lasa teo.

Arabo

Bangla

Shinoa (notsorina)

Shinoa (nentin-drazana)

Tsheky

Holandey

Frantsay

Alemà

Grika

Hongroà

Indoneziana

Italiana

Japoney

Koreana

Makedoniana

Malagasy

Nepaley

Poloney

Portiogey

Punjabi

Rosiana

Espaniola

Swahili

Tiorka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.